- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

India : Mafàna fon'ny RTI sady Mpiaro Tontolo Iainana Novonoina Antoandro be Nanahary

Sokajy: Azia Atsimo, India, Fahalalahàna miteny, Fanoherana, Lalàna, Politika, Tontolo_iainana, Vaovao Mafana, Zon'olombelona

Shehla Masood [1] (39), mahery fo sy mpiasa ao amin'ny ONG  Right To Information [2] , na Zo hahazo Vaovao dia maty voatifitra teo anoloan'ny fonenany ao Bhopal ny Talata maraina. Fantatra tamin'ny fanentanana hiarovana ny tontolo iainana ihany koa izy. Araka ny tatitra [3] dia vao avy namonjy fifadian-kanina i Shehla ho fanohanana ny hetsik'i Anna Hazare  ‘India Miady amin'ny Kolikoly’.

Shehla,  mpampiasa Twitter [4] mavitrika iray, dia narahina mpibitsika Indiana maro ary  toy izao manaraka izao sasany amin'ny fahitan'izy ireo ity fahafatesana mampalahelo ity :

landofom [5]: RT @kunalmajumder [6]: fahatairana! maheri fon'ny RTI  @shehlamasood [7] maty voatifitra tamin'ny 11 maraina. Ora 7 lasa izay ny bitsikany farany “#LS nahemotra”. Toy ny any Pakistana ankehitriny!

@jhunjhunwala [8]: Shehla Masood dia teny an-dàlana handeha hihaino raharaha mikasika Tigra vavy iray. Mahatsikaiky fa na ireo Tigra, na ireo mahery fon'ny RTI dia samy nazaina sy  novonoina avokoa…

nageshparaddi [9]: @shehlamasood dia nisy namono androany. Nanoratra taratasy milaza ny tahony ny amin'ny ainy Izy bit.ly/qPNODm [10].

TRISH00L [11]: Vitany> RT @shehlamasood [7]: Firy tamintsika no niady tamin'ny kolikoly? Mba efa nampiaka-peo imasom-bahoaka ve ianao? Mba efa nanao fitaraina an-tsoratra ve ianao?

raahildabest [12]: Teo anelanelan'izany, mangatsiaka sy maty mitsirara i @shehlamasood [7]. Novonoina noho ny herimpony. Very an-javony tao anatin'ny raharaha Hazare Haze n y fahafatesany. #Shehla Masood #SHAME (#HENATRA)

@aknksha [13]: Ho an'ny Gazety Indiana, ny fitifirana an'i  #ShehlaMasood tamin'ny antoandro be nanahary dia fehezina amin'ny hoe “mpanohana an'i #AnnaHazare novonoina.” MAHAMENATRA

surnell [14]: @shehlamasood: Misaotra anao  amin'ny zava-drehetra nahafantarako anao. Voninahitra lehibe ny nahalalana anao. Handry ampiadanana anie ny fanahinao. Hotohizanay mankany mankany ny  tigetra.

shanutweets [15]: Tena malahelo mafy an'i #ShehlaMasood ary i #bhopal. AOK'IZAY ny fihazana ireo mahery fon'ny  RTI

I_Madcap [16]: Tsy nisy vaovao tamin'ny fahitalavitra nanome tatitra amin'ny antsipirihany ny famonoana an'i @ShehlaMasood . Mahery fo iray avy amin'ny RTI novonoina, mety ho noho ny asany be herimpo.

Ny polisy dia manadihady [17] mba hamantarana ny  antony sy ny mombamomba ireo mpamono.

[18]

Sarin'i Shehla Masood nalaina tao amin'ny Facebook

Ny bilaogy blog dia mampakatra fanambaràna [19] momba ny fahafatesa-maritioran'i Shehla Masood :.

Izahay manao sonia ery ambany, dia nivarahontsana noho ny fifanojoan-javatra kidaladala toa maneso hoe ireo mafàna fo mpiaro tigra, foko, hazo ary ny tontolo iainana dia hazaina sy vonoina amin'ny fomba mitovy.

Mangataka izahay ny hanaovana fanadihadiana hatrany an-tampony ny mety hisian'ny fifandraisan'ny famonoana azy sy ny fijoroany noho ny fomba tsy ara-dalàna hitrandrahana Diamondra ao amin'ny distrikan'i Chhattarpur, Madhya Pradesh ataon'i Rio Tinto, orinasa hita aminà firenen-tsamihafa  mitrandraka harena ankibon'ny tany izay manana ny foibeny any UK, miray amin'ny Rio Tinto plc,  orinasa voasoratra any amin'ny Tsenam-bola ao Londona sy NY, ary Rio Tinto Limited, izay voasoratra any amin'ny Australian Securities Exchange, na Tsenam-bola Aostraliana, ankoatra ny zavatra hafa mampiahiahy [..]

Nahazatra an'i Shehla Masood ny mamarana ny hafany amin'ny hoe  “Roarrrrr”  feno fireharehana, izay tsy vitan'ny  balan'ireo nandatsaja aina azy hampanginina.

Azafady tsidiho ny sarin'i Shehla ao amin'ny Facebook [18] (mila miditra Facebook mihitsy) ary ny bilaoginy [20].