Repoblikan'i Afrika Afovoany: Herisetra No Manamarika Ny Firosoana Ho Any Amin'ny Fifidianana

Hisy fifidianana parlemantera hatao any amin'ny Repoblikan'i Afrika Afovoany  – amin'ny 4 Septambra 2011. Niakatrakatra ny tosi-drà tato ho ato taorian'ny famoriam-bahoaka nataon'ny mpanohitra niafara taminà herisetra, satria nokorontanin ‘ireo tanora mpomba ny antoko KNK an'ny Filoha Bozizé ilay fihaonambe nokarakaraina.

Mbola eo an-dàlam-pahasitranana avy amin'ny fifandonana mahery vaika izay niandoha tamin'ny faramparan'ny taona 1990, nandritra ny fitondran'i  Ange-Félix Patassé ny firenena. Ny 12 Jona 2008, lasa laharana faha-efatra ta anatin'ny fandaharan'asan'ny Komisionan'ny Firenena Mikambana momba ny fampandriana tany ny Repoblikan'i Afrika Afovoany.

Opposition rally thwarted by violence. Image by centrafrique-presse blog

Opposition rally thwarted by violence. Image by centrafrique-presse blog

Ilay famoriam-bahoaka dia natao mba hanentanana ny olona tsy hifidy; lavin'ireo mpanohitra ilay komity mpanara-maso ny fifidianana efa misy ao an-toerana amin'izao fotoana ary angatahany ny hametrahana iray vaovao. Ny bilaogy centrafrique-presse dia manoritsoritra ny herisetra tao amin'ilay famoriam-bahoaka [fr] toy izao:

à l’arrivée sur les lieux vers 15h 30 heure de Bangui des organisateurs, des jeunes venant de Boy-Rabé soudoyés et rendus ivres morts par le KNK se sont infiltrés sur la place Marabéna et ont jeté des sachets incendiaires en plastique remplis d'essence, et comme nous avons éteint l'incendie, ils se sont mis à renverser le podium où devaient se tenir les dirigeants de l’opposition. Les forces de l'ordre pourtant présentes aux alentours ont refusé d'intervenir [..] le Secrétaire général du MLPC Samuel Stanislas ZOUMBETI a été blessé à la tête et aux pieds par jets de pierre ainsi que son adjoint Etienne MALEKOUDOU à la tête et à la mâchoire.

rehefa tonga teo amin'ny toerana nanaovana ny hetsika tao Bangui ry zareo, teo amin'ny manodidina ny tamin'ny 3 ora tolakandro, hitan'ireo mpikarakara ireo zatovo avy amin'ny Boy-Rabe, voalambolambon'ny KNK sy efa mamo tampona, tafiditra tao ankianjan'i Marabéna. ary nanipy tavoahangy plastika feno lasantsy narehitra nankeny amin'ny lampihazo. Rehefa novonoinay ny afo, dia nanomboka nankeny amin'ny lampihazo nomanina hitenenan'ireo mpitarika mpanohitra ry zalahy. Teny an-toerana ny polisy saingy nandà ny hirotsaka an-tsehatra […] ny Sekretera Jeneralin'ny MLPC ZOUMBETI, Stanislas Samuel,  dia naratra teo amin'ny lohany sy ny tongony, ary ny lefiny kosa, Stephen MALEKOUDOU, voan'ny vato teo amin'ny lohany sy ny valanoranony.

Manamafy ny bilaogy afreekelections fa ny antoko mpanohitra, MLPC dia niantso fibodoana [fr] ny fifidianana izay ho parlemantera hatao ny 4 Septambra.

Radio Ndeke Luka tao amin'ny bilaogin'ny Journal de Bangui dia manoratra fa ratsy sy tsy misy aina ny vanim-potoana mialoha ny fifidianana, satria miavaka amin'ny tsy fahampian'ny hetsika momba ny fampielezan-kevitra[fr]:

A Bangui, dans les arrondissements et quartiers concernés par le scrutin partiel du 4 septembre prochain, c’est l’indifférence totale de la part des électeurs. Du côté des candidats, on dit bien prévoir des meetings, mais rien pour le moment. Cette ambiance morose est aussi constatée à Bossangoa (nord-ouest).

Ao Bangui, tsy firaharahàna tanteraka avy amin'ireo mpifidy no misy ao amin'ny distrika sy ny faritra voakasik'ilay fifidianana. Ho an'ireo mpirotsaka indray, nanambara taminay fa hisy hetsika hokarakaraina saingy hatreto aloha, tsy nahita na inona na inona izahay. Ity rivotra mavesabesatra ity dia tsapa koa ao Bossangoa (faritra Avaratra-Andrefana).

Ilay bilaogera Juliette Abandokwe dia manontany fanontaniana iray izay fandre matetika mandritra ny fifidianana eo amin'ny Tanibe Afrikana: “Hatraiza no hitokisantsika ny vokatr'ireny fifidianana miseho ireny?” [fr]

Personne ne s’attend à ce que François Bozizé ne quitte le pouvoir librement et démocratiquement. Les moyens à disposition sont multiples et bien connus de tous, et sont régulièrement utilisés lors d’élections en Afrique en tout cas.
« Comment peut-on organiser des élections, y participer et les perdre en Afrique ? » disait Omar Bongo.
Les petits moyens locaux viennent en tête de la parade en vue de la fraude électorale massive que nous connaissons dans les pays de la Françafrique, et qui se répète à chaque échéance électorale.
Le premier petit moyen est la manipulation du nombre des personnes qui auront le droit de déposer leur bulletin de vote. En République centrafricaine, Bozizé a décrété publiquement et devant les médias internationaux, que le recensement du corps électoral est un petit problème et qu’il peut se faire en un mois. Or, ce n’est que des fabrications de listes électorales qui peuvent être produites en si peu de temps[..] Les Centrafricains sont en droit de s’attendre à un recensement électoral fait ouvertement et dans les règles, par la voie officielle, et surtout sur toute l’étendue du territoire national, effectué par une commission électorale indépendante

Tsy misy olona hiandrandra mihitsy hoe i Francois Bozize no hiala mora foana sy amin'ny fomba demaokratika. Feno ny fitaovana eo am-pela-tànany mba hifikirany amin'ny fitondrana ary mahafantatra tsara an'izany ny tsirairay, ary tsetsatsetsa tsy aritra fa ampiasaina foana ireny isaky ny fifidianana aty Afrika.
“Ahoana koa izany hoe isika aty Afrika hikarakara fifidianana izany, sady handray anjara dia avy eo ho resy ? ” hoy i Omar Bongo nanontany. Manokatra ny sehatra ireo fitapitaka madinidinika eny an-toerana ka tonga amin'ny hosoka faobe amin'ny fifidianana izay fantatsika rehetra tsara aty amin'ny firenena miteny frantsay, ary ireny fitapitaka ireny no miverimberina isaky ny dingana misy amin'ny fifidianana.
Ny fitapitaka voalohany dia ny filalaovana ny isan'ny olona manan-jo handatsa-bato. Tao amin'ny Repoblikan'i Afrika Afovoany, nanambara ampahibemaso i Bozize nanoloana ireo mpampahalala vaovao iraisam-pirenena fa olana kely azo vahana ao anatin'ny volana iray raha izay lisitry ny mpifidy. Na izany aza, ny lisitry ny mpifidy amboamboarina ihany no tafavoaka anatinà fotoana fohy tahaka izany […] Manan-jo hiandrandra fandraketana ny mpifidy amin'ny fomba mangarahara ireo olona ao Afrika Afovoany, manaraka ny fepetra soritan'ny lalàna manan-kery, manerana ny firenena iray manontolo ary eo ambany fanarahamason'ny komisiona mahaleotena.

Juliette Abandokwe koa dia mandrehitra jiro momba ireo fisambontsamborana tsy amin'antony mitranga ao Bangui renivohitra. Manana lisitr’olona 11 [fr] izy raha kely indrindra voatàna ao amin'ny fonjan'i Ngaragba amin'izao fotoana izao.

Na eo aza ny korontana, ny dingana fikatsahana fandriam-pahalemana dia mitohy hatrany. Sampana iray nisintaka avy amin'ny antoko mpanohitra  (CPJP), tsy ela akory izao no nanapa-kevitra hanatevin-daharana ny dingana ho fikatsahana fandraiam-pahalemana[fr]. Ny mpitarika ilay sampana, Mahamat Sallé, efa zatra nitarika vondron'olona mpirongo fiadiana efa ho 500 isa.

Radio Ndeke Luka dia manoratra fa Sallé dia niteny tsy ela akory izay , taorian'ny fanaovan-tsonia ny fifanarahana fa ny antony nanapahan'ny vondrony hevitra handray fiadiana dia ny mba hiarovana ny foko misy azy [fr]:

« la vraie raison qui a poussé à la création de son mouvement a été de défendre les intérêts de son ethnie en proie aux représailles de plusieurs groupes rebelles du pays ». Il interpelle le gouvernement sur cette question et lui demande de « veiller à la protection de ces êtres humains ».

“Ny antony nanangananay ny hetsika dia ho fiarovana ny tombontsoan'ny foko misy ahy izay nataon'ireo vondrona mpihoko maro ho lasibatra.” Nangataka ny governemanta izy mba “hiaro ny vahoakany amin'ny didin'ny be sandry”.

Fleury Korsany koa manampy hoe efa misy fanelanelanana miainga any mba hamahàna fifandirana iray hafa  amin'ny resaka sisintany iraisany amin'i Tchad. Tarika mpihoko Tchadiana iray, tarihan'i Baba Ladde no voalaza fa tafiditra any amin'ny Repoblikan'i Afrika Afovoany [fr] ary mametraka ny tobim-pamaharany ao efa ho telo taona izao. Ny fifandraisan'ireo Tchadiana sy ny mpihoko ao amin'ny Repoblikan'i Afrika Afovoany dia nitàna toerana lehibe hatrany tamin'ny fitoniana ara-politika ho an'ny Repoblikan'i Afrika Afovoany .

Raha jerena ny toe-pahasalaman'ny filoha Bozize mareforefo, tena vao mainka zava-dehibe ny tokony hanaovna ny fifidianana ao amin'ny Repoblikan'i Afrika Afovoany anatinà tontolo milamina sy ambany fanaraha-maso azo antoka. Ny solontenan'ny iraky ny Firenena Mikambana ao amin'ny Repoblikan'i Afrika Afovoany (BONUCA), M. Abou Moussa dia milaza fa tena laharam-pahamehana ny tokony hanamafisan'ny Firenena Mikambana ny ezaka ataony hametrahana fifanakalozan-kevitra ara-politika [fr] ao amin'ilay faritra..

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.