- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ejipta: Ny Miaramilan'ny Facebook-n'i Omar Soliman

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Ejipta, Fifidianana, Fitantanam-pitondrana, Hafanàm-po nomerika, Politika, Teknolojia

Na dia mbola tsy nanomboka amin'ny fomba ofisialy aza ny hazakazaka ho an'ireo mpirotsaka hofidiana ho filoham-pirenena, ny Filankevitra Ambonin'ny Tafika dia efa namorona fitsapan-kevitra ao amin'ny pejy Facebook-ndry zareo mba hahitàna hoe firy avy no mety ho mpanohana ho azon'ny mpirotsaka tsirairay eny an-kianja amin'izao fotoana izao. Tsy ela akory, ny gazety Ejiptiana Al-Amsry Al-Youm [1]tao anatin'ilay fitsapan-kevitra [1]dia nanamarika fiovana goavana sy mampiahiahy amin'ny filaharan'ireo mpirotsaka [1].

Nitatitra izy:

Suleiman nitàna ny toerana faha-7 amin'ny salan'isa 3 isan-jaton'ny vatom-pifidianana 12 andro taorian'ny nanombohan'ilay fifidianana, raha i Mohamed ElBaradei kosa no lohalaharana amin'ny taha 30 isan-jaton'ny vato. Na izany aza, arakaraky ny nanakaikezan'ny andro ofisialin'ny fifidianana, 19 Jolay, niakatra be izay tsy izy ny vato manankery azon'i  Ayman Nour sy Suleiman, ary tonga tamin'ny laharana faha-4 i Suleiman rehefa tena nifarana tamin'ny fomba ofisialy ny fifidianana.
Nanomboka tamin'ny fotoana nifaranan'ny fifidianana tamin'ny fomba ofisialy, na izany aza, dia nitohy niakatra hatrany  ny isam-bato azon'i Suleiman. Laharana voalohany izy izao, amin'ny salan'isa 21 isan-jaton'ny vato rehetra manankery

Araka ny fanadihadian'ny gazety dia tsikaritr'izy ireo fa vondrona tanora eo amin'ny 10 ka hatramin'ny 15, eo anelanelan'ny 15 sy 18 taona no nokaramainà ramatoa iray izay voalaza fa akaiky an'i Soliman, mba hisoratra anarana sy hifidy ho azy tao amin'ny Facebook.

Maro tamin'ireo mpampiasa Twitter no naneho hevitra tamin'ilay tatitra. Mohamed Fouda nanontany tena raha toa i Soliman mety hampiasa tetika tsy misy hafa amin'io amin'ny tena fifidianana tena izy.

@MoH_Fouda [2]: tsy noraharahain'ny  #SCAF ny hagaigena vaovao nataon'i Omar Soliman mamolavola ny voka-pifidianan'ny #SCAF izay ho filoham-pirenena ao amin'ny  facebook. Hamolavola ny tena fifidianana koa ve izy.

Omayma Said koa nanontany tena:

@Ummah_ [3]: Nahoana ireo mpanohana an'i  Omar Soliman no mandany vola amin'izay ‘e-vote’, na fifidianana tsy misy ilàna azy akory? Soso-kevitro ny tokony ho nitehirizan-dry zareo an'izany ho amin'ny fifidianana tena izy!

Amr Rodriguez koa dia nanoratra mikasika ny vola nolanilanina foana tamin'ity fifidianana ity:

@AmrRodriguez [4]: المجلس خسر سبعين ألف جنيه فى تلميع صورة عمر سليمان على الفيس بوك وفى الآخر مسح استطلاع الرأي

@AmrRodriguez [4]: Nandanilany foana LE 70,000 ny Filankevitra Ambony mba hanatsaràna endrika an'i Omar Soliman tamin'ny alàlan'ity fifidianana tanaty Facebook ity, ary tany am-pàrany dia nofafàn-dry zareo ilay izy.

Mohamed ElGohary nanesoeso ny  “Ilay Zalahy teo Aorian'i Omar Soliman [5]” ho mahatsikaiky.

@ircpresident [6]: الست إللي ورا عمر سليمان

@ircpresident [6]: Ilay Sipa teo Aorian'i Omar Soliman

Tanatinà tafatafa natao tsy ela niarahana tamin'ny fantsom-baovao ABC , Omar Soliman – izay lefitr'i Mubarak tamin'izany- dia niteny tamin'i Christiane Amanpour [7] fa ny vahoaka Ejiptiana dia tsy mbola vonona ho amin'izany demaokrasia izany. Ary taorian'io zava-nitranga io, somary novain'i Habia Helmy kely ny fitanisàna an'i Soliman.

@habibaa010010 [8]: عمر سليمان غير مؤهل للديمقراطية

@habibaa010010 [8]: Tsy mbola vonona ho amin'ny demaokrasia i Omar Soliman

Ary i  Zeinobia dia nankasitraka ny iray amin'ireo mpanao gazety mpanao fanadihadiana lalina ao ambadik'ity tatitra ity.

@Zeinobia [9]: iray amin'ireo mpanao gazety mpanao fanadihadiana lalina ao ambadiky ny fampilezan-kevitr'i Omar Soliman tanaty aterineto i @Ahmed_Ragab [10].

Ary farany, i Mohamed El-Shaer (@voodito [11]), miombon-kevitra amin'ny vokatra farany tao amin'ilay tatitra an-gazety [Ar] [12], saingy nanana fanamarihana vitsivitsy mikasika ny ampahany amin'izy io [13].

قالت المصرى اليوم أنها من خلال الIP الخاص بالمستخدمين العملوا تصويت للواء عمر سليمان قدرت توصل لمكانهم وحددت مكانهم بدقة بأحد مقاهي مدينة نصر,, نظرياً مفيش حد يقدر يجيب الIP بتاع المستخدمين دول لأنهم مقدروش يتعاملوا معاهم بأى طريقة على النت حتى لو عرف الأكونت بتاعة على الفيس بوك مش هيخليهم يعرفوا الIP

Al-Masry Al-Youm niteny fa afaka ny mahita ny tena toerana misy an'ireo nampiasa aterineto hifidianana an'i  Omar Soliman amin'ny alàlan'ny adiresy IP an'izy ireny, izay voamarina fa iray amin'ireo cyber-café ao an-tanànan'i Nasr. An'eritreritra, tsy misy olona afaka mahita ny adiresy IP an'ireo mpampiasa Facebook izany, satria tsy misy fifandraisana mivantana eo amin'izy ireo ao amin'ny aterineto. Ary na dia fantatr'izy ireo aza ny kaonty Facebook-n'izy ireny, tsy ampy izany hahitàny  ny adiresy IP.