Meksika: Hero Reports, Fampidirana An-tsarintany Ireo Hetsika Mahafinaritra

Screen grab from the Juarez Heroreports map

Dikasarin'ny sarintanin'ny Juarez avy amin'ny Heroreports.

Ny Heroreports dia tetikasa tsy itadiavan-tombotsoa manokana naompana tamin'ny fanangonana vaovao avy eny ifotony sy fananganana sarintany itaterana ny risika sy ny fitondrantena mendriky ny olom-pirenena eny anivon'ny fiainam-piarahamonina eny. Nanomboka tao Ciudad Juárez, Meksika izy ity, toy ny hoe fandraisana andraikitra nataon'ny Foibe MIT ho an'ny Media-n'olon-tsotra antsoina hoe “Crónicas de Héroes“, eo ambany fitarihan'i Yesica Guerra, mpikaroka iray momba ny fanomezana endrika amam-bika ny tanàn-dehibe tafiditra anatin'ny fanomanana diplaoma ambony Master amin'ny Foto-drafitrasa sy Fanitarana ny Tanàn-dehibe avy amin'ny MIT. Ciudad Juarez fantatra amin'ny maha-iray azy amin'ireo tanàn-dehibe isan'ny be herisetra indrindra eto an-tany, noho ny fisian'ny herisetra ataon'ny ‘cartel’-n'ny zava-mahadomelina sy ny vono olona miharo fanolanana.

Manoritsoritra ny tetikasa i Yesica Guerra ao anatin'ity lahatsary iray ity, tafatafa niarahana tamin'ny bilaogin'ny Knight Foundation [en]:

Ny lahatsary manaraka dia fampidirna amin'ny teny espaniola ho an'ny Heroreports [es] ao Juárez:

Araka ny hevitr'i  Maite Fernandez avy amin'ny International Journalists’ Network, ny hevitra hanangana ilay tetikasa dia tany amin'ny 2009 tany, rehefa nitsidika an'i Ciudad Juarez i Christopher Csikszentmihályi, talen'i Center for Future Civic Media (Foibe ho an'ny Media-n'olon-tsotra Rahampitso) amin'ny maha-tao anatin'ny solontena azy hitondra hevitra hanatsaràna ny fomba fiainana ao an-tanàna.

Ny fahombiazana tany am-boalohany ho an'ny Heroreports ao Juárez, izay nanangona antontan-kevitra sy nametraka an-tsarintany kaontinà hetsik'olom-pirenena 1045 eo ho eo, dia narahan'ireo tanàna hafa tao Monterrey, Meksika, sisintany eo anelanelan'i Tijuana, Meksika, sy San Diego, Kalifornia, USA, ary  hatramin'i Kazakhstan. Amin'ny maha-ampahany azy ireo ao anatinà tambajotra mitovy, ny tanàna tsirairay dia samy manana ny endriny manokana sy ny maha-izy azy. Na izany aza, ny zavatra ifantohana sy ny tanjona kendrena dia mitoetra ho mitovy hatrany.

Heroreports dia voafaritra ho toy ny fanentanana mba hànana fomba fisaina miabo. Inty misy ohatra iray amin'ny tatitra fijoroana vavolombelona nakarina tamin'ny 9 Aprily 2011 tao Ciudad Juárez:

Un día que regresaba del Paso Tx. Iba una señora caminado mayor de edad que regresaba de trabajar y traía muchas bolsas pesadas vi como un joven le ofreció ayuda hasta que la subió al camión.

Indray andro, niverina tao El Paso, Texas aho, nahita vavy antitra iray nody avy niasa nivesatra harona feno entana. Nahita tovolahy iray koa aho nanolo-tena hanampy azy, nanolo-kevitra ny hitondra azy tamin'ny fiarany mihitsy aza.

Ireo tetikasa tahaka ny Heroreports dia maneho fomba iray vaovao amin'ny fampiasàna ny fitaovan-tserasera dizitaly eny anivon'ireo vondrom-piarahamonina ao an-toerana. Maro sosona ny tombontsoa azo, tetezana mampitohy hetsika sy ny zava-misy eo anivon'ny aterineto sy ny eny “an-dalambe”. Ny fampiasàna mafonja sy ny vokatra dia tsy azo vinavinaina mialoha. Saingy sahady, ny sasany amin'ireo famoahana dia mivaky mihitsy tokoa toy ny sombin-tantara fa tsy tatitra tsotra fotsiny.

Ireo vohikalan'ny Heroreports dia mandrisika ny tsirairay hampiaka-peo sy hifantoka amin'ny fitondran-tena miabon'ireo olon-tsotra any amin'ireo faritra be olona sy mizàka fifandonana, ka manjary loharanom-baovao azo ifampitahàna sy tena ilaina tokoa amin'ny fanangonam-baovao “socio-géopolitiques”.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.