Libia : Tànan-Kavanan'i Gaddafi, Abdessalem Jalloud Niondrana Nankany Italia

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny tatitra manokana ataonay momba ny Fikomian'i Libia 2011.

Ny vaovao avy any Libia dia miparitaka erak'izao tontolo izao, noho ny nahazoan'ireo mpihoko tsikelikely ny tanàna. Ny vaovao lehibe iray nalaza, dia ny fitsoahan’ ny olo-maventy faharoan'i Libia teo aloha, Abdessalem Jalloud nankany Italia tamin'ny fiaramanidin'ny zotram-pitateran'i Malta nandalo tany Tonizia, araka ny nambaran'ny olona ambony iray ao amin'ny Governemanta Toniziana ankehitriny. Noraisin'ny olona maro ho marika tsaran'ny fahalavoan'i Gaddafi ny fialàn'i Jalloud. Kanefa, mbola maro no tsy nanadino ka nanambara tamin'ny haino aman-jery ara-tsosialy fa i Jalloud dia mpamono olona foana tao amin'ny fitondrana Libiana ary tokony hiatrika fitsaràna. Ny hafa nankasitraka ny fialàny ary nilaza fa efa nanandrana nanohitra an'i Gaddafi izy taloha. Ireto ny sasantsasany amin'ireo resaka maro avy amin'ny Twitter.

Libyans in Tunis celebrate the "Beginning of the End". Image by Sghaier khaled, copyright Demotix (22/08/2011).

Libiana ao Tunis mankalaza ny "Fiantombohan'ny Farany". Sary an'i Sghaier khaled, copyright Demotix (22/08/2011).

 

Nanoratra i Nour (@nourj48), Palestiniana mpampiasa Twitter, nilaza hoe :

@nourj48: Marina ve, #Jalloud? ANKEHITRINY #Gaddafi dia namitaka ny vahoaka? Taiza ny fitokisanao ny vahoaka tamin'ny 42 taona lasa? Mandehana any amin'ny afobe.

Asma Magariaf (@LibyanBentBladi) dia nieritreritra fa mety ho avy any Italia i Jalloud no miasa ho an'i Gaddafi:

@LibyanBentBladi: Tsy ampy 24 ora taorian'ny fialany, dia efa tany ivelan'i Libia sahady i Jalloud. Mety ho nitera-doza ho azy ve ny fijanonany? Ilaina kokoa ve izy any ivelany ?

Fadwa El-Gallal (@Douuu) nanao fampitahana an'i Jalloud sy ny Filan-kevi-pirenen'ny Tetezamita (NTC) ao Libia:

@Douuu: Niala tamin'i Gaddafi i Jalloud ny taona 1987 raha nizarazara ireo mpikamban'ny NTC tamin'io taona io, raha mahery fo ireo, heveriko fa toy izany koa izy!

Mpampiasa Twitter iray mitondra ny anaram-petaka Hancker (@hankerton) no nahita fa tara loatra ilay fialan'i Jalloud :

@hankerton: Diso tara loatra ianao #jalloud, ankehitriny dia ‘anay’ ny tolona ?! Tsy misy ilana anao intsony izao. Hotsaraina koa ianao.

Im-betsaka i Maimuna Aghliw (@fcukruna) no nibitsika momba an'i Jalloud ary nanoratra ampaham-baovao momba azy :

@fcukruna: Raha ny marina, Jalloud dia nambenana tamin'ny toerana arahi-maso manokana  nandritra ny taona maro.

Mpampiasa Twitter hafa nitsikera ny tafatafa nataon'i Jalloud ho an'ny Al-Jazeera sy ny toetra nasehony :

@libya_Horra: Andriamanitra ô hitanareo ve ny nataon'i #jalloud.. rehefa tapitra izay tiany nolazaina dia nesoriny ny micro-ny, ny vendrana ho'aho dia vendrana eny mandrakariva.

Libya 7orra (@libya_Horra) ihany koa dia nanao tsikera hafa mikasika ilay resadresaka amin'ny filazàna hoe:

@libya_Horra: Hoy i Jalloud hoe tokony hitambatra avokoa ny olona rehetra ao Tripoli mba hanohitra, kanefa nahoana ialahy ry ilay tsivanona ity no nitsoaka …Tokony nijanona tao Tripoli ialahy ary nitolona.

Muham Marc Sugiono (@Lokaltermin) nanoratra bitsika maneso ho an'i Jalloud :

@Lokaltermin: Raha te-hanomboka ho avy ara-politika ianao ao Libia dia miezaha hiavaka amin'ny hafa. Ny filoha manaraka dia tokony hiakanjo Tutu mavokely sady mandihy no mihiakiaka.

Henry Smith (@TH_Smith) nahita ny fialan'i Jalloud ho toy ny fanalahidin'ny fihokoana tao Libia :

@TH_Smith: Nitarina ny filazana ny maha-zava-dehibe ny fialàn'i Jalloud. Ny fialàna ao amin'ny hery famoretana no fanalahidy.

Mpampiasa Twitter hafa antsoina Alaa  (@ehkayy) koa nahita ny fialàn'i Jalloud ho tranga manome fanantenana ary nitondra izany amin'ny sehatra hafa :

@ehkayy: Tsy ijereko izay fihevitry ny hafa, heveriko fa nilaza ny marina tamim-pahatsorana izy, ary efa ela no niandrasany hilazàna izany zavatra izany

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny tatitra manokana ataonay momba ny Fikomian'i Liby 2011.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.