05 Septambra 2011

Tantara tamin'ny 05 Septambra 2011

Kolombia : Nolavin'ny Federasiônin'ny Baolina Kitra ny Fametraham-pialàn'i ‘Bolillo’ Gómez Tsy Ho Mpanazatra

  05 Septambra 2011

nolavin'ny Federasiôna ny fametraham-pialan'i Hernán Darío Gómez [Eng] (‘Bolillo’) tsy ho mpanazatra ny ekipam-pirenena, izay natolotr'i 'Bolillo' taorian'ny fikasihan-tànana vehivavy iray. Ireo fampahalalàm-baovao ara-tsosialy Kolombiana dia nizara ny zavatra rehetra avy amin'ny tsikera amin'ny fanajana vehivavy sy ny fandanjalanjana hoe iza no mety afaka hisolo azy.

Bilaogera Asongadina: Oumar Dembélé

Rising Voices  05 Septambra 2011

Fihaonana tamin'i Oumar Dembélé, mpampianatra iray amin'ny fanabeazana fototra ao Cinzana-Gare, tanàna iray amin'ny Faritr'i Ségou.Oumar koa dia mpikambana amin'ny tetikasa Ségou Villages Connection Fifandraisan'ny Tananan'i Ségou, tohanan'ny Rising Voices. Amin'ity tafatafa ity, Oumar dia mizara ny mahakasika ny teknolojia ao Ségou, ny filàna hanatsara ny zava-misy, ary ny hetaheta lehibe ho amin'ny ho avy.