Andro vitsy monja mialoha ny fanombohan'ny lalao savaranonandro fifanintsanana hiadiana ny amboaran'ny FIFA izay hotontosaina any Brezila amin'ny 2014, no naneken'ny komity mpanatanteraka ao amin'ny Federasionan'ny Baolina Fandaka Kolombiana (FCF [1]) ,notaterina ny alin'ny alahady 21 aogositra, ny fametrahan'i Hernán Darío Gómez [2] fialana amin'ny maha-mpanazatra ny ekipam-pirenena azy, sady tsy azo ivalozana intsony izany fanapahan-kevitra izany.
Tontosa moa ity fanekena hiala ity ora vitsy taorian'ny nitakian'ny filoha Juan Manuel Santos [3] ny fialan'i Bolillo noho ny toe-javatra vao nitranga vao tsy ela izay [4] sy ny nanolorany hevitra mba hompanazatra vahiny no hisolo ny toerany. Niteraka ny fialan'ny [5][es] mpiara-miasa akaiky amin'ny Bolillo koa moa io toe-javatra io: ny mpanampy azy (Leonel Álvarez [6]), ny mpikarakara ny vatana (Elkin Sánchez) ary ny Tale (Francisco Maturana [7])
Vokatr'izany moa dia niroso [9] ny fifampiraharahana tamin'ilay teratany Arzantina Gerardo ‘Tata’ Martino [10] hameno ny toerana banga, izay niteraka izao karazana fitsapan-kevitra [11][es] rehetra izao ny amin'izay tokony ho mpanazatra vaovao. Mandritra izany fotoana izany dia mitohy ny adihevitra an-tserasera.
Carlos V. Morales (@CarlosVictorM [12]) avy any Ekoatera dia mitompo teny fantatra [13] amin'izay ho mpanazatra vaovao:
Ya hay acuerdo entre Federación Colombiana y Martino. Presidente Bedoya prepara viaje a Rosario para cerrar negociación. Tata será el DT de Colombia.
Mpanao gazety Gabriel de las Casas (@gabodelascasas [14]), manolotra [15] safidy amin'izay handray ny toerana ary manontany:
Hoy NO se conocerá técnico de la selección. Opcionados, Comesaña, Gareca, El Tata Martino. ¿Cuál le gusta a usted?
Chinita Berrío (@chinitaberrio [16]) miarahaba [17] ny fialan'ny mpanazatra sy ny mpanolotsainany:
Bolillo y Maturana fuera…. Gracias
Bolillo sy Maturana voaroaka…. Misaotra
Andrés Echeverría (@AndreloE [18]) no anisan'ireo vitsy nanohana [19] azy rehefa nanaiky ny hiala i Bolillo:
Me hace reír, un equipo mediocre como el de #Colombia [20] necesita un buen técnico y no un mediocre como el Tata Martino, prefiero al Bolillo.
Mitsikera ny tsy fahampian'ny fahombiazan'ny Federasiona Kolombiana Fandaka-Baolina ny mpanao gazety Felix de Bedout (@fdbedout [21]):
La ineptitud de la federación llevo a tiempo extra lo inevitable, a esta hora ya tendríamos técnico y al bolillo arreglando sus asuntos.