Dokambarotra iray vao tsy ela izay sy fonosana navaozin'ilay orinasa mpanao sigara isan'ny matanjaka ao Rosia no nahasosotra ny bilaogera Rosiana ka nahatonga adihevitra teo amin'ny andraikitra ara-barotra sy ny dokambarotra.
Donsky Tabak, iray amin'ireo tena mpamokatra sigara ao Rosia, dia nanavao ny fonon'ny sigarany roa malefaka natao ho an'ny”vehivavy”‘ ary nanao dokambarotra tsara pasoka sy tanora kokoa:
Sigara mikendry ny tanora?
Ny famoaham-baovao hita tao amin'ny tranonkalan'ilay orinasa [ru] ho an'ilay sigara “vaovao” Nofy Mamy, na Sweet Dreams dia mivaky hoe:
Маркетинговая и дизайнерская концепция марки заключены в идее путешествий, о которых мечтают все молодые девушки. SWEET DREAMS – это сладкие мечты о прекрасных городах, где можно отдыхать, развлекаться и совершать покупки.
Tanatinà lahatsoratra iray momba ny dokambarotr'ilay sigara, Adme [ru], tranonkala Rosiana mpanadihady sy mpanakiana dokambarotra, dia nanontany hoe [ru]:
Кто из маленьких глупеньких девочек не мечтает о жизни, изображенной на пачках этих сигарет? Шмотки, тачки, путешествия. Почувствовать себя хотя бы микроскопической частью этого мира можно незадорого — нужно всего лишь достать из сумки яркую пачку всего за 20 рублей и изящно расположить ее рядом с собой. Сигареты эти к тому же ароматизированы, а фильтр у них сладкий.
Tohin'ilay lahatsoratr'i Adme, Alexey Navalny, bilaogera Rosiana izay fanta-daza dia nampakatra lahatsoratra iray [ru] naneho ilay dokambarotra vaovao sy ny fanamboarana ilay fonon-tsigara taloha sy taorian'ny fahavitany. Navalny sy ireo mpaneho hevitra ihany koa dia nanakiana mafy ilay mpitarika ny Donsky Tabak, Ivan Saviddi, mpandraharaha iray -lasa solombavam-bahoaka avy amin'ny antoko politika United Russia,(na Rosia Mitambatra), nanao dokambarotra momba ilay sigara ho an'ny tanora sy ny vehivavy.
Miaraka amin'izany, ny vohikalam-baovao Rosiana Vesti dia nitatitra [ru] fa ny Minisitry ny fahasalamana dia eo am-pamolavolana “lalàna henjana mifehy ny fifohana sigara amin'izao,” mandrahona ny tsy hahazoana mifoka sigara intsony any anaty “fiarandalamby, ny seranam-piaramanidina ary ny fiaramanidina goavana fitaterana olona ”, ary koa fampakàrana ny hetra amin'ny sigara , fampakàrana ny vidiny ho 200 rubles (6.9 dolara Amerikana ) isaky ny fonosana.
Ny lahatsoratr'i Navalny dia niteraka onjam-pamerenana mandefa ny lahatsoratra sy fanamarihana maro, na izany fanamelohana ilay dokambarotra, na fanontaniana raha tena mandika lalàna marina tokoa ny fanavaozana ny fonosan'ilay sigara.
Mpaneho hevitra iray no nampakatra lahatsoratra 16 momba ny lalàna ” mikasika ny dokambarotra” navoaka teo aloha[ru] (izay navoaka taty aoriana), izay milazalaza ny hoe ahoana ny vokatra sasany, toy ny alikaola sy sigara, no nomena alalana hanao dokambarotra:
обращаться непосредственно к несовершеннолетним, а также использовать образы физических лиц в возрасте до 35 лет, высказывания или участие лиц, пользующихся популярностью у несовершеннолетних и лиц в возрасте до 21 года
Raha nanamafy i ddkf [ru] fa tsy ilay dokambarotra ihany , fa koa ilay fonosana no mipaka any amin'ny tanora sy ny tanora tovovavy.
Так что если даже донской табак не будет крутить рекламу об этих сигаретах, все равно их яркая привлекательная молодежная упаковка сделает свое губительное дело, и никакой закон это не предотвратит!
Ao aminà lahatsoratra iray mitovy amin'izay ao amin'ny Gazeta.ru, fotofermer [ru] dia namaly hoe :
Чего все взъелись? Нормальный коммерческий подход. Хорошее графическое оформление и грамотная маркетинговая схема.
Mpitondra fanamarihana iray hafa no niaiky izany [ru] hoe tsy misy olana ny amin'ilay dokambarotra ary nilaza fa hoe ao ambadikin'ny fikiakiaky ny bilaogera ny mpanao politika:
на рекламе вроде взрослая девушка и на пачках написано, что продажа до 18+ запрещена, на пойму из-за чего истерика, из-за того, что владелец Донского табака единорос?
Sefatli nanoratra [ru] hoe:
Пачки очень крутые – белые с изображением девушек и архитектурными образами городов. Кто-ни будь виде, пробовал такие?
Araka ny hita, mitatitra ny AdMe, fa ny taona 2008, Donskoy Tabak dia tojo olana ara-tibonaly fony izy ireo nanao izay hamoahana dokambarotra iray ahitana vehivavy manao volo sara-droa (rambon-kisoa) mihinana glasy, miaraka amin'ny lohahevitra hoe : “Raha voarara izany, nefa tena te-hahazo izany ianao, dia afaka ataonao izany. “
Navoaka ihany ilay dokambarotra, hoy i AdMe, ary Donsky Tabak dia tsy maintsy nandoa lamandy 100,000 roubles.
Ilay mpitondra fanamarihana, mikesite [ru] dia nanao fandinihana hoe :
Так написано же: “Если нельзя, но очень хочется, то можно” это же ведь не только рекламный слоган сигарет, это принцип, по которому живут все дохерархи нашей страны