Ny rohy rehetra ato dia mitarika mankaminà tranonkala amin'ny teny Espaniôla, raha tsy misy fanamarihana manokana.
Álvaro González, Filoha Lefitry ny federasiôna Kolombianin'ny baolina Kitra, nilaza fa nolavin'ny Federasiôna ny fametraham-pialan'i Hernán Darío Gómez [Eng] (‘Bolillo’) tsy ho mpanazatra ny ekipam-pirenena, izay natolotr'i ‘Bolillo’ taorian'ny fikasihan-tànana vehivavy iray tao ivelan'ny trano fisotroana (‘El Bembé’) tao Bogôta. Ankoatr'izay, araka ny tatitry ny gazety, ny Federasiôna dia mihevitra ny hanamafy azy amin'ny toerany ho mpanazatra indray satria efa tapitra ny maha-mpanazatra azy tamin'ny fiadiana ny Amboara Eran-tanin'ny FIFA U-20 natao tao Kolombia,
Ao amin'ny Twitter dia misy karazana tsikera amin'ny tenifototra #Bavaria, DT de Colombia, #Bolillo, #Leonel, ankoatr'ireo hafa. Fiandaniana, hafatra fanohanana ary karazana vazivazy no naparitaka. Ireo Kolombiana mpampiasa aterineto dia tsy niteny fotsiny ny zava-nitranga, fanajana ny vehivavy na ny tsy fahampian'ny hetsikin'ny talen'ny baolina kitra toy Luis Bedoya, fa koa ny mpanazatra ho avy eo, mitanisa an'i Juan Carlos Osorio na Leonel Álvarez ho toy ny safidy azo atao.
Ireo haino aman-jery, bilaogy, ary tranonkala dia mbola miady hevitra hatrany momba ilay olana mba hampiasana tsindry amin'ny Federasiôna sy ireo mpanohana ara-bola. Nefa koa misy ny sehatra hafa eo amin'ny firenena izay manohana ny fihazonana an'i “Bolillo, milaza fa misy ifandraisany amin'ny asany ny fihetsiny nataony
Gloria Gómez ao anatin'ny tsikera iray anaty lahatsoratra ao amin'ny equinoXio dia miteny fa manohana an'i ‘Bolillo’ :
Todos nos podemos equivocar, reconocer y mejorar para que no afecte su vida Ni a la selección.
Ilay mpanao gazety Gloria Ortega Gómez (@Bunkerglo) dia mampiseho ny tsy fankasitrahany ny fandikàna ny lalàna fototry ny FIFA [Eng] :
Estoy mamada que la sociedad civil no tengamos arte ni parte. El Sr. Hernán D. Gómez #Bolillo VIOLÓ Código de ética FIFA http://ow.ly/64M5o
Nandritr'izany i Alejandra Vargas (@AlejaVargasC) dia maneho ny fanohanany ampihetseham-po tanteraka:
Que viva el bolillo!!!!
Mónica Eché (@La eche) dia manasa ireo mpanara-dia azy hitsidika tranonkala iray ary hifidy manohitra ny fijanonan'i ‘Bolillo’ ho mpanazatra :
Sí soy monotemática: Apoye la causa NO al #Bolillo: http://t.co/nSXU6ZI firme y difunda por favor.
Maritza Sánchez(@ColoresMari), mitanisa an'i Senator Liliana Rendón manakiana azy amin'ny toaha ataony an'i ‘Bolillo’ :
[Las declaraciones de la senadora Liliana Rendón no pudieron ser más estúpidas: “Si mi marido me casca, yo me la gané”] http://t.co/5TqrOf2
Farany, be ny kaonty YouTube manana lahatsary maro momba an'i ‘Bolillo’ sy ny fifandraisany amin'ny vehivavy. Ny lahatsary manaraka dia manomboka amin'ny fehezan-teny hoe “Takatsika tsara izao ity dokambarotra ity” ary faranany amin'ny hoe “Mahereza Bolillo! Ny fahadisoam-panantenana farany nandrasana, fikasihan-tànana vehivavy”