- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Kolombia : Nolavin'ny Federasiônin'ny Baolina Kitra ny Fametraham-pialàn'i ‘Bolillo’ Gómez Tsy Ho Mpanazatra

Sokajy: Amerika Latina, Kolombia, Fanatanjahantena, Zon'olombelona

Ny rohy rehetra ato dia mitarika mankaminà tranonkala amin'ny teny Espaniôla, raha tsy misy fanamarihana manokana.


Álvaro González, Filoha Lefitry ny federasiôna Kolombianin'ny baolina Kitra, nilaza fa nolavin'ny Federasiôna ny fametraham-pialan'i Hernán Darío Gómez [1] [Eng] (‘Bolillo’) tsy ho mpanazatra ny ekipam-pirenena, izay natolotr'i ‘Bolillo’  taorian'ny fikasihan-tànana vehivavy [2] iray tao ivelan'ny trano fisotroana (‘El Bembé’ [3]) tao Bogôta. Ankoatr'izay, araka ny tatitry ny gazety [4], ny Federasiôna dia mihevitra ny hanamafy azy amin'ny toerany  ho mpanazatra indray satria efa tapitra ny maha-mpanazatra azy  tamin'ny fiadiana ny Amboara Eran-tanin'ny FIFA U-20 natao tao Kolombia,

Ao amin'ny Twitter dia misy karazana tsikera amin'ny tenifototra #Bavaria [5], DT de Colombia [6], #Bolillo [7], #Leonel [8], ankoatr'ireo hafa. Fiandaniana, hafatra fanohanana ary karazana vazivazy no naparitaka. Ireo Kolombiana mpampiasa aterineto dia tsy niteny fotsiny ny zava-nitranga, fanajana ny vehivavy na ny tsy fahampian'ny hetsikin'ny talen'ny baolina kitra toy Luis Bedoya [9], fa koa ny mpanazatra ho avy eo, mitanisa an'i Juan Carlos Osorio [10] na Leonel Álvarez [11] ho toy ny safidy azo atao.

Ireo haino aman-jery [12], bilaogy [13], ary tranonkala [14] dia mbola miady hevitra hatrany momba ilay olana mba hampiasana tsindry [15] amin'ny Federasiôna sy ireo mpanohana ara-bola. Nefa koa misy ny sehatra hafa eo amin'ny firenena izay manohana ny fihazonana an'i “Bolillo, milaza fa misy ifandraisany amin'ny asany ny fihetsiny nataony [16]

Gloria Gómez [17] ao anatin'ny tsikera  iray anaty lahatsoratra ao amin'ny equinoXio [18] dia miteny fa manohana an'i ‘Bolillo’ :

Todos nos podemos equivocar, reconocer y mejorar para que no afecte su vida Ni a la selección.

Samy manao hadisoana isika rehetra, ekeo izany ary hatsarao mba tsy hisy fiantraikany amin'ny fiainany na amin'ny ekipan'ny baolina kitrantsika.

Ilay mpanao gazety  Gloria Ortega Gómez (@Bunkerglo [19]) dia mampiseho ny tsy fankasitrahany [19] ny fandikàna ny lalàna fototry ny  FIFA [20] [Eng] :

Estoy mamada que la sociedad civil no tengamos arte ni parte. El Sr. Hernán D. Gómez #Bolillo [21] VIOLÓ Código de ética FIFA http://ow.ly/64M5o [22]

Reraky ny tsy fitenenan'ny  fiarahamonim-pirenena sivily aho. Mr. Hernán D. Gomez #Bolillo [21] dia nandika ny lalàna fototry ny FIFA http://ow.ly/64M5o [22].

Nandritr'izany i Alejandra Vargas (@AlejaVargasC [23]) dia maneho ny fanohanany ampihetseham-po [24] tanteraka:

Que viva el bolillo!!!!

Ho ela velona i bolillo!!!!

Mónica Eché [25] (@La eche [26]) dia manasa ireo mpanara-dia azy hitsidika [25] tranonkala iray ary hifidy manohitra ny fijanonan'i ‘Bolillo’  ho mpanazatra :

Sí soy monotemática: Apoye la causa NO al #Bolillo [21]: http://t.co/nSXU6ZI [27] firme y difunda por favor.

Eny, olana iray no resahako : tohano ny tolon'ny TSY i #Bolillo [21]: http://t.co/nSXU6ZI [27] soniavo ary zarao azafady.

Maritza Sánchez [28](@ColoresMari [28]), mitanisa [29] an'i Senator Liliana Rendón manakiana azy amin'ny toaha ataony an'i ‘Bolillo’ :

[Las declaraciones de la senadora Liliana Rendón no pudieron ser más estúpidas: “Si mi marido me casca, yo me la gané”] http://t.co/5TqrOf2 [30]

[ Ny fanambaràna nataon'ny Senatora Liliana Rendón dia hadalàna be mihitsy : “raha manararaotra ahy ny vadiko dia satria notadiaviko izany”] http://t.co/5TqrOf2 [30]

Farany, be ny kaonty YouTube manana lahatsary maro momba an'i ‘Bolillo’ sy ny fifandraisany amin'ny vehivavy. Ny lahatsary manaraka  dia manomboka amin'ny fehezan-teny hoe  “Takatsika tsara izao ity dokambarotra ity” ary faranany amin'ny hoe  “Mahereza Bolillo! Ny fahadisoam-panantenana farany nandrasana, fikasihan-tànana vehivavy”