Meksika : Fankalazana ny faha 100 taonan'i Cantinflas

Ity volana Aogositra ity i Meksika no mankalaza ny zato taona nahaterahan'i Mario Moreno mpanao hatsikana, diso fantatra amin'ny hoe Cantinflas . Any Meksika, ary manerana an'i Amerika Latina, Cantinflas dia fantatra ho mpilalao lehibe ary iray amin'ireo mpilalao hatsikana tena be mpitia indrindra any Meksika.

Taranaka maro nifandimby, ankizy sy olon-dehibe no niara-nihomehy tamin'ireo sarimihetsiny, tamin'ny fahitalavitra sy hatsikana. Indray andro tsy hafa fa ilay Amerikana mpilalao hatsikana Charles Chaplin tenany mihitsy no  niantso azy hoe “ilay mpilalao hatsikana velona”

Cantinflas no nisolo tena ny ankolafy mahantra ao Meksika. Vitany ny nisarika ny sain'ny olona handinika ny tsy fitoviana eo amin'ny mahantra sy ny manankarena taminà fomba tsy nanam-paharoa. Ary na dia nodimandry aza izy, dia mbola manohy izany ihany i Cantinflas amin'ny alalàn'ireo sarimihetsiny.

Fans celebrate Cantinflas' birthday. Image by Flickr user Globovision (CC BY-NC 2.0).

Mpankafy mankalaza ny fitsingerenan'ny andro nahaterahan'i Cantinflas. Sarin'ny mpampiasa Flickr Globovision (CC BY-NC 2.0).

Ao amin'ny Cuéntame, ilay bilaogera Axel Caballero dia manomboka ny lahatsorany  mikasika ny lanjan'i Cantinflas tamin'ny fahatsiarovan'ny fahazazàny.

Mahatsiaro aho fa nitombo tanatin'ny fijerena ireo sarimihetsika tranainin'i Cantinflas. Tsy nanan-tsiny, nampihomehy sady  nahalatsaka. Nisy hevitra tiany hampitaina daholo izy rehetra – fanehoan-kevitra ara-tsosialy momba ny adin-tsaranga sy ny tsy fitoviana ara-toekarena ao anatinà firenena izay matetika voahilika any ambany tsihy . Mari-pamantarana i Cantinflas: niaraka tamin'ilay fomba fiteniny mandray roa, ny fanetren-tenany, ny hafanany ary ambonin'ny ireo rehetra ireo ny fahaizany nampihomehy dia nahasolo tena ny firenena iray manontolo izy.

Ilay bilaogera SotoHoyos ho an'ny El Antagonista dia maneho hevitra momba ny lanjan'ny fankalazana [es] ilay fitsingerenan'ny andro nahaterahan'i Cantinflas :

En estos momentos donde se dejó de entender -eso pareciera- que el humor es la expresión más elevada de la inconformidad y la tristeza, vale la pena rendir un pequeño homenaje a Cantinflas en la celebración de los 100 años de su nacimiento. Un homenaje a  uno de los grandes humoristas de Latinoamérica, que con una capacidad histróinica admirable, logró reflejar, reflexionar, analizar y pensar, sobre los más variados temas, de la cultura mexicana, la latina, la mundial.

Ankehitriny rehefa niato tsy nahatakatra intsony isika fa hoe ny  hatsikana no fomba fanehoana lehibe indrindra ny tsy fankasitrahana sy ny  alahelo, zava-dehibe ny manome voninahitra kely ho an'i Cantinflas amin'ny fankalazana ny faha 100 taonan'ny nahaterahany. Fanomezam-boninahitra ho an'ny iray amin'ireo mpanao hatsikana goavan'i Amerika Latina, nanana fahaizana mahasondriana, hainy ny nandinika, namahavaha sy nisaina ireo lohahevitra maro mahakasika ny Meksikana, Latina ary ny kolotsain'izao tontolo izao.

Ao amin'ny bilaogin'ny Los Angeles Times, La Plaza, Ken Ellingwood dia manambara ilay hetsika ara-kolotsaina atao any Meksika :

Ny firenena, izay mba afaka mitsiky kely, dia manararaotra ilay hetsika mba hankalazàna mandritra ny iray volana maninjitra ny dindony teo amin'ny sarimihetsika sy ny kolotsaina Meksikana

Ny ambiny sisa amin'ny volana Aogositra, ilay mpampihomehy nodimandry […] no ho ivon'ny fampiratiana, lahatsary fahatsiarovana, famelabelarana ary koa dihy ho fanomezam-boninahitra azy. Manaraka ny aloky ny hazon'ny Paseo de la Reforma, fampisehoana an-kalamanjana  sary mainty sy fotsy nalehibeazina ary peta-drindrinà lahatsary miloko no maneho ny fomba nanampian'i Cantinflas nandrafitra ny fotoana volamenan'ny sarimihetsika Meksikana :

Michael Lopez avy amin'ny Tr3s koa manoritsoritra ny fomba nataon'ny Meksikana hanomezam-boninahitra an'ilay mpanao hatsikana :

Na 20 taona lasa aza izao i Cantinflas no efa nodimandry , mbola mitoetra ny zava-bitany. Ao  Meksiko renivohitra, toeram-pampirantiana an-kalamanjana lehibe ireo sariny sy ny  hosodokony no mandravaka ireo arabe be mpampiasa indrindra. Ny kintany (Avy amin'ny mpamoaka lahatsoratra: fomba fanao any Hollywood ny mametraka sarin-kintana ho an'ireo olo-malazan'ny zavakantony nodimandry) ao amin'ny Walk of Fame ao Hollywood dia nahazo anjara fankalazàna miavaka ny faha 100, tamin'ny voninkazo, karatra, ary fakàna sary mila tsy ho tapitra.

Cantinflas dia mbola mitoetra ho olo-malazan'ny sarimihetsika hatrany ho an'ny olona. Ireo toerana notanany izay nampiseho hatrany ireo iharan'ny tsindry hazo lena, izay zavatra nireharehany manokana. Na dia afaka nifangaro tamin'ny fianakavian'ny mpanjaka aza, Cantinflas dia tsy nanadino mihintsy fa mbola eto ambonin'ny tany / miaina ny zava-misy hita maso.

Anatin'io lahatsoratra io ihany izy dia milaza ny lanjan'i Cantinflas any amin'ny kontinanta hafa :

Ary aza mieritreritra fa hoe tao Amerika Latina fotsiny no tsapa ny fisian'i Cantinflas. Nanerana an'i Erôpa, ireo gazety samihafa dia samy namoaka ny tantarn'ilay mpanao hatsikana malaza avokoa, tonga hatramin'ny fanomezana anaram-bositra azy hoe “Groucho Marx” avy an'i Meksika.

Ankoatr’ izany lazany tamin'ny sarimihetsika izany, Cantinflas dia tompon'andraikitra tamin'ny fanovàna ny teny Espaniola sasantsasany ho tenin-jatovo, anisan'izany ny matoanteny “Cantinflear,” midika hoe miteny be loatra nefa tsy misy votoatiny / fotony.

Tao amin'ny YouTube, AlJazeera amin'ny teny Anglisy dia nampiditra lahatsary iray momba an'i Cantinflas sy ny fankalazàna mitranga ao Meksika, ary TeleSur nampakatra misy dikanteny amin'ny teny Anglisy ny tatitra nataon'izy ireo momba ny fitsingerenan'ny faha 100 taonan'ilay mpanao hatsikana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.