Manomboka ny volana Jona hatramin'ny Oktobra no fotoam-pahavaratra any Ginea-Bisao. Noho ny habetsaky ny rotsa-korana mandritra ireo fotoana ireo dia matetika miato ny ankabetsahan'ny fandaharan'asa, ary na ny asa fifandraisan-davitra aza dia ahitana olana ihany koa. Vokatry ny oram-be mikija, ny tetikasa Youth Voices of Bandim and Enterramento (Feon'ny tanora avy any Bandim sy Enterramento) izay nahazo ny famatsiam-bola “Rising Voices” dia tojo fahasahiranana amin'ny fampiasana ny aterineto, ary na ny toeram-pivorian'ny fikambanana ara-koltoraly Netos de Bandim aza dia nisy fahasimbana goavana ihany koa. I Ector Diogenes Cassamá dia nanoratra tao amin'ny bilaogy Bairro Bandim [pt] :
Ny oram-be mikija no nanimba ireo sekoly izay fananan'ny fikambanana ara-kolotoraly Netos de Bandim. Natokana ho trano fianaran'ny sekoly ambaratonga voalohany ilay efitrano rehefa maraina, rehefa tolakandro kosa dia toeram-pamerenana ho an'ny fikambanana ara-kolotoraly Netos de Bandim, ary natokana ho efitrano fianaran'ny olon-dehibe mianatra mamaky teny sy manoratra kosa rehefa hariva. Tsikaritra fa maro amin'ireo mpianatra no avy amin'ny fianakaviana tena sahirana ara-bola, ary kamboty daholo koa ny ankamaroany na mitovitovy amin'ireo tranga ireo, ary matetika dia tsy afa-mandoa ny saram-pampianarana isam-bolana noho ny fahosàna ara- toekarena mianjady amin'ity firenena ity. Manentana anao izahay, sady misaotra anao, amin'ny fiaraha-miasa amin'ny fanarenana ilay efitrano!
Indro asehonay anao, ary afaka jerena ao amin'ny aterineto misy ny Flickr-ny vondrona ny sary maneho ilay tanàna simban'ilay andro ratsy :