- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ejypta: Fandresen'ny Sivily Manoloana ny Tribonaly Miaramila

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Ejipta, Fahalalahàna miteny, Mediam-bahoaka, Zon'olombelona

Nitsahatra kely tamin'izay nataony an-tserasera sy eny an-kianja ny mpikatroka – hanairana ny fisian'ny sivily hotsaraina eny amin'ny tribonaly  miaramila, taorian'ny revolisiona Ejipsiana.

Taorian'ny fisamborana ireo vondrona mpanao fihetsiketsehana tao amin'ny kianja Tahrir ny alin'ny 9 Martsa, vondrona mpitolona, mpanao gazety, ary mpisolovava no niray hina amin'ny fandraisana andraikitra mba hanampy ireo sivily noenjehina eny anivon'ny tribonaly miaramila.  Nilaza mazava tsara izy ireo fa tokony hotsaraina eny amin'ny tribonaly sivily izy ireo.

Tao amin'ny bilaoginy, [1] nampahafantatra ny tenany tahaka izao manaraka izao ry zareo:

Vondrona mpitolona miaina ny andavanandron'ny revolisiona izahay ary nahafantatra tsara ny tena ” Ejypta” izay tao amin'ny kianja Tahrir. Manameloka tanteraka ny fandikan-dalàna ataon'ny tafika amin'ireo sivily izahay izay mody milaza fa ” Miaro ny firenena amin'ireo jiolahim-boto”. Mangataka ny fampiatoana ny tribonaly miaramila atao amin'ny sivily izahay, ary ny fanomezana fitsarana marina eny anivon'ny fitsarana ady tsotra tena izy ho an'ireo voampanga/nomelohina.

Raha nanomboka ny fandraisana andraikitra voalohany, dia vitsy no nifantoka tamin'ity raharaha ity sy ny tohana azony, [fa] zava-dehibe ho an'ny olona mahafantatra ny fandikan-dalàna atao any amin'ny fonja miaramila. Miasa mafy ny vondrona  “Tsy Fitsarana ady miaramila “ amin'ny fikarakarana valandresaka, ka nifandray tamin'ny vahoaka, ary nametraka bilaogy [2] ahafahan'ireo gadra sy ny ray aman-dreniny manao fijoroana vavolombelona sy milaza ny zava-niainany mba hampahafantatra izao tontolo izao ny tsy rariny niaretan'izy ireo.

 Efa maherin'ny dimy volana izay, mbola mitolona ampirehetam-po sy ankerim-po hatrany ny vondrona #NoMilTrials mba haka antoka fa notsaraina tamim-pahamarinana ny Ejyptiana ary tsy voakasikasika ny zo maha olombelona azy ireo.

Tao anatin'izay andro vitsy lasa izay, nanomboka nandray ny valin-kasasarany ny vondrona #NoMilTrials. Gadra sasantsasany no noafahana, ao anatin'izany ireo nampidirana am-ponja tamin'ny fifandonana teo anoloan'ny Minisiteran'ny Atitany ny 28 sy 29 Jiona :

Salma Abdel Gelil, [3] iray amin'ireo mpitolona #NoMilTrials nilaza fa:

قاضى العسكرى قال للضباط القضية دي مهللة و مفيهاش تحريات ولا إحراز ولا إثبات لكن برضه اداهم ٦شهور مع الإيقاف عشان الأوامر كده ‎#NoMilTrials

@Salma_Tweets: Nilaza tamin'ny manampahefana tao ny Mpampanoa lalàna Miaramila hoe: tsy mitombina ity raharaha ity satria tsy misy porofo na antonta-taratasy naterina.  Na dia izany aza, nandray sazy mihantona enim-bolana izy ireo araka ny “baiko” nomena

Na dia fandrosoana ngeza be amin'ny fomban'ny fitsarana aza izany, sivily marobe no mbola ao amin'ny fonjan'ny miaramila ka tsy tonga nanatrika ny andro voalohan'ny revolisiona tahaka an'i  Amr El Beheiry [4]:

Mona Seif [5]izay nifandrirotra teo amin'ny asany sy ny fanampiana ireo fianakaviana sy ny gadra akaiky azy ireo nilaza hoe :

@Monasosh: Toa hita fa nisy vokany ny fanerena natao amin'ny #SCAF, resaka marobe momba ny fanajanonana ny tribonaly miaramila saingy tsy misy resaka ny momba ireo an-jatony efa nogadraina.

http://www.youtube.com/watch?v=fwcE-nUf1ms

Nandritra izany,  e-fihetsiketsehana [6] manohitra ny fitsarana ady miaramila no nokarakaraina tao amin'ny Facebook androany alina tamin'ny 10 (ora ao Kairo). Mifandray amin'ny mpiserasera ireo mpitolona mba haneho hevitra amin'ny pejin'ny Facebook efatra mandritra ny ora iray ka mba haneho ny fandàvany ny fitsarana ady miaramila ho an'ny sivily. Namporisika ireo mpisiokantserasera ihany koa izy ireo mba hi-tweet ny fandàvany amin'ny alalan'ny fampiasana teny fototra #NoMilTrial [7].