Tamin-karavoana no nankalazàn'ireo vohitra tao Ségou ny fiafaràn'ny Ramadany. Fankalazàna roa sosona izy io, satria taorian'ny iray volana manindritra nanaovam-bavaka sy niandràsana, dia avy ny orana tany amin'ity faritra iray ao Mali ity. Na dia somary tara ihany aza, dia zavatra niriana ho hitan'ny maso izany fiavian'ny orana izany. Ny fotoan'ny orana, ny ririnana, na “hivernage,” raha ny fahafantarana azy amin'ny teny frantsay, dia manondro indrindra io fotoana io izay hamafàzan'ny mpamboly ny masomboliny alohan'ny hiasàn-dry zareo ny tany. Rehefa tsy misy rano amin'ny fatra sahaza, ny mahazatra dia avy amin'ny ranon'orana, dia tena atahorana ny hisian'ny fiantraikany amin'ny vokatra. Io no lohahevitra noresahan'ireo bilaogera vaovao avy amin'ny tetikasa tohanan'ny Rising Voices Ségou Villages Connection.
Oumar Dembéle (@D1Oumar) avy ao Cinzana Gare, izay nasongadina tamin'ny tafatafa niarahana tamin'ny iray amin'ireo bilaogera nasongadina, dia mibitsika hoe [fr]:
L'hivernage commence bien actuellement au Mali. Il pleut chaque jour.
Maneho ny ahiahiny ihany koa izy mikasika ity tonon-taona ity ao amin'ity bitsika ity [fr]:
On dit que l'abondance des lianes en début d'hivernage n'est pas un bon signe.Elle peut provoquer selon la tradition la rareté de la pluie.
Ary dia toa voamarina izay noeritreretina ho finoanoam-poana, ary voaporofo ny tahotr'i Oumar. Fa koa, Boukary Konaté (@fasokan), mpandrindra ilay tetikasa, dia nampakatra andianà bitsika mikasika io olana io [fr]:
Les populations de certaines communes de Ségou veulent de la pluie maintenant. #villageinfos
Ampian'i Boukary hoe ireo mpamboly dia tsy afaka namàfy teo amin'ny tanin-dry zareo [fr] noho ny tsy fahampian'ny orana ka mahatonga ny tany ho makiana tokoa [fr]. Manazava ny toe-draharaha misy izy ao anaty lahatsoratra iray ao amin'ny bilaogy Segou Infos [fr]:
L’hivernage a commencé. La semence n’est pas finie et il ne pleut pas beaucoup encore. Voici deux semaines qu’il ne pleut pas dans certains villages de Ségou et cela inquiète beaucoup les populations. « Oui, le service de la météo nous dit de ne pas nous inquiéter, qu’il va pleuvoir jusqu’en novembre, d’accord, mais est-ce que c’est en novembre qu’on va semer. », disent certains paysans. Ils ajoutent que le sarclage peut peut-être attendre, mais la période des semences passe.Le sol est partout sec et pour cela, certains paysans restent à la maison à l’attente de la pluie, mais d’autres partent travailler le sol sec. C’est ce manque de pluie qui est à la UNE au village et chacun prie pour qu’il pleuve
Ny tapany voalohany amin'ny volana Aogositra, dia efa tsy nisy orana nilatsaka, saingy farany dia sahala amin'ny hoe nivaha ilay olana tamin'ny 19 Aogositra. Nibitsika i [fr] Boukary hoe:
Il a plu dans la Région de Ségou aujourd'hui: 16 mm à Bamaoussobougou/Cinzana-Gare
Ary andro vitsy taorian'io dia nanomboka nanorana matetitetika [fr]. Yaya Coulibaly (@ycoulibaly) izay nasongadina ihany koa tao anaty tafatafa fanasongadinana bilaogeran'ny Rising Voices dia safononoky ny hafaliana raha nahita izy tamin'ny 20 Aogositra hoe:
après une semaine sans pluie les habitants de cinzana -Gare commence a sourire ce matin après 21mm de pluie<
Ho famintinana, Modobo Traoré, tantsaha iray ao Bamoussobougou any Cinzana-Gare, dia mandefa fitanisàna ny rotsak'orana nandritra ny volana Aogositra, izay nampakarina tao amin'ny Bilaogy Ségou Infos [fr]:
Lundi 25/07/2011 = 6 mm
– Mardi 26/07/2011 = 23 mm
– Samedi30/07/2011 = 35 mm
– Jeudi 04/08/2011 = 5 mm
– Lundi 08/08/2011 = 3,5 mm
– Vendredi 12§08/2011 = 6,5 mm
– Dimache 14/08/2011 = 49 mm
– Mardi 16/08/2011 = 12 mm
– Vendredi 19/08/2011 = 16 mm
– Samedi 20/08/2011 = 10 mm
– Jeudi 226/08/2011 = 4,5 mm
– Lundi 29/08/2011 = 25 mm
– Talata 26/07/2011 = 23 mm
– Sabotsy 30/07/2011 = 35 mm
– Alakamisy 04/08/2011 = 5 mm
– Alatsinainy 08/08/2011 = 3,5 mm
– Zoma 12§08/2011 = 6,5 mm
– Alahady 14/08/2011 = 49 mm
– Talata 16/08/2011 = 12 mm
– Zoma 19/08/2011 = 16 mm
– Sabotsy 20/08/2011 = 10 mm
– Alakamisy 226/08/2011 = 4,5 mm
– Alatsinainy 29/08/2011 = 25 mm
Miaraka amin'ny saina tony, afaka nankalaza ny Eid tanaty fihetseham-po ravo sy nitodika tanteraka tamin'ny fety ny mponina tany amin'ireo vohitra tao Ségou.