- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Madagasikara: Asehon'ny telegrama Wikileaks ny tsi-fitoviam-pijery diplomatika taorian'ny fanonganam-panjakana

Sokajy: Afrika Mainty, Madagasikara, Fifandraisana iraisam-pirenena, Mediam-bahoaka, Politika, Vaovao Mafana

Sam Ganegie manadihady ny telegrama ampolony vao navoakan'ny wikileaks miresaka momba an'i Madagasikara. Nomarihany tamin'izany ary fa heverin'ny mpanelanelana momba ny krizin'i Madagasikara Atoa Chissano fa ny fanohanana mandeha irerin'i Frantsa ny governemanta tarihin-dRajoelina [1] [fr] tazorian'ny fanonganam-panjakana miaramila no nanakana ny famahana ny krizy.