Costa Rica: Diabe Fanehoan-kevitry Ny Vehivavy tsy Maoty, Foto-pinoana ary Zon'ny vehivavy

Ny Alahady lasa teo , 14 Aogositra  2011, no nisy ny Diabe Fanehoan-kevitry Ny Vehivavy tsy Maoty  tao San Jose renivohitra  nahatonga fanoherana mahery vaika avy amin'ny filazam-baovao sy ara-pinoana noho ireo hira sy seho an-tsehatra mahery setra lazaina ho manohitra ny fiangonana. Ilay adihevitra nafana dia samy nandrakotra ny filazam-baovaom-bahoaka sy ny haino aman-jery avokoa satria ny mponina dia naneho hevitra tao amin'ilay dikanteny Costa Ricain amin'ity hetsi-panoherana nalaza eran-tany ity.

Na dia niovaova aza ny fanehoan-kevitra momba ilay Diabe Fanehoan-kevitry Ny Vehivavy tsy Maoty,  dia toa hoe ny tena fahombiazany dia ny fitarihana ny mponina hisaina ny herisetra mihatra amin'ny zaza amam-behivavy, ny finoana ary ny fanajàna.

"Jesus Loves Sluts" by Julia Ardón, 2011

"Tian'i Jesosy Ny Vehivavy tsy Maoty" nataon'i Julia Ardón, 2011

Ny herinandro lasa teo, Global Voices dia  nampakatra lahatsoratra fanavaozam-baovao momba ny antony ambadik'io Diabe io :

Ilay Diabe dia ho valin'ilay fanambarana nataonà Mpitarika fivavahana Katolika iray sy Kardinaly nitsidika nanditry ny Fety masina ny 2 Aogositra, tamin'ny filazany fa tokony hiakanjo maotina ny vehivavy mba hisorohana ny fanambaniana sy ny fanaovana azy ho toy ny fitaovana, ary tsy hanao ny asan-dehilahy fa hikarakara ny ao an-tokantranony.

Arak'i  Pablex, mpanao gazety sady bilaogera izay nanokana fotoana namakiana ny kabarin'ilay mpitondra fivavahana Ulloa ny  2 Aogositra , tsy nolazainy mihitsy ilay fehezanteny nataon'ilay gazety La Nación ho azy izay nahatonga  fitroarana ka nampahery ilay Diabe :

Ulloa no es ningún gurú y está lejísimos de ser el clérigo más inteligente del catolicismo tico. Pero en honor a la verdad, de su homilía (hacer clic para leerla completa) en ningún lado se desprende la frase tan publicada por La Nación, pidiendo recato a las mujeres para vestir, algo que en Twitter se podría “taguear” como #peladadelamarchadelasputas.

Tsy ‘gourou’ i Ulloadia ary lavitra azy ny ho mpanao asa masina  mihajan'ny Katolika ao Costa Rica. Fa ho fanomezam-boninahitra ny fahamarinana , tao amin'ny toriteniny (tsindrio eto raha hamaky ny lahatsoratra rehetra) tsisy mihitsy filazany ny teny navoakan'ny  La Nacion, mangataka ny fahamaotinana  eo amin'ny fomba fitafy ho an'ny vehivavy, zavatra izay mety  ho “nomarihana” toy ny #peladadelamarchadelasputas tao amin'ny Twitter [Naoty – Marcha de las putas no fandikàna amin'ny teny Espanola ny hoe Diaben'ny Vehivavy tsy Maoty. Pelada , dia tenim-boto avy ao  Costa Rica hilazàna ny hadisoana mahasosotra ary ny tenifototra  #peladaNacion dia matetika ampiasaina hilazàna ny hadisoana ataon'io gazety iray io manokana.]

Pablex nanohy tamin'ny filazany fa very ny mety ho herin'ilay Hetsi-panoheran'ny Diaben'ny Vehivavy tsy Maoty noho ny fironan'ireo vehivavy tamin'ny antsipirihan-javatra kely tsy misy dikany momba ny endriky ny tsy rariny rehetra atrehan'ireo vehivavy ao Costa Rica ary zavatra mivaona mihitsy ny nampifantohan'izy ireo ny hatezerany ho any amin'ny fiangonana tamin'ny fomba tsy misy fanajàna::

Aún si Ulloa hubiese dicho que las mujeres costarricenses “deben vestir con recato”, eso no hubiera justificado jamás los insultos, las burlas, las malacrianzas y la falta de respeto que ese grupo de fanáticos y alborotadores tuvieron esa mañana de domingo frente a la Catedral Metropolitana. La tolerancia que tanto reclaman de la Iglesia les quedó corta, muy corta, tanto o más como sus enaguas putescas.

Koa na dia nilaza aza i Ulloa fa ny vehivavy avy ao Costa Rica dia “mila miakanjo maotina “, dia tsy manamarina velively ireo ompa , fanarabiana, faniratsirana ary tsy fisian'ny fanajàna nasehon'iity vondronà mpankafy sy mpanakorontana ity, izay naneho izany ny Alahady maraina teo anoloan'ny Katedraly Metropolitana / Katedraly Reniny. Ny fandeferana izay nangatahan'izy ireo fatratra tamin'ny Fiangonana dia nirodana vetivety, vetivety kely, toy ny  halavan'ny zipon'ireo Vehivavy tsy Maoty.
We are past the middle ages by Julia Ardon

"Efa nilaozantsika ela ny Moyen Age " nosoratan'i Julia Ardón

Rashida Jenny Torres nanoratra momba ny fomba fijeriny amin'ny maha Silamo azy ao Costa Rica mikasika ilay Diaben'ny Mpivarotena, ary na dia tsy mitovy finoana amin'ny Fiangonana Katolika aza izy, mino izy fa ilay Diabe dia nampiseho tsy fanajana ny Vehivavy Silamo toa azy koa : Ny sasany tamin'ireo vehivavy nandray anjara tamin'ilay Diabe dia nanao saron-tava silamo hampisehoana ny endrika famoretana atrehan'ny vehivavy. Ho an'i  Rashida Jenny, ilay Diabe dia lasa fanamoràna tsy mahomby ho an'ny raharaha sarotra toy ny Zon'ny Vehivavy.

Yo, como mujer, madre, trabajadora y musulmana portadora del velo por decisión propia, sintiéndome siempre orgullosa de cómo me veo, de lo que soy y represento, siento que este tipo de manifestaciones no representa de forma alguna los derechos de las mujeres o de cualquier ser indefenso a no ser abusado tanto física como sexualmente.

A mí me han faltado el respeto cubierta por completo y en un país como este que no es islámico y en donde todos pueden vestir como quieren.

He sorprendido a varones cuando voy en el autobús hacia el trabajo, tratando de levantar mi falda disimuladamente para tratar de ver por lo menos mi tobillo.

Izaho , amin'ny maha vehivavy, reny , mpiasa ary Silamo ahy ary mitondra ny saron-tava izay safidiko manokana, dia mahatsapa fifaliana hatrany amin'ny fomba fiakanjoko, amin'ny maha izaho ahy sy izay soloiko tena, mahatsapa fa ny karazana hetsika toy itony dia tsy maneho ny zon'ny vehivavy mihitsy na ireo tsy misy mpiahy mba hanana fiarovana ara-batana na koa ara-pananahana.

Tsy najaina aho na dia mirakotra be tahaky ny inona aza, ary amin'ny firenena tahaka itony izay tsy Silamo, ny olona tsirairay  dia afaka mitafy izay tiany.

Fony izaho tanaty fiara fitaterana handeha ho any ampiasana dia tratrako ireo lehilahy nanainga antsokosoko ny zipoko hijery sao mba ho afaka hanopy maso kely ny hato-tongotro.

Andrea Aguilar Calderón nanoratra momba ilay Diabe ihany koa, ary nanazava ny antony tsy nandraisany anjara tamin'ilay Diaben'ny Vehivavy tsy Maoty, na dia raisiny ho toy ny Mpivarotena aza ny tenany. Tao anatin'ny lahatsorany ” Vehivavy tsy Maoty aho fa tsy nandeha tamin'ilay Diabe” dia nanoratra izy hoe toy ny ahoana ny fiedinediny nidina an-dalambe raha toa ka naompana tamin'ny hatezerana amin'ireo ambaratongam-pahefana ampolony manao famoretana vehivavy izany, fa tsy voatery hoe tanjona kely mikasika ny  Fiangonana Katolika :

Pero, al mismo tiempo, me parece que quienes nos hacen la vida de cuadritos a las mujeres, hoy por hoy, no son los curas.
Los evangelios que nos rigen hoy son distintos, no se encuentran en la Biblia. Se encuentran en la televisión, donde las mujeres claro que van a clases, porque tienen derecho a educarse, pero usando una faldita a cuadros y dos colitas al mejor estilo RBD. O, mejor aun: se encuentran en cualquier colegio del país, donde se puede ver a docenas de niñas usando esos pantalones tan ajustados que parece que se los untan cada mañana antes de salir, listas para jugar, desde la tierna edad de trece años, a ser “ricas” porque ese es el objetivo primordial de cualquier mujer en la vida. No es la enorme y abrumadora mayoría la que presta atención al sermón del padre desde el púlpito, pero sí lo es la que mira fijamente a las chicas Pilsen bailar desde la barra y que convierte a cualquier hija de vecina de brassier inflado en “modelo”. No es el infierno lo que espanta al vulgo, si no el rechazo social, el ser la gorda, la solterona, la güeisa que no ha tenido sexo en un mes.

Kanefa niaraka tamin'izay,  mahatsiaro tena ho isan'ireo olona manao izay hahasarotra ny fiainan'ireo vehivavy aho, tamin'izay andro sy taona izay, fa tsy pretra.
Ny toriteny izay manjaka eo amintsika dia hafa mihitsy ary tsy hita ao anaty baiboly. Fa hita eny amin'ny fahitalavitra, izay mazava ho azy fa mandeha any an-tsekoly ny vehivavy, satria manan-jo hianatra izy ireo,  kanefa mandeha miaraka amin'ny zipo kely ao amin'ny RDB [Fanamarihana.- andian-tantàra Meksikana  ho an'ny tanora ]. Na ny tsaratsara kokoa: hita any amin'ireny sekoly ambaratonga faharoa eto amin'ny firenentsika ireny ry zareo, izay ahitanao vehivavy ampolony mitondra pataloha mifinjifinjy izay toy ny voalokon-dry zareo isa-maraina alohan'ny hiaingana, vonona ny hilalao ny lalaon'ny maha ‘mafàna’ ao anatin'ny taonan-jatovon'ny faha teloambinifolo-taonany satria izany no voalohan-tanjon'ny vehivavy eo amin'ity fiainana ity. Tsy io no goavana indrindra sy maro an'isa mibahan-toerana mitandrina ny toritenin'ny pretra ery ambony alitara, saingy kosa ireo mampifantoka ny masony amin'ireo vehivavin'ny Pilsen mandihy eo ambony latabatry ny trano fisotroana ary mamely ireo tovovavy mpifanolo-bodirindrina mitondra tatinono nabontsina be ho anaty ‘lasitra’ iray. Tsy izany velively no zavatra mahatahotra ny olona, fa ny fanilihana ara-tsosialy / fanilihan'ny fiaraha-monina: noho ny maha-katavy, sipa lany zara, mpamosavy tsy nanao efa ho volana iray.

 

"Don't tell us how to dress, tell them not to rape us" by Julia Ardon

"aza tenenina anay ny tokony ho fiakanjonay, teneno ry zareo tsy hanolana anay " nataon'i Julia Ardon

Ny Filankevitra Ekonomikan'ny Fiangonana Katolika  dia  nanambara fa ilay diaben'ny Vehivavy tsy Maoty dia manitsakitsaka ny lalàna mifehy satria nanetsika fankahalana sy herisetra atao aminà finoana iray voafaritra. Ny mpikarakara ilay Diaben'ny Vehivavy tsy Maoty tao Costa Rica dia nandefa fanambarana an-gazety, izay hita ao amin'ny Facebook,  ka ao no nanazavany fa tsy nitarika ho amin'ny herisetra mihitsy izy ireo ary amin'ny maha seho fanta-daza aza mandeha eraky ny tambajotra ara-sosialy rehetra dia nahasarika olona maro manana hevitra isan-karazany ary azo heverina fa ny hany  teboka niraisana dia ny fanaratsiana ny fomba  fitondran'ny fiarahamonina ao Costa Rica ny vehivavy.
Ao amin'ilay fanambaran'izy ireo  dia voatonona i  Julia Ardón,  izay nandray anjara tamin'ilay Diabe ary ny sary nalainy nandritra ilay Diaben'ny Vehivavy tsy Maoty dia mandravaka ity lahatsoratra ity ( nahazoana alalana taminy) :

Cosas distintas que se vieron en la Marcha de las Putas en San José, a diferencia de las de otros países:
1-A la par del llamado al respeto y la dignidad de todas las mujeres, hubo un reclamo por la violencia de parte de la Iglesia Católica que insiste en gobernar el cuerpo femenino, y el vehemente llamado al Estado Laico ya.
2-Lo más interesante: la marcha, convocada por grupos feministas, contó con la participación de gente de todas las edades, y además; más o menos un 50% de hombres, lo que la convirtió en una Marcha bastante especial.
Muy sobrio todo, muy alegre, muy bonito y sobre todo: muy lleno de respeto y coraje. Fui muy feliz de ser parte y de encontrarme allí a tantos amigos y amigas. Hoy me sentí orgullosa de pertenecer a esta comunidad costarricense. Acá hay cosas lindas naciendo. Siento mucha esperanza

Ny maha samihafa ny Diaben'ny Vehivavy tsy Maoty ao San Jose sy ireo fahita any amin'ny firenen-kafa  :
1. Mifandray tànana miara-mitaky ny fanajàna sy fahamendrehana ho an'ny vehivavy rehetra, misy koa fitarainana manoloana ny herisetra ataon'ny Fiangonana Katolika amin'ny fomba fitondra ara-batana ny vehivavy, ary antso avo ho an'ny fanjakana laika  ankehitriny.
2. Ny zavatra mahaliana indindra : Ilay Diabe, nomanin'ny andianà mpiaro ny zon'ny vehivavy, nahitàna fandraisan'anjaran'olona amin'ny sokajin-taona rehetra sy avy any rehetra any; manodidina ny  50% dia lehilahy avokoa, izay nahatonga azy io ho Diabe niavaka tokoa.
Nadio ilay izy, nahafinaritra, nahafatifaty fa ny ambonin'izany rehetra izany : Feno fanajana sy faharisihana. Faly aho fa anisa'ny nandray anjara tao ary nahita namana maro tao. Ankehitriny aho mahatsiaro tena ho sambatra fa isan'ny mpiara-monina eto Costa Rica. Betsaka ny zavatra tsara andalam-pahaterahana ao. Mahatsapa ho feno fanantenana aho. 

People at the Slut Walk Costa Rica 2011 by Julia Ardon

Fahasamihafana tao amin'ilay Diaben'ny Vehivavy tsy Maoty Sary an'ilay bilaogera Julia Ardón

Ilay bilaogera  Bryan Gonzalez koa dia nanoratra momba ny fanohanany ny Diaben'ny Vehivavy tsy Maoty ary ny seho ara-javakanto mampiseho ampaham-batana miboridana sy fanao vetaveta mahasaringotra  ny Fiangonana Katolika:

Respecto al performance que se realizó en la marcha, pues mi aplauso a la actriz y al actor, fueron quienes mejor representaron la violencia del machismo católico. La iglesia se indigna y afirma que dicha actuación atenta contra la moral pública (de un pueblo mojigato). Pero nada más indignante y una verdadera afrenta a la moral pública que la jerarquía de la iglesia católica encubra a acosadores y violadores. ¿Por qué no se pronuncia al respecto la conferencia episcopal? ¿Por qué si se habla de procesos judiciales contra 2 artistas y no contra pedófilos y quienes les encubren? ¿Y los actos de corrupción financiera perpetrados por la conferencia episcopal no atentan contra la moral pública?

Mahakasika ilay  seho natao tamin'ny fotoanan'ilay Diabe, dia tehafako mihitsy ireo mpilalao vehivavy sy lehilahy, ireo no tena nahay naneho ny herisetran'ny lehilahy Katolika mihevitra azy ireo ho tapitr'ohatra . Nahatezitra ny Fiangonana izany ary namafisiny fa fanaovana tsinontsinona ny toetra maha-olona ny zavatra tahaka izany (ho an'ireo izay mora tohina). Kanefa tsy misy zavatra mahatohina sy tena fanaovana tsinotsinona ny olona afa-tsy ny ambaratongam-pitantanana ao amin'ny Fiangonana Katolika izay manafina olona mpanadàla sy mpanolana. Maninona no tsy miresaka izany ny Filankevitra Eokominikan'ny Katolika? Maninona no miresaka fampiakarana fitsarana aminà artista roa izy ireo fa tsy aminà mpanolana sy amin'ireo izay manafina azy ireo ? Ary ahoana ny momba ireo fanodikodinam-bola nataonà  Filankevitra Eokominika : Moa tsy mandona ny sain'ny vahoaka koa ireny?

Ireo fanehoan-kevitra mahakasika ilay “seho” nambara etoana dia azo vakiana anaty tsikera 105 izay vetivety dia lasa ady tao amin'ny Facebook teo ambanin'ny sarin‘ilay vehivavy mpilalao, misy azy matory amin'ny tany ary ny tratrany dia feno soratra sy rojo vy no sady manaikitra “chapelet”, miaraka amin'ny totohondrin'olona tsy tazana eo anelakelam-peny miboridana.  Raha nanasokajy io fampisehoana io ho seho artistika ny sasany, ny hafa nanao azy io ho fanalam-baraka ny tena ataon'io vehivavy io sy fanaovana tsinontsinona ny Fiangonana.

Ilay bilaogy Suicidal Bunnies dia nilaza ny heviny ihany koa mikasika ilay Diaben'ny Vehivavy Tsy Maoty, ka ao i Amorexia no manoratra fa na dia maro aza ireo fitakiana tsy nozarainy, mino izy fa amin'ny ankapobeny dia nahafinaritra ilay lahasa, fitarainana marim-pototra izay nampahery kokoa noho ny nilaina. Nizara lahatsary mikasika ilay Diaben'ny Vehivavy Tsy Maoty tao Costa Rica ihany koa izy,  izay ahenoana ilay hiaka hoe  “Tsia dia tsia, hoy aho hoe tsia. Inona amin'ireo no tsy azonao, ilay TS sa ilay IA?” any am-panombohan'ilay lahatsary raha nilahatra teo anoloan'ny Katedralin'i Metropolitan ireo mpandray anjara :

Na dia niovaova aza ny fanehoan-kevitra momba ilay Diabe Fanehoan-kevitry Ny Vehivavy tsy Maoty,  dia toa hoe ny tena fahombiazany dia ny fitarihana ny mponina hisaina ny herisetra mihatra amin'ny zaza amam-behivavy, ny finoana ary ny fanajàna.
Ny sary rehetra nampiasaina tao anatin'ity lahatsoratra ity dia an'i  Julia Ardón, mpaka sary sy bilaogera avy ao Costa Rica ary nahazoana alalana avy aminy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.