- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ejipta: Nandrava Tamboho sy Nanaisotra ny Sainan'ny Ambasady Isiraeliana ny Mpanao Fihetsiketsehana

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Ejipta, Israely, Fanoherana, Fifandraisana iraisam-pirenena, Mediam-bahoaka, Politika, Vaovao Mafana

Eo an-kianjan'i Tahrir, ivom-besatry ny revolisiona Ejipsiana ao afovoan-tanànan'i Kairo, androany [zoma] ny mpanao fihetsiketsehana an'arivony ho fanoherana ny fitondrana miaramila ao Ejipta. Vetivety monja dia tanoralahy maro no nihaodihaody tany amin'ny Ambasady Isiraeliana izay nandravan-dry zareo ny tamboho fiarovana ny Ambasady, sy nanesoran-dry zareo ny saina Isiraeliana rehefa nanatona ny alina. Indro ny sombotsombin'ny zavanisy voatatitra ao amin'ny Twitter.

Fanindroany tao anatin'ny iray volana izay no nananika ny rihana 15n'ny Ambasady ny mpanao fihetsiketsehana ary nanala ny saina Isiraeliana. Ny Tatitra no nilaza fa efatra ny mpanao fihetsiketsehana nananika ny trano androany.

Ora dimy lasa izay dia nitatitra tahaka izao ny solontenan'ny Al Jazeera Sherine Tadros :

@SherineT [1]: Heading to israeli embassy where reportedly protesters trying to tear down wall #egypt

Mizotra ho any amin'ny Ambasady Isiraeliana izay nisy nilaza fa misy mpanao fihetsiketsehana mandrava ny tamboho any
[2]

Mahmoud Abu Sharkh mizara amintsika ity sary mampiseho ny mpanao fihetsiketsehana eo amin'ny ambasady isiraeliana mandrava ny tamboho fiarovana

Ora iray taty aoriana dia nanamarika izy: [3]

[3]

[3]@SherineT [4]: Waving the #palestinian flag on top of demolished wall infront of #israel embassy, #egypt

Mihofahofa eo an-tampon'ny tamboho potika manoloana ny Ambasady Isiraeliana ny saina Palestianiana. #egypt

Ary ora roa izay dia nampiany hoe:

@SherineT [5]: Hundreds headed towards israeli embassy..people all over the streets shouting and chanting #egypt #tahrir

Olona an-jatony mizotra mankany amin'ny Ambasady Isiraeliana. Mitabataba sy mihiaka ny olona manerana ny arabe

Minitra vitsy taoriana, nisioka i Tadros :

@SherineT [6]: Protesters threw israeli flag off the side of the bldg which houses #israel embassy

Nesorin'ny mpanao fihetsiketsehana hiala ny trano itoeran'ny Ambasady Isiraeliana ny saina Isiraeliana

Salma  :

العلم الاسرائيلي اترمى علينا من فوق ‎#Israeliembassy
@SalmaSaid [7]: Nalatsaka taty aminay ny saina Isiraeliana
[8]

Lobna Darwish mizara ity sary ity ao amin'ny Twitter ahitana lehilahy ejipsiana mitondra ny takelabin'ny Ambasadin'Isiraely

Mosa'ab Elshamy:

@mosaabrizing: [9] It's like a party up there. The flagMEN waving to protesters from balcony under #IsraeliEmbassy, fireworks and all.

Tahaka ny fety ny eto. Ny saina [Arabo?] mihofahofa avy eny amin'ny mpanao fihetsiketsehana eny an-davarangan'ny Ambasady Isiraeliana, afomanga sy ny rehetra

Mananihany Raafat [ar]:

السفاره الاسرائليه بعد كده هتحط خيارة على السفاره بتاعتها..عشان مش كل يوم العلم يولع بالطريقه دى..
@Raafatology [10]: Tokony ho kokombra no ahofahofan'ny ambasady isiraeliana amin'ny manaraka mba tsy ho may isan'andro tahaka izao ny sainany.

Tsy mitsinjatsinjaka tahaka izany ny hafa ao amin'ny Twitter.

Nisioka i Gigi Ibrahim:

@Gsquare86 [11]: Seriously there is no point to stay at #IsraelEmbassy tonight, we did it all: the flag&wall r down, ppl r almost in emb, csf truck burned

Resaka matotra fa tsy misy antony ijanonana ato amin'ny Ambasady Isiraeliana androany alina intsony, vitanay daholo ny rehetra: Niala ny rindrina sy ny saina, efa saiky ato anatin'ny ambasady avokoa ny olona, may ny trakitera.

Ary nanampy i Dina Salah avy ao Kairo:

@Sonadina [12]: Gotta say I'm not impressed that my tax money will go to the rebuilding of #IsraeliEmbassy wall by el Me2awleen el 3arab (Arab Contractors), tomorrow morning.

Tsy maintsy miteny hoe tsy ho gaga raha entina hananganan'ny mpandraharaha Arabo ny rindrin'ny Ambasady Isiraeliana indray ny hetra naloako rahampitso maraina

Mbola mitohy ny raharaha.

Nitatitra i Gigi:

@Gsquare86 [13]: The papers r being thrown out of balcony from flat beneath #IsraelEmbassy .. People fightig after papers as they come down #hilarious

Aparitaka avy eny an-davarangana amin'ny efitra ambanin'ny Ambasady Isiraeliana. Mifandrombaka ny taratasy ny olona rehefa manakaiky azy ireo. Mampikakakaka

Nampian'i Hisham Al Miraat:

@_Hisham [14]: Al Jazeera correspondent says Israeli embassy not stormed but rather a lower floor used to archive docs from embassy. Police standing still

Nilaza ny solontenan'ny Al Jazeera fa tsy ny Ambasady Isiraeliana no nasaritaka fa efitrano ambany nampiasaina ho fitahirizana antontan-taratasin'ny Ambasady. Mbola mijoro ny polisy

Nanamarika i Omar:

@beirutwhat [15]: Re: Israeli embassy in Cairo. SCAF will show the video in every western capital to justify their control over politics.

Valiny: Ambasady Isiraeliana ao Kairo. Hasehon'ny SCAF any andrenivohitry ny firenena Tandrefana rehetra ny lahatsary hanamarinany ny fifehezany ny sehatra politika.

Ary nanazava ny Tonia mpikarakara ny gazetiboky Foreign Policy Blake Hounshell :

@blakehounshell [16]: The near storming of the Israeli Embassy tonight will sour a lot of people on the Egyptian Revolution. Fallout unclear.

Ilay sahotaka tao amin'ny ambasady Isiraeliana no hampangidy [hoditra] ny Revolisiona Ejipsiana eo anatrehan'ny olona maro