- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ao anatin'ny Fonjan'i Kambodza

Sokajy: Azia Atsinanana, Kambodza, Lalàna, Zon'olombelona

Miha ratsy hatrany ny fahateren”ny fonja miohatra amin'ny habetsahan'ny olona ao amin'y fonjan'i Kambodza, araka ny  fanadihadihana iray [1]navoakan'ny fikambanana mpiaro ny zon'olombelona  Licadho :

Ny mponina ao amin'ny fonjan'i Kambodza dia eo anoloan'ny fitomboana mahery vaika tsy misy toy izany. Fito taona  lasa izay,  ireo fonja 18 narahan'ny LICADHO maso dia efa nahatratra ny 100%  amin'ny fahafahany mandray.  Ankehitriny, feno hatrany amin'ny 180% ny fahafahany mandray olona izy ireny, nahatonga ny fonjan'i Kambodza ho ao anatin'ireo  fonja 25 feno gadra  indrindra maneran-tany

Ilay fikambanana dia namorona  sarintany [2] ahitana ny toerana be gadra indrindra :

[2]

Nahita  ny antony nitarika ny olana mikasika  ny fahafenoan'ny fonja  be loatra [3]ilay fikambanana :

Nampiseho sehatra telo vaovao mampiahiahy ihany koa ilay tatitra izay ilazàn'ny fa  LICADHO fa nahangonana antontan-taratasy nandritra ny taona lasa, ao anatin'izany ny : fanagadrana ireo izay tsy afaka – na tsy te-handoa ny onitra ara-bola noho ny heloka bevava vitany;   fandaharanasa fitaratra izay hamindràna ireo miandry ny fitsarana azy ho any amin'ny toerana fitànana mpifoka zava-mahadomelina mba hanenana ny isan'ny fonja feno olona be loatra ; sy ny fampidirana am-ponja tsy  mifanitsy amin'ny heloka natao. Ity farany dia voaporofo taminà tranga maro, toy izany ny tranga iray nahitana lehilahy voampanga higadra herintaona noho ny fangalarany akoho iray.

[4]

Fivangovngoana be loatra ao amian'ny fonjam-paritr'i Preah Sihanouk

The  Angkor Post [5] dia namoaka lahatsoratra iray nanolo-kevitra ny amin'ny fametrahana sazy tsyfampidirana am-ponja ho toy ny vahaolana azo ampiharina ho fanenàna ny fivangongoana be loatra any am-ponja:

Tena miray hevitra tanteraka amin'ny fampihàrana ny sazy rehetra voalazan'ny Lalànan'ny Ady heloka aho ho takalon'ny sazy  famonjàna. Mba hiantohana fa azo iainana sy mahomby tokoa ny fanapahan-kevitra toy izany, ny RGC (Governementam-panjaka  ao  Kambodza) dia tsy maintsy manome  ny fitaovana rehetra sahaza ilain'ny fitsarana,  sampan-draharahan'ny polisy,  mpandraharaha  ara-tsosialy,  ary ireo sampan-draharaham-panjakana maro dia tokony  hametraka rafitra mazava sy lalana tokony arahina  mba hanaraha-maso ny olona afaka misitraka ny sazy tsy fidirana am-ponja.

Ny sazy takalon'ny fidirana am-ponja, amin'izay azo ampiharana azy, dia manome vahaolana tsy maha-matiantoka ny roa tonta amin'ny fivangongoana be ao amin'ny fonjan'i Kambodza ; valin-kafatra mety tsara amin'ny fiatrehana ireo tontakely ary koa hampihena ny olona any am-ponja.

Ny  governmenta dia nanome toky fa hamolavola paikady  hanatsarana [6] ny fomba fiainana any am-ponja. Etsy ankilany,  nolazaina fa  toerana  fandefasana sarimihetsika iray efa tsy miasa intsony [7]no navadika ho fonja hiatrehana ny olan'ny fivangongoana be loatra..

Bilaogin'ny fonja

Tamin'ny volana lasa,  ny bilaogy iray nambara fa nosoratanà vahiny mifonja ao amin'ny fonjan'i  Prey Sar dia tena  noresahana [8] betsaka tao amin'ny habaky ny aterineto ao Kambodziana. Na dia ny filazam-baovao mahazatra aza dia nitatitra ilay izy.  Derek Stout [9] nahita fa “ny faharisihan'ny mpanoratra sy ny fampiasana fiteny tsy dia mahavantana loatra dia mampahatsiahy mpandray anjara iray ao amin'ilay bokin'i Irvine Welsh”

 

Vetivety foana ny mpitoraka bilaogy voalohany indrindra avy tao amin'ny fonjan'i Prey Sar  dia nahasarika mpijery liana tao amin'ny habaky ny aterineto, na dia nisy aza ireo izay tsy natoky ny amin'ny handehanan'io bilaogy io.

Nivoaka ny Alarobia lasa teo ny lahatsoratra voalohany.  Ny farany herinandro monja dia efa nisy rohy momba azy tao amin'ny Twitter sy tamin'ireo seahtra fifampiresahana anaty aterineto amin'ny fiteny Anglisy tao Kambodza.

Ny mpanoratra ilay bilaogy diq mitonona ho Tandrefana, mpiara-mifonja miandry ny fitsaràna azy ao amin'ilay fonja malaza.

Nomena ny lohateny hoe  “Fiainana ao anaty iray metatra tora-droa ”, izy io dia manoritsoritra antsipirihany ny zavatra iainana  ao anaty efitra figadrana tototra olona ao amin'ny Prey Sar. Ny faharisihan'ny mpanoratra sy ny fampiasana fiteny tsy dia mahavantana loatra dia mampahatsiahy mpandray anjara iray ao amin'ilay tantara nosoratan'i Irvine Welsh.

[10]

Ao anatin'ny fonja Kambodziana . Sary avy amin'i Licadho

Ilay bilaogin'ny fonja “Fiainana ao anaty iray metatra tora-droa” dia efa voafafa sahady. Soa ihany fa , LTO Cambodia [11] dia nahavita nanavotra  lahatsoratra vitsivitsy ka nampakatra azy tao amin'ny aterineto :

Mazava ho azy fa ny fahazoana mitondra  ito finday ito ato & ny fahazoana miditra amin'ny aterineto dia tena zava-dehibe.  Afaka manaraka ny fiainana avy any ivelany , maharay vaovao sy miasa mafy, no tsy mampitovy azy!

Na ny mitady ny tetika tsy manara-dalàna toy itony aza, dia fanamby lehibe & mila ezaka be.  Ny andrana sy hadisoana, fahaverezam-bola sy fotoana manginy fotsiny.

Tamin'ireo herinandro voalohany aho dia narary be, tsy afaka nisakafo nefa noana be  ary reraka matetika. Nanandrana ny ho any amin'ny hopitaly rehefa mba tonga teto ny  ONG, izay toa tsy misy ilàna azy akory. Tsy misy ilàna azy toa ny  “dokotera” ato.

Nahavita nitondra ahy tany amin'ny hopitaly ihany ireo mpiara-migadra amiko, tao aho no nasian-dry zareo ‘serum’ sy nomen-dry zareo fandriana tao amin'ilay hopitalin'ny gadra.

Ao dia gadra no dokotera ary tsara vintana aho fa voakarakara tsara tao , tamin'ny alalan'ny iray tamin'ireo olona mpiara-mifonja ao,  izay hita taratra fa niaina zavatra maro samy hafa tao.