- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Oganda: Niady Ho Fiarovana Ny Ala Mando Ireo Ogande Any Anaty Aterineto

Sokajy: Afrika Mainty, Oganda, Hafanàm-po nomerika, Politika, Tontolo_iainana

Mabira no teny nomarihan'ny Ogande betsaka indrindra tao amin’ny tranokalan-tambajotra Ogande tamin’ny herinandro lasa. Hita ao afovoan'i Oganda  akaikin'i Kampala renivohitra ny Alan'i Mabira [1]. Iray amin'ireo ala voajanahary vitsivitsy izay sisa tavela taorian'ny taona maro nahapotika hektara maromaro

Ny fitomboan'ny mponina izay tena miankina amin'ny fambolena no nahatonga ny faharipahan'ireo rakotr'ala an'i Oganda,kanefa ny tolona amin'izao fotoana dia fanoherana ny governemanta sy orinasa iray mpamokatra siramamy, Sugar Corporation of Uganda Limited (Scoul), izay mikasa haka ny ampahan'ny ala ho famokarana fary. Nanana velaran'ala 5 tapitrisa hektara  i Oganda ny 1990 nefa nihena ho 3,5 tapitrisa izany nanomboka ny 2005. I Oganda dia iray amin'ireo firenena Afrikana folo nahitana fahaverezana ala ambony indrindra.

[2]

Fampisehoan'i Fred Senoga Makubuya ny sarin'ny zava-mitranga amin'ny alan'i Mabira. Sary nampindramin'i Fred Makubuya.

Voalohany nidina an-dalàm-be ireo Ogande tamin'ny 2007  nanao fihetsiketsehana manohitra [3] ny fanoloran'ny governemantan'ny Filoha Museveni [3] ny ampahan'ny Ala Mabira ho an'ny Sugar Corporation of Ugandan Limited Scoul. Ny hetsika nanaovana ny ala tsy ho tany fady dia nisedra fanoherana henjana ka nahitàna Ogande 1,000 nihazo an'ireo làlan'i Kampala. Olona telo farafahakeliny no maty. [4]

Nanambara ny Filoha Museveni tamin'ny herinandro lasa fa hiroso ary hanolotra ny ampahan'ny ala mba hisorohana ny tsy fahampian'ny siramamy. Fa tsy niova ny fihetseham-po. Ny Ala Mabira dia faritra misy karazan-java-maniry betsaka ka  tamin’ity indray mitoraka ity ireo vondrona mpiaro ny tontolo iaianana dia nanomana hetsika fanoherana tahaka ireo antoko mpanohitra. Ireo mpikambana amin'ny antokon'ny fitondrana an'ny Filoha Museveni, ny National Resistance Movement (Hetsika Nasiônaly ho Fanoherana) (NRM), dia nanohitra ihany koa ilay fanolorana tao anatin'ny fivoriana notanterahan'izy ireo niaraka tamin'ny filoha tamin'ity herinandro ity..

Vondrona maromaro no niforona tao amin'ny Facebook miainga avy amin’ireo Ogandiana Manohitra ny Fonolorana ny Ala Mabira [5] (Ugandans Against Mabira Forest Give Away [5]) ka hatramin'ny Avoty i Mabira ankehitriny [5] (Save Mabira Now [6]).

Adihevitra maro no mandeha amin'izao fotoana izao. Osotto Denis [7] mpampiasa Facebook dia manontany tena [7] hoe nahoana ny Filoha no misisika amin'ny fanomezana ny ala ary koa raha manana fifandraisana manokana amin'ny fandraharana ny siramamy ny filoha:

Nahoana ny Filoha no miziriziry amin'ny fanomezana an'i Mabira ho an'i Mehta ho takalon’ny vola an-tapitrisa dôlara sy siramamy? Mety ho midika ve izany fa ny Filoha sy Mehta dia mpiara-miombon'antoka? Tokony hisy fanadihadiana atao mikasika ny hoe ohatrinona no nentin'ny Scoul ankoatr'ireo mpamatsy vola hafa ao amin'ny Mehta, manana fahatsapana aho fa hahita ny valiny isika toy ny hoe nahoana ny M7 no milefitra amin'ny fandripahana an'i Mabira.

Patricia Sembuse dia mankasitraka ny Fanjakana Buganda sy ny fiangonana [8], izay nanome tany hafa ho an'ny orinasa mpamokatra siramamy ho hetsika fiarovana an'i Mabira:

Mubende – lalàna mankany Mityana, dia misy tany maro onenan'olona, nahoana no tsy mandeha makany ny SCOUL sy any amin'ny faritra maro hafa? Isaoranay ny Kabaka any Buagnda sy ny fiangonana Anglikana Mokono tamin'ireo fanomezana!

Ogande iray manana fiaviana Indiana no tompon'ny Scoul ka ny ala fanomezana dia namoha ireo adihevitra be nampizarazara ireo Indiana sy ny teratany Ogande. Nitatra be izany satria nilaza ny filoha fa ny fanomezana ny ala dia hamokatra asa maro be ho an'ireo eo an-toerana.

Mary Kelly miady hevitra [9] ny karama zaraina sy izay misahana betsaka ny toerana ambony ao amin'ilay orinasa:

Ny lehiben'ny ratsana rehetra sy ireo lehiben'ny sampana dia indiana, ho famitinana, ao amin'ny ambaratongam-pitantànana fotsiny dia misy indiana 36 farafahakeliny ao amin'ny Scoul, ireo toerana ambany sasantsasany ihany koa dia tazonin'ireo indiana: ohatra ny ao amin'ny sampana (fizarana) fotsiny, ireo mpiasa tompon’andraikitra amin’ny famatsiana solika ary ireo (contre-maitre) any amin’ny saha fambolena fary dia indiana. Noho izany misy mpiasa indiana 100 farafahakeliny ao amin'ny Scoul. Amin'izao tena loza rehefa tonga amin'ny resaka karama: ireo mpitantana indiana dia mandray 1500 dôlara amerikana avy raha kely indrindra izay arotsaka ao amin'ny kaontin'izy ireo any amin'ny taniny ka tsy misy haba izany, ambonin'izany samy mahazo 500k ug shs (shilling ogande) isan-kerinandro avy izy ireo. Ho an'ireo mpitantana mainty hoditra izay ny ankamaroany dia mpanampy dia mandray 500 shs raha betsaka indrindra..

I Ochan Moses  mieritreritra [10] fa mila mihetsika bebe kokoa ireo mpikambana 1000 mahery [10] ao amin'ilay vondrona Facebook [10]:

Mihevitra aho fa tokony handeha mihoatra ny fanoherana ny fanomezana an'i Mabira isika. Ireo mpikambana ao amin’ny vondrona dia tokony hitarika ny fanentanana ny fambolena ala indray any amin’ny ampahany rava. Mino aho fa mety hanohana an-kitsipo ny famerenana indray an'i mabira IREO OGANDE.

Peter Nyanzi manantena [11] fa ity andrana vaovaon’ny filoha hanome an’i Mabira ity dia fanodinkodinana ny sain’ny Ogande tsy hiraika amin’ny fiakaran’ny vidim-piainana sy ny olana ara-toekarena :

Andriamatoa Museveni dia voaterin’ny  krizy ara-toekarena avy amin'ny lafiny rehetra, ny ny fihenan-danjan’ny shilling, ny vidim-piainana izay midangana dia midangana ary ny vokatr'ireo fitokonana amin'ny endriny rehetra sy zavatra samy hafa, sady mitady zavatra hafa hamiliana ny sain'ny vahoaka izy no misintona tsikelikely izay angovo mihoatra… eh, dia tahaka ny inona tokoa moa izany ny fahombiazan'ny fanarian-dia Mabira!

Ogande maromaro no nizara ity hafatra ity taoamin'ny momba azy ireo tao amin'ny Facebook:

Avelao ireo namantsika rehetra izay manome lanja io ala mahafinaritra io mba hanatevin-daharana ny AVOTY MABIRA ANKEHITRINY…Ho hitantsika eo raha mahangona sonia 1,000 isika amin'ity herinandro ity . ‘Ndao atomboka androany ny fanavotana an'i Mabira.

Fred Senoga, izay saiky narahina tao amin'ny Facebook ny kisarisary pôlitika nataony, dia nanao kisarisary nanasongadina ny Filoha Museveni sy ny tompon'ny orinasa mpamokatra siramamy, vondrona Metha.

Tao amin'ny Twitter, nampiasa ny teny fototra #Mabira sy  #SaveMabira ireo mpibitsika Ogande:

@AndyKristianmilaza [12] fa ny fandripahana an'i Mabira dia tsy fandraisana andraikitra ataon'ny Filoha:

Ho an'ny Filoha @KagutaMuseveni. Miangavy mba tsy ho tapahana i #Mabira #Forest. Ho tena tsy fandraisana andraikitra izany! #Environment (tontolo iainana) #ClimateChange (fiovaovan'ny toetr'andro) #Uganda.

@UgandaTalks nanamarika [13] fa ny vondrona Mehta dia namoaka tatitra nitaraina fa ny ampahan'ny ala izay nirian'izy ireo hanitàrana ny fandraharan'izy ireo siramamy dia efa rava (Avy amin'ny mpamoaka lahatsoratra: lany tsiro).

Ny Alatsinainy, nentin'ny governemanta tany an'ala ny mpanao gazety kanefa tsy afaka nahita izay ampahan'ala rava izany izy ireo.

@andsjeff nanambara [14] fa efa niova tànana teo amin'ny vondrona Metha sy ny Governemantan’ ny Filoha Museveni ny vola, fanambarana izay niely nanerana ny firenena manontolo:

@TusiimeSamson Voalaza fa efa eo am-pelatànan'ny Metha #Mabira! nomena ho tambin'ny fifanarahana ara-bola nampiasaina tamin'ny fampielezan-kevitra ny 2006!!

@pjkanywa milaza [15] ny fanolorana an'i Mabira dia zaran raha misy natao ho amin'ny siramamy na toekarena:

io zava-mihatra amin'i #mabira rehetra io dia tsy momba ny siramamy na toekarena, fa toy ny jiolahim-boto izay mihevitra ny tenany ho matanjaka indrindra ao amin’ny tokotanin-tsekoly.

Resaka mikasika vahoho sy fahefana tsy refesimandidy izany [16]:

I Mzee no tena te-haneho amintsika fa afaka manao izay tiany atao izy amin'i  #Mabira…..vahoho & fahefana tsy refesimandidy! @TimKalyegira #uganda

Hajian-tsarin'i Mabira avy amin'ny mpampiasa Flickr Tattooed JJ [17](CC BY-NC-ND 2.0).