Arabia Saodita: Tenifototra Manokana Ho An'ny Mpanjaka Ao Amin'ny Twitter!

Ny Mpanjaka Saodiana Abdullah Bin Abdulaziz Al Saud, tao Riyadh, Arabia Saodita tamin'ny 25 Febroary 2008, sary nalain'i Ammar Abd Rabbo.

Tenifototra iray amin'ny teny Saodiana manao hoe #tal3mrak izay raha adika ara-bakiteny dia manao hoe “Andriamanitra anie hanome tombon'andro anao” na “ny andriamanjaka” raha atao amin'ny teny Tandrefana no nandrakotra ny Twitter androany (28 Aogositra 2011). Zava-tsy nampoizina ho an'ny maro ilay tenifototra, izay tsy nihevitra velively fa ny Saodiana mpiondana aterineto dia hanana faharisihana hiresaka amin'ny feo avo amin'ny fomba tahaka izany rehefa mitodika amin'ireo manampahefanan-dry zareo. Tany am-piandohana, ilay tenifototra dia nahafaoka ireo olona ambony rehetra mifehy ny tsena ao Arabia Saodita, malalaka amin'ny fanaovan-javatra izay voaràra kosa ho an'ny sarambabem-bahoaka, ary miaina toy ny saranga niangaran'ny vintana rehetra araka izay tiany.

Na izany aza, tsy ela dia nanjary nazava fa nampiasaina hitafàna amin'ny Mpanjaka Saodiana Abdullah, indrindra indrindra rehefa nanomboka nampiasa azy io ireo tsy Saodiana mba hitsikeràna ny politika ivelan'ny Saodiana izay manenjika ny Lohataona Arabo sy manohana ireo mpanao didy jadona mamely ny vahoakany ihany.

Ilay vehivavy Saodiana mafàna fo, Eman AlNafjan (@Saudiwoman) dia im-betsaka nandefa bitsika mikasika ny tenifototra #tal3mrak:

@Saudiwoman: Ity nifototra #tal3mrak ity dia mahatonga ahy hihevi-tena ho antitra. Tsy nihevitra velively hoe nisy Saodiana maro tsy mataho-masomena toy izany.

AlNafjan dia niezaka koa nanazava ilay tenifototra tanaty bitsika roa ka nanaoratra hoe:

@Saudiwoman: Ny tenifototra #tal3mrak dia manondro ny fianakavian'ny mpanjaka nefa koa nampiasaina ho an'ireo PDG, manamboninahitra ambony amin'ny tafika, minisitra sns. 1/2

ary:

@Saudiwoman: 2/2 ny dika ara-bakitenin'ny #tal3mrak “Andriamanitra anie hanome tombon'andro anao”, ara-kolotsaina dia nampiasaina ho toy ny fiankohofana&ao amin'ny twitter dia toy ny fananihaniana ny mpitondra&mpanankarena Saodiana

Ilay bilaogera Saodiana, Ahmed Al-Omran (@ahmed), dia nandefa bitsika momba ny hasin'ny tenifototra toy izany:

@ahmed: Raha Saodiana ianao, ny tenifototra #tal3mrak dia … tsy dia zava-poana akory.

Al-Omrankoa dia nana ny fanontaniany manokana amin'ity tenifototra ity miresaka ny tahotry ny Saodiana an'ireo polisy ara-pinoana:

@ahmed: Raha mivoaka mba mampiaraka amin'olona ianao, dia matahotra sao ho voasambotry ny polisy ara-pinoana ve?

Mohamed Effat (@3effat), mafàna fo Ejiptiana, dia iray tamin'ireo Ejiptiana voalohany nampiasa ilay tenifototra, nilaza fa izy io dia fomba fiteny iray ny amin'ireo zavatra atrehan'ny Saodiana ao amin'ny firenen'izy ireo ihany noho ny ataon'ny mpitondra. Ny sasany amin'ireo Saodiana mpampiasa Twitter dia nikiaka ny tsy fitovoan-keviny amin'i  Effa, izay niziriziry tamin'ny fomba fijeriny sady nanazava ilay tenifototra tamin'ny filazana hoe:

@3effat: Ity tenifototra ity dia ho matoam-baovao, tsara ho anao ny manaraka azy akaiky. saodiana miteny eny am-bovonana mikasika ny olan-dry zareo sy manakiana ny mpanjakany #tal3mrak…..

@3effat: Ce hashtag va faire un tabac, ne manquez pas de le suivre dans le coin. les saoudiens élèvent la voix sur leurs problèmes en critiquant leur roi #tal3mrak

Eman Hussein (@Ammouni) from Dubai showed admiration for Saudis using this hashtag saying:

@Ammouni: OMG! Saudis are so brave; following the hashtag #Tal3mrak

Ilay Ejiptiana, Evronia Azer (@evronia), dia nanasongadina fa ny mpanjaka dia tokony hanohana ny zon'ireo vehivavy:

@evronia: #tal3mrak tsy maintsy manomboka amin'ny fanohanana ny zon'ny vehivavy ianao!

Nawwarah (@nawwarah82), vehivavy Saodiana mpandefa bitsika, dia manome sary tsotra izao ny fomba tsy nitànan'ny mpanjaka ny teny nomeny momba ny fanovàna:

وعدتنا بالتقدم, و وجدنا تأخر وعدتنا بالستر, و وجدنا غلاء عشمتنا بسياسة الباب المفتوح و أهديتنا قانون الارهاب الجديد…. #Tal3mrak

@nawwarah82: Nampanantena fandrosoana ho anay ianao, ary dia nahita fahataràna izahay. Nampanantena fiainana mendrika ho anay ianao, ary dia niatrika vidim-piainana lafobe izahay. Nampanantena anay ny politikan'ny ‘varavarana misokatra’ ianao ary dia nanome fanomezana anay ianao, ny lalàna iadiana amin'ny fampihorohoroana!

Manal Al-Sharif (@manal_alsharif), ilay ramatoa izay nosamborina noho ny familiana fiara volana maro lasa izay, dia nibitsika im-betsaka nampiasa ny tenifototra #Tal3mrak. Iray amin'ireo bitsika maneso avy aminy ny hoe:

بما إن عدد عيالك ٢٠ مليون ونصدر في اليوم ٩ مليون برميل. الصبر نصرفه في أي بير؟

@manal_alsharif: Satria 20 tapitrisa ny zanaka lahy sy zanaka vavinao ary manondrana solika 9 tapitrisa barika isanandro isika, anaty barika toy inona re heverinao mba hitahirizanay ny faharetanay e?

Sami Almalki (@iSaami), bilaogera Saodiana, dia niezaka koa ny hanazava ny natioran'ilay tenifototra amin'ny fomba fijeriny manokana:

ملاحظة: هاشتاق طويل العمر ليس مختص بأمير أو ملك أو تاجر كما سيّسه البعض وحوله عن مساره، بل يقصد به كل مسؤول بالوطن العربي

@iSaami: Fanamarihana: ny tenifototra #tal3mrak dia tsy natokana ho an'ny karazanà printsy na mpanjaka na mpanao raharaham-barotra tahaka izay tadiavin'ny sasany hamiliana azy; io dia natodika amin'ireo rehetra manana fahefana ao anatin'ny tontolo arabo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.