Tantara tamin'ny 14 Septambra 2011
Maraoka: Mitatra Ny Fisamborana Ireo Mafàna Fo
Tampotampoka teo dia nitatra ny fisamborana ireo mafàna fo mpomba ny demaokrasia sy ireo mpanentana anaty aterineto tao Maraoka, tato anatin'ny andro vitsy. Tamin'ny herinandro lasa fotsiny dia efa nisy telo. Zara raha miteny momba izany ny mpampahalala vaovao ary dia nandray an-tànana ny fitaterana ireny fisamborana ireny ireo bilaogera izay vao taitra ny fampahalalam-baovao nentin-drazana tao Maraoka handray ny tantara.
Pakistan: Famporisihana Ny Tanora Ho Amin'ny Ampitso Tonga Lafatra
Ny Ivon-toeram-pianarana Fandriampahalemana sy Laika (Institute of Peace and Secular Studies - IPSS) dia fikambanana kely naorina ho an'ny tanora any Lahore, Pakistan, izay mikendry ny handrisihana ireo tanora Pakistane sady manofana azy ireo hiatrika ny fanambin'ny anio.Koa satria tsy afaka mahazo fanabeazana feno sy ampy ny ankabeazan'ireo tanora any Pakistan dia maniry ny hanolo-tànana izay tratra ho an'ireo tanora ny IPSS ary manome fahavononana azy ireo hiatrika ny ho aviny.
Makedonia : Mbola Tsy Miraharaha Ny Fangatahan'ireo mpanao Fihetsiketsehana Ny Manampahefana
Ny rantsana mpanao lalàna sy mpanantanteraka ao amin'ny governemantan'i Makedonia dia mbola manohy tsy miraharaha ny fangatahan'ireo mpanao fihetsiketsehana manohitra ny herisetran'ny mpitandro filaminana, ireo olona nandray anjara tamin'ilay hetsika nandritra ny telo volana dia nangataka ny mba hitohizan'ilay hetsika.
Kyrgyzstan: Habetsahana sy Hatsarana mialoha ny Fifidianana
Hisy fifidianana Filoham-pirenena ilay firenena kely nalaza tamin'ny rotaka politika amin'ny volana Oktobra 2011. Ankehitriny dia manam-bintana halaza amin'ny zavatra hafa indray i Kyrgyzstan: mpizaka zom-pirenena Kyrgyz 83 no nisoratra...
Espaina: Adihevitra Ara-politika sy Ara-tsosialy Mafana Momba ny Fanitsiana ny Lalampanorenana
Nihahenjana kokoa ny adihevitra politika sy sosialy tao Espaina nandritra ny volana vitsivitsy farany teo. Ny vaovao farany niteraka indray dia fidinan'olona anarivony an-dalambe mba hanohitra izay lazaina fa #reformazo (#fanitsianalehibe)....