13 Septambra 2011

Tantara tamin'ny 13 Septambra 2011

Meksika: Hero Reports, Fampidirana An-tsarintany Ireo Hetsika Mahafinaritra

  13 Septambra 2011

Ny Heroreports dia tetikasa tsy itadiavan-tombotsoa manokana naompana tamin'ny fanangonana vaovao avy eny ifotony sy fananganana sarintany itaterana ny risika sy ny fitondrantena mendriky ny olom-pirenena eny anivon'ny fiainam-piarahamonina eny. Nanomboka tao Ciudad Juárez, Meksika izy ity, toy ny hoe fandraisana andraikitra nataon'ny Foibe MIT ho an'ny Media-n'olon-tsotra antsoina hoe "Crónicas de Héroes"

Guinea : Ny Adin'i Nadine Bari Ho Fampihenana Ny Fahantrana ao Guinea

  13 Septambra 2011

Nadine Bari dia Frantsay iray nanangana fikambanana iray ho an'ny mpiara-belona isan'ny tranainy indrindra tao Guinea, Guinée-Solidarité na Firaisankinan'i Guinée. Tamin'ny alalan'ny fanampiana avy any Eropa dia nahavita namatsy fitaovana ireo sekoly, hopitaly, sy nanampy ireo tsy manan-kialofana, kamboty ary koa zaza manan-kilema mba hahazo fanabeazana.

Ao anatin'ny Fonjan'i Kambodza

  13 Septambra 2011

Miha ratsy hatrany ny fahateren"ny fonja miohatra amin'ny habetsahan'ny olona ao amin'y fonjan'i Kambodza, araka ny fanadihadihana iray navoakan'ny fikambanana mpiaro ny zon'olombelona. Nisy ny famoronana sarin-tany ahitana ny toerana be gadra indrindra. Etsy ankilany, bilaoginà voafonja iray no namoaka ny fiainan'ny gadra ao amin'ny fonjan'i Kambodza .

Filipina: Lolong, Mamba Goavana Indrindra Manerantany

  13 Septambra 2011

"Mifaha" ao Filipina ankehitriny ny mamban-dranomasina mirefy 6,4 metatra ary heverina ho ny goavana indrindra amin'ny karazany manerantany. Mitaky ny hanafahana azy ho any amin'ny fiainan-dia any amin'ny fitondrana ny mpiaro ny 'zon'ny biby'. Ny mpisera hafa moa mampitaha ilay mamba amin'ny mpanao politika mpanao kolikoly

Kambodza: Manao Fihetsiketsehana Hiarovana ny Ala ny ‘Avatar’

  13 Septambra 2011

Niakanjo sy nihaingo tahaka ny foko Na'vi ao amin'ilay sarimihetsika Avatar, nanohitra ny tetikasa fanadiovana ny ala Prey Lang izay hosoloina toera-pambolena sy toera-pitrandrahanana ny tambanivohitra Kambodziana. Prey Lang no ” ala lehibe midadasika indrindra  eo amin'ny tany lemaka sy sisa tavela ao Kambodza sy ny saikanosy Indoshina.” Tsy isalasalana fa Prey...