Ejipta: Gidragidra niseho na tanaty na ivelan'ny efitra itsarana an'i Mubarak

Fitantarana manokana mikasika ny  Revolisiona Ejipta taona 2011 ity lahatsoratra ity.

Notontosaina omaly ny fitsarana ny filoha Ejipsiana voaongana Hosni Mubarak noho ny famonoana nataony tamin'ireo mpanao  fihetsiketsehana nandritra ny revolisiona Ejipsiana. Ity no andro fahatelo izay nakana ambavany azy ary naharitra  10 ora izany, voatatitra fa nahitana gidragidra tao anatiny (izay tsy takatry ny fakan-tsary) sy ivelan'ny fitsarana, raha nifanandrina tamin'ny mpanohana an'i Mubarak ny fianakavian'ireo martiora. Ka nahemotra ny ampitso indray ny fitsarana. Mpisiokantserasera marobe no teo ivelan'ny fitsarana tao Kairo ka nitatitra izay zava-nitranga tao.

Mubarak, 83 taona, dia tsaraina miaraka amin'ny zanany lahy roa, Alaa sy Gamal, mbamin'ny minisitry ny atitany Habib Al Adly izay voampanga ho namono ny mpanao fihetsiketsehana 850 maty nandritra ny fitroaran'ny Ejipsiana nanomboka ny 25 Janoary ary naharitra 18 andro.

Voahelingelin'ny fomba mahery vaika nataon'ny polisy tamin'ny fianakavian'ny maritiora ny mpisiokantsera nijoro teo ivelan'ny fitsarana.

Nizara tamintsika ity saripika ahitana ny rain'ilay maritiora notaritarihan'ny mpitandro ny filaminana havoaka ivelan'ny fitsarana ity i Ali Hisham.

Police dragging the father of a martyr from Mubarak's trial. Photo from Twitpic by Ali Hisham

والد الشهيد محمد سليمان يتم سحله على الأرض من قبل قوات ” الأمن ” خارج قاعة محاكمة المخلوع

@Ali_Hisham: Notaritarihan'ny mpitandro ny filaminana hivoaka ny efi-pitsarana ny rain'ilay maritiora Mohammed Suleiman

Nahita ny zava-nitranga ny mpanao gazety mpaka sary Farah Saafan ary nisiokantsera:

@FarahSaafan: Raha nanangom-baovao avy tamin'ny #MubarakTrial dia nisiokantsera momba ilay lehilahy lehibe notaritarihana tamin'ny tany sy nokapohina tamin'ny kibay http://bit.ly/oBPjtd io izy! Tsy sary nalaiko

Taorian'ny fahitana izany gidraka izany dia manontany i Farah:

@FarahSaafan: Misy afa-milaza amiko ny toerana ahafahana mividy satroby ve? Tsy ilay ho an'ny mpitondra môtô fa fitondra miasa na ireny anaovan'ny mpanao gazety ireny!

Ary nanolo-kevitra i Ahmed Al Ish:


@AhmdAlish
: اللى هبحضر محاكمة المخلوع يوم الأربع يشترى خوذة بلاستيك من محلات الأمن الصناعى فى شارع الجمهورية بخمسه جنيه. ريتويت فى الخير

@AhmdAlish
: Izay rehetra ho avy amin'ny fitsarana ilay filoha voaongana amin'ny alarobia dia tokony hitondra satroka plastika novidiana tany amin'ny mpivarotra fitaovam-piarovana indostrialy eny amin'ny lalana Gomhoriya amin'ny vidiny 5 livra aloha voalohany indrindra.

Nanamarika ny mpisolovava Gamal Eid izay nanatrika ny fotoam-pitsarana ary mpanetsiketsika ny Sampana Arabo Mampahafantatra ny Zon'Olombelona (ANHRI) (Ar):

@gamaleid: النيابة خدعت الشعب المصري وقدمت شهود اثبات يبرؤا السفاحين بدلا من ادانتهم. النيابة العامة لا تمثل الشعب .مناخ قرف واحباط
@gamaleid: Fitahin'ny solontenan'ny mpiampanga [mpampanoa lalàna] ny vahoaka Ejipsiana ary vavolombelona manadio ny mpamono olona no antsoiny fa tsy miampanga. Tsy misolotena ny vahoaka ny mpampanoa lalàna. Mankaloiloy sy mahakivy ny toe-draharaha

Tonia sy mpanolotra Yosri Fouda nanesoeso ihany koa (Ar):

@YosriFouda: في الجلسة القادمة: ميدان التحرير هو اللي نط فوق الجامعة الأمريكية و قتل مبارك والعادلي و ٨٠٠ فرد أمن
@YosriFouda: Amin'ny fitsarana manaraka dia mety ho ny Kianja Tahrir no niantoraka tany amin'ny Anjerimanontolo Amerikana ary namono an'i Mubarak sy an'i Adly sy ny mpitandro ny filaminana 800 miaraka aminy

Namaly i Heba Farooq:

@HebaFarooq: Nanova ny fijoroany vavolombelona ny vavolombelona fototra ato amin'ny fitsarana heloka bevava an'i Mubarak | Al-Masry Al-Youm Ary ihany no hany #change [fiovana] hitantsika hatramin'izao! #mubarakTrial #egypt

Ary nanampy i Shams Karim:

@Shams209: Vao namaky fa nahitana kiraro be dia be tao amin'ny efitra nanatontosana ny fitsarana, mitsatoka aho fa izany no mety nametrahana an'i #Mubarak tanaty baravy.:) ♫ #MubarakTrial

Nilaza ny mpitati-baovao nanatrika fa nifampitoraka kiraro ny andaniny sy ny ankilany nandritra ny fotoam-pitsarana.

Hitohy rahampitso alarobia (7 Septambra) ny fitsarana an'i Mubarak. Araho amin'ny alalan'ny tenifototra #MubarakTrial ny torapo hita ao amin'ny Twitter

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.