Vehivavy Afrikana Miezaka ho Mpitondra Fanjakana

Nisantatra ny lalana i Ellen Johnson-Sirleaf tamin'ny taona 2006, raha voafidy ho Filohan'i Liberia ary nanjary vehivavy Afrikanina voalohany tafakatra amin'ny toerana ambony indrindra. Nanomboka hatreo, dia maro ireo vehivavy Afrikanina nanapa-kevitra hirotsaka hofidiana filoham-pirenena, vao haingana indrindra tao Benin, Kamerona, Ganà, Ginea, Repoblika Demokratika Kongo ary Nizera. Samy nanana ny fahombiazany avokoa ny fizotry ny fampielezan-kevitra notanterahin'izy ireo hatreto ary vitsy ireo manantena fa hahavita hanaradia an'i Johnson-Sirleaf izy ireo amin'izao fotoana izao. Mbola maro ireo fifidianana hotontosaina ao Afrika mandritra ny taona 2011-2012 ary tsy azo isalasalana fa dingana iray mankamin'ny làlan-tsara ho an'ny kaontinanta ny fitomboan'ny kandidà vehivavy izay mbola mitolona ankehitriny ny amin'ny fisoloan-tena ara-drariny mba hisian’ ny vitsy an'isa  ao anatin'ny rafitra politika.

Clarisse Juompan-Yakam namoaka lahatsoratra momba ny lohahevitra, izay nanamarika fa maro ireo hevitra itovizan'ireo kandidà: matetika dia nahavita fianarana ambony izy ireo, mpanao politika mijoro amin'ny heviny ka sahy nirotsaka an-tsehatra amin'ny adihevitra ampahibemaso tahaka ny mpiaro ny zon'olo-tsotra.

Nizera

Nanoratra i Juompan-Yakam fa i Mariama Bayard Gamatié, izay resy tamin'ny fifidianana filoham-pirenena farany teo tao Nizera, dia tsy faly noho ny tsy fahampian'ny fandefasan'ny fampahalalam-baovao ny fampielezan-kevitra nataony:

Première Nigérienne à briguer la magistrature suprême, cette fonctionnaire des Nations unies attribue en partie à l’indifférence des médias sa contre-performance à la présidentielle de janvier dernier : 0,38 % des voix au premier tour, le pire score du scrutin.

Vehivavy Nizeriana voalohany nirotsaka hofidiana ho mpitondra faratampony, nolazain'ity mpiasan'ny Firenena Mikambana ity fa ny tsy niraharahian'ny fampitam-baovao azy no anisan'ny antony nahazoany vato ambany tamin'ny fifidianana filoham-pirenena tamin'ny volana Janoary teo
(0.38% no vato azo, vato farany ambany indrindra azon'ny kandidà).

Mahita ny filatsahany hofidiana ho toy ny dingana azo alain-tahaka ho an'ireo vehivavy hafa Afrikanina i Gamatié.

Bénin


Marie-elise Gbedo, kandidà filoham-pirenena ao Benin, avy amin'i Benin-diaspora.com

Iray amin'izany i Marie-Élise Akouavi Gbèdo ao Bénin, izay notohanan-dRamatoa Gamatié nandritra ny fitetezam-paritra nanaovany fampielezan-kevitra vao haingana tamin'ity taona ity . Resy tamin'ny fifidianana Ramatoa Akouavi Gbèdo kanefa kosa lasa Minisitry ny Fitsarana izy ankehitriny. Nanampy tamin'ny fametrahana lalàna mandrara ny fampirafesana ao Benin izy;

Madagasikara

Ao Madagasikara, mbola tsy voafaritra mazava tsara ny dati-pifidianana filoham-pirenena. Na dia izany aza,  iray tamin'ireo voalohany efa nampahafantra ny firotsahany ho mpifanandrina amin'izany fifidianana izany sahady Ramatoa Saraha Georget Rabeharisoa, filohan'ny Antoko Maitso eto Madagasikara. Ny daty anaovana ny fifidianana ho filoham-pirenena izay mbola manjavozavo no teboka iray tena tsikerainy:

L’Etat a fait des dépenses faramineuses pour les membres du gouvernement qui étaient descendus sur le terrain pour sensibiliser les gens à s’inscrire dans les listes électorales… Si actuellement, on décide de ne pas procéder aux élections pour permettre aux citoyens d’exprimer leur choix, on a fait des dépenses pour rien.

Manao fandaniam-bola mihoampampana ho an'ny mpikambana ao amin'ny governemanta ny Fanjakana amin'ny alalan'ny fanentanana ny vahoaka hisoratra anarana amin'ny lisi-pifidianana… Raha toa anefa ka manapa-kevitra tsy hanatontosa fifidianana mba ahafahan'ny vahoaka maneho ny safidiny isika, dia manao fandaniana tsy amin'antony.

Saraha Georget Rabeharisoa, filohan'ny Antoko Sehatra Maintso eto Madagasikara via http://hasinimadagasikara.mg

Mazava tsara fa ny fiarovana ny tontolo iainana no lohahevitra iray lehibe ho an'ny antoko politikany, iray amin'ireo vaovao misongadina eto Madagasikarar ihany koa izany noho ny tranga fitrandrahana ala tsy ara-dalàna toy ny  andramena any anaty ala voajanahary. Toy izao no nambaran'ny Ramatoa Rabearisoa manoloana izany raharaha izany:

Tsy ekena ny fitrandrahana tsy manara-dalàna rehetra eto Madagasikara. Mikasika ny fitrandrahana ny andramena, dia efa nanomboka ny taona 2001 no nisian’izany voalohany. Tokony hisy hatrany ny fandraisana andraikitra manoloana izany

Ao amin'ny Repoblika Demokratikan'i  Kongo, nirotsaka ho fidiana amin ny fifidianana filoham-pirenana atao amin'ny volana Novambra 2011 i Angèle Makombo-Eboum. Nanazava izy fa raha mahay mitondra tsara ny tokantranony ny vehivavy iray, dia afaka hitantana tsara ny firenena ihany koa izy. Afaka mirehareha amin'ny fianarana vitany koa izy amin'ny fananany maripahaizana ” Master” momba ny lalàna tao La Sorbonne.

Pourquoi le Congo ne ferait-elle comme le Liberia, la Thaïlande, le Brésil ou l'Allemagne où le pouvoir d'Etat est exercé des femmes. Les femmes sont capables de changement . La vie à Kinshasa donne bien l'illustration la plus patente…Ce sont les femmes qui nourrissent les familles. Elles font étudier les enfants.

Fa nahoana i Kongo no tsy afaka manao tahaka an'i Liberia, Thailandy, Brezila na Alemaina, firenena ahitana mpitondra ambony vehivavy. Mahavita mitondra fanovana tsara ny Vehivavy. Manome ohatra tsara amin'izany ny fiainana ao Kinshasa.. Ny andriambavilanitra no mamelona sy mikarakara ny fianakaviana. Manao izay hampianarana ny ankizy ihany koa izy ireo.

Kamerona

Mieritreritra i  Édith Kah Walla Kameroney fa afaka hisedra sy hamakivaky zava-tsarotra ny vehivavy mba handresy lahatra ireo namany fa manana ny fahaizana ilaina amin'izany asa ambony izany izy ireo. Owona Nguini miombon-kevitra aminy saingy mihevitra ihany koa izy fa zavatra iray lehibe ny maha-vehivavy ny tena:

Le fait que Mme Kah Walla soit une femme peut jouer dans les deux sens..parce que c’est la première fois qu’une femme se présente et c’est rare d’aller jusqu’au bout de la compétition électorale. Ça peut aussi être un handicap compte tenu de la prévalence d’un certain machisme politique qui fait que la grande partie de la société ne voit pas nécessairement une femme à sa tête.

Satria vehivavy Ramatoa Kah Walla ka afaka miasa amin'ny fomba roa… ary sambany no nisy vehivavy nirotsaka hofidiana sy tonga hatramin'ny faran'ny fifidianana. Mety ho olana mipetraka ihany koa izany satria maro amin'ny fanjakazakan'ny lehilahy eo amin'ny sehatra politika ao anaty fiarahamonina ka mbola maro ny tsy mihevitra fa hisy vehivavy hitondra azy.

1 hevitra

Ajanony ihany

Hiresaka koa -> Lova RAHARISOA

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.