Nisantatra ny lalana i Ellen Johnson-Sirleaf tamin'ny taona 2006, raha voafidy ho Filohan'i Liberia ary nanjary vehivavy Afrikanina voalohany tafakatra amin'ny toerana ambony indrindra. Nanomboka hatreo, dia maro ireo vehivavy Afrikanina nanapa-kevitra hirotsaka hofidiana filoham-pirenena, vao haingana indrindra tao Benin, Kamerona, Ganà, Ginea, Repoblika Demokratika Kongo ary Nizera. Samy nanana ny fahombiazany avokoa ny fizotry ny fampielezan-kevitra notanterahin'izy ireo hatreto ary vitsy ireo manantena fa hahavita hanaradia an'i Johnson-Sirleaf izy ireo amin'izao fotoana izao. Mbola maro ireo fifidianana hotontosaina ao Afrika mandritra ny taona 2011-2012 ary tsy azo isalasalana fa dingana iray mankamin'ny làlan-tsara ho an'ny kaontinanta ny fitomboan'ny kandidà vehivavy izay mbola mitolona ankehitriny ny amin'ny fisoloan-tena ara-drariny mba hisian’ ny vitsy an'isa ao anatin'ny rafitra politika.
Clarisse Juompan-Yakam namoaka lahatsoratra momba ny lohahevitra, izay nanamarika fa maro ireo hevitra itovizan'ireo kandidà: matetika dia nahavita fianarana ambony izy ireo, mpanao politika mijoro amin'ny heviny ka sahy nirotsaka an-tsehatra amin'ny adihevitra ampahibemaso tahaka ny mpiaro ny zon'olo-tsotra.
Nizera
Nanoratra i Juompan-Yakam fa i Mariama Bayard Gamatié, izay resy tamin'ny fifidianana filoham-pirenena farany teo tao Nizera, dia tsy faly noho ny tsy fahampian'ny fandefasan'ny fampahalalam-baovao ny fampielezan-kevitra nataony:
Première Nigérienne à briguer la magistrature suprême, cette fonctionnaire des Nations unies attribue en partie à l’indifférence des médias sa contre-performance à la présidentielle de janvier dernier : 0,38 % des voix au premier tour, le pire score du scrutin.
Mahita ny filatsahany hofidiana ho toy ny dingana azo alain-tahaka ho an'ireo vehivavy hafa Afrikanina i Gamatié.
Bénin
Iray amin'izany i Marie-Élise Akouavi Gbèdo ao Bénin, izay notohanan-dRamatoa Gamatié nandritra ny fitetezam-paritra nanaovany fampielezan-kevitra vao haingana tamin'ity taona ity . Resy tamin'ny fifidianana Ramatoa Akouavi Gbèdo kanefa kosa lasa Minisitry ny Fitsarana izy ankehitriny. Nanampy tamin'ny fametrahana lalàna mandrara ny fampirafesana ao Benin izy;
Madagasikara
Ao Madagasikara, mbola tsy voafaritra mazava tsara ny dati-pifidianana filoham-pirenena. Na dia izany aza, iray tamin'ireo voalohany efa nampahafantra ny firotsahany ho mpifanandrina amin'izany fifidianana izany sahady Ramatoa Saraha Georget Rabeharisoa, filohan'ny Antoko Maitso eto Madagasikara. Ny daty anaovana ny fifidianana ho filoham-pirenena izay mbola manjavozavo no teboka iray tena tsikerainy:
L’Etat a fait des dépenses faramineuses pour les membres du gouvernement qui étaient descendus sur le terrain pour sensibiliser les gens à s’inscrire dans les listes électorales… Si actuellement, on décide de ne pas procéder aux élections pour permettre aux citoyens d’exprimer leur choix, on a fait des dépenses pour rien.
Mazava tsara fa ny fiarovana ny tontolo iainana no lohahevitra iray lehibe ho an'ny antoko politikany, iray amin'ireo vaovao misongadina eto Madagasikarar ihany koa izany noho ny tranga fitrandrahana ala tsy ara-dalàna toy ny andramena any anaty ala voajanahary. Toy izao no nambaran'ny Ramatoa Rabearisoa manoloana izany raharaha izany:
Tsy ekena ny fitrandrahana tsy manara-dalàna rehetra eto Madagasikara. Mikasika ny fitrandrahana ny andramena, dia efa nanomboka ny taona 2001 no nisian’izany voalohany. Tokony hisy hatrany ny fandraisana andraikitra manoloana izany
Ao amin'ny Repoblika Demokratikan'i Kongo, nirotsaka ho fidiana amin ny fifidianana filoham-pirenana atao amin'ny volana Novambra 2011 i Angèle Makombo-Eboum. Nanazava izy fa raha mahay mitondra tsara ny tokantranony ny vehivavy iray, dia afaka hitantana tsara ny firenena ihany koa izy. Afaka mirehareha amin'ny fianarana vitany koa izy amin'ny fananany maripahaizana ” Master” momba ny lalàna tao La Sorbonne.
Pourquoi le Congo ne ferait-elle comme le Liberia, la Thaïlande, le Brésil ou l'Allemagne où le pouvoir d'Etat est exercé des femmes. Les femmes sont capables de changement . La vie à Kinshasa donne bien l'illustration la plus patente…Ce sont les femmes qui nourrissent les familles. Elles font étudier les enfants.
Kamerona
Mieritreritra i Édith Kah Walla Kameroney fa afaka hisedra sy hamakivaky zava-tsarotra ny vehivavy mba handresy lahatra ireo namany fa manana ny fahaizana ilaina amin'izany asa ambony izany izy ireo. Owona Nguini miombon-kevitra aminy saingy mihevitra ihany koa izy fa zavatra iray lehibe ny maha-vehivavy ny tena:
Le fait que Mme Kah Walla soit une femme peut jouer dans les deux sens..parce que c’est la première fois qu’une femme se présente et c’est rare d’aller jusqu’au bout de la compétition électorale. Ça peut aussi être un handicap compte tenu de la prévalence d’un certain machisme politique qui fait que la grande partie de la société ne voit pas nécessairement une femme à sa tête.
1 hevitra
Salama e!