Zambia : Manahy ny Hisian'ny Fandresena Lahatra An-terisetra Mikasika Ny Fifidianana Ny Mponin'ny Aterineto

Handatsa-bato i Zambia ny 20 Septembra 2011, hifidy filoha vaovao, mpikambana ao amin'ny parlemanta ary ny solontenam-paritry ny govrnemanta.Tsy fotoana very maina ny niresahana io tranga lehibe iray io ho an'ny mponin'ny aterineto satria izy ireo dia mampiasa ny aterineto hiresahana ny tahotra ny mety hisian'ny herisetra, kolikoly ary na dia ny fanohanana ny antoko politika sy ireo kandidàn-dry zareo aza.

Momba ny tahotra ny mety hisian'ny herisetra mialoha sy aorian'ny fifidianana, Zambiana iray mpandefa tweet, @bukavu, no nanoratra hoe :

@MOSS_from_MARS @livilodge @shacut ndeha hatao am-pilaminana ny fotoam-pifidianana aty #Zambia, teneno ny olona fa tsy manampy ny firenena ny fisian'ny rà mandriaka.

Michael Sata, the main challenger to Zambia's incumbant president files his nomination. Image by Owen Miyanza, copyright Demotix (09/08/2011).

Michael Sata, ilay tena mpifaninana mavesa-danja amin'ny filoha amperin'asa ao Zambia. Sary avy amin'i Owen Miyanza, copyright Demotix (09/08/2011).

Mpandefa tweet hafa, @chiwama, mitanisa ny iraka mpanara-maso avy amin'ny Fiombonambe Eraopeana (EU) tao amin'ny onjam-peo Zambiana iray, nanoratra hoe:

Ny iraka mpanara-maso avy amin'ny Fiombonambe Eraopeana (EU) dia nilaza fa azo atao izany fifidianana madio sy mangarahara izany & ary tsy ilaina ny herisetra- Hot FM (onjam-peo mafana )#Bantuwatch #zambiaelections.

Tamin'ny fanapahana lohan'akoho velona teo aminà hetsika imasom-bahoaka nataon'i Mopera Frank Bwalya, mpandefa tweet iray no nanoratra hoe:

Olona manapaka lohan'akoho eo anoloanà hetsika ara-politika tao #Zambia no miresaka mikasika ny haben'ny hatsarana sy ny fahamatoran'ny adihevitra ara-politika

Mopera Frank Bwalya nandritra ny telo taona lasa dia nanao fampielezan-kevitra mampiseho karatra mena manohitra ny MMD izay eo amin'ny fitondràna. Ilay fampielezan-kevitra dia natao ampanenoana ny anjomara fanairan'ny fiara sy hanehoana karatra mena isaky ny Zoma mba hanehoana ny tsy hafaliana amin'ny MMD..

Mpandefa tweet iray hafa no naneho ny ahiahiny mikasika ny lasa dikan'ny hoe fampielezan-kevitra Zambiana :

Amin'ny olona sasany, ny #ZambiaElections (fifidianana ao Zambia) dia midika fotsiny hoe sakafo maimaim-poana, akanjo, labiera noho ny haavon'ny #poverty (fahantrana)

Nandritra ny fifidianana hatramin'izay, sy ny ho avy dia tsy misy mampiavaka azy, ny Zambiana sasany dia fantatra amin'ny fivarotana sy fividianana ny vaton'ny mpifidy mba ho fitadiavam-bola ho an'ny mpivarotra sy ho fanakanana ireo mpifidy tsy ho any amin'ny mpanohitra kosa ho an'ny mpividy. Mpandefa tweet iray no nimenomenona momba ilay raharaha:

Indreto misy resaka ahitàna ireo olona izay tsy mivaky loha fa mivarotra tsotra izao ny vatony amin'ny vidiny K50 000 (10US D) #BantuWatch #ZambiaElections

Tena nafàna tokoa ny adihevitra momba ilay latsabato tao amin'ny vondrona Facebook Zambian Peoples Pact (fifanarahan'ny vahoaka Zambiana) ahitàn ireo mpikambana ao manao sangodim-panina amin'ny mpitarika azy. Mpanohana ny MMD iray no nampakatra lahatsoratra nanazava ny antony ieritreretany fa ny antokony no handresy amin'ny fifidianana any amin'ny Faritany Avaratra, faritany izay nanohana ny Filoha Michael Sata avy amin'ny Mandantehezan'ny Tia Tanindrazana, isan'ny iray amin'ireo goavana mirotsaka.

Gunston Chola nanazava hoe maninona ny mpifidy any amin'ny faritany Avaratra no hifidy an'i Rupiah Banda sy ny kandidà an'i MMD:

1. Misy Lisea vaovao eo andalam-panorenana ao Muyombe.
2. Ny làlana Isoka-Muyombe feno lavadavaka dia hiova tara. Ho vitaina ao anatin'ny 2 taona io tetikasa io amin'ny sanda K213bn.
3. Nisy ny fifanarahana voasonia teo amin'ny governemantan'ny Zambia sy ny orinasa Kaidi Biomass Zambia Limited (KBZ) amin'ny fanombohana mampiasa ny vokatra natoraly, Tetikasa izay handaniana US$ 450 tapitrisa amin'ny dingana voalohany. Ny dingana voalohany amin'ilay tetikasa dia ny hananganana fotodrafitr'asa eo an-toerana toy ny trano, làlana, Jiro ary sekoly. Ilay fampiasam-bola dia heverina fa hanome asa olona 10,000 ao amin'ny distrikan'i Nakonde sy Isoka.

Chitulika Zitu dia nihomehy tamin'ilay fampitoviana an'i Zambia sy Shina nataon'ny mpanolotsaina ara-toekaren'ny antoko eo amin'ny fitondràna:

“ZAMBIA DIA FIROBOROBOANA ARA-TOEKARENA MALAKY BE ARY MIFANINDRAN-DALANA AMIN'I BREZILA SY SHINA”, HOY NY MPANOLOTSAINA ARA-TOEKAREN'NY MMD NIHEBOHEBO TEO AMIN'NY ZNBC IZAY TSY MISY ILANA AZY. ATSAHARO NY FANAPARITAHANA LOTO ENY AMIN'NY TAVAN'NY ZAMBIANA MAHANTRA.
BRAZIL SY SHINA DIA TONGA TAMIN'NY FIVOARANA ARA-TOEKARENY MALAKY TOKOA NOHO NY NOMENY LANJA MAVESATRA TEO AMIN'NY TOEKARENY NY INDOSTRIA. NY INDOSTRIA MPAMOKATRA DIA TENA MIROBOROBO FATRATRA ARY IZANY DIA MANOHANA SY MITARIKA HATRANY NY TOEKARENY. TSY MAHAGAGA RAHA MIFANINANA AMIN'NY DOLARA AMERIKANA NY SANDANY. TSY TOA AN'I ZAMBIA IZAY MANANA SANDAM-BOLA AMBANY INDRINDRA ATY AMIN'NY FARITRA MBA TSY HITENENANA HOE MANERANA AN'I AFRIKA. AHOANA MOA IZANY FIRENENA MILAZA AZY HO MIVOATRA BE ARA-TOEKARENA IZANY NEFA NY SANDAM-BOLANY AMBANY, NY FAHANTRANA SY TSY FISIAN'ASA NITOMBO BE TSY NISY TOA IZANY. TSY MANANA NY AKANJONY MANOKANA NY HOPITALY, FITAOVANA, FANAFODY ARY SAKAFO HOMENA IREO MARARY. NY LALANA IZAY VITA TARA TAMIN'IZANY FOTOAN'NY FAHAKELEZAN'NY TOEKARENA IZANY DIA LASA LALAN-TANY BE AMIN'IZAO FOTOANA.
ZAMBIA IZAY MANAFATRA NA NY FANALANY VOLOM-BAVA AZA, AO ANATIN'IZANY NY RANO MINERALY, DIA TSY HO AFAKA NY HITOVY LENTA AMIN'I SHINA SY BREZILA MIHITSY.

Gongs Jhala nanambara ny fankasitrahany :

Ho an'ireo izay mitady hoe aiza ny fitokiako no mirona, ito àry ny toerako. Tsy milahatra amin'ny MMD “mpanao kolikoly” aho, fa manohana ny “foko” UPND ary matahotra ny PF “mpanao jadona”. Ny filazako an'izany, mijery ny tena zava-misy aho, ny ady ho amin'ny toerana maha filoha dia an'ny RB sy ny Sata. HH no ho fahatelo, nefa raha toa ahy ianao dia, hieritreritra fa ny governemanta PF no zavatra ratsy indrindra tsy tokony hitranga ao Zambia, ka miangavy mba fidio ny HH.

Global Voices dia mirary fotoam-pifidianana milamina ho an'i Zambia.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.