- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Shina sy Hong Kong: Voasambotra noho ny fiakanjoana T-shirt politika

Sokajy: Azia Atsinanana, Hong Kong (Shina), Shina, Fahalalahàna miteny, Fanoherana, Fitantanam-pitondrana, Lalàna, Mediam-bahoaka, Politika, Zon'olombelona

Nanao fitsidihana telo andro, izay nanomboka ny 16 aogositra 2011, tany Hong Kong i Li Keqiang [1], lefitry ny premier shinoa ankehitriny sady ny handimby ny premier [Lehiben'ny governemanta] ankehitriny. Ny andro voalohan'ny fitsidihana nataony dia niseho ho miahy [mijery] ny fiainana andavanandron'ny mponina ao Hong Kong i Li tamin'ny famangiana trano ipetrahana sy ikarakarana ny zokiolona sy ny trano fonenan'ny mpianatra Anjerimanontolo tao amin'ny distrikan'i Lam Tin. Saingy nivadika ho herisetra politika ny fihetsika “firrahalahiana” nataon'i Li raha nisy zatovolahy iray nohavohavohana sy nosamborin'ny “mpakanjo mainty” [mpiambina akaiky], noho ny soratra politika amin'ny t-shirt nanaovany manao hoe “Valifaty 4 Jona [2]“.

http://www.youtube.com/watch?v=fgjguKkd26I [3]

Nandritra ny tafatafa tamin'ny fahitalavitra no nilazan-dranamana, “Tsy nanao fihetsiketsehana aho. Niara-nilalao tamin'ny ankizy tao ambany rihana ny vadiko. Nahita olona maromaro tao amin'ny toby fonenan'ny mpianatra ry zareo dia niantso ahy ry zareo hiaraka aminy. Vao tafavoaka ny tranoko aho dia voaodidin'ny mpiakanjo mainty vetivety teo. Dia nisy niteny avy eo hoe ‘ento izy’. Avy eo aho nentin-dry zareo teny amin'ny fiolahana tsy milaza amiko izay antony hisintonany ahy. Mipetraka ato amin'ny efitra 26 aho!”

Be mpiakanjo any Hong Kong moa ny t-shirt politika, ary tombanana ho eo ho eo amin'ny iray amin'ny 15-20 olona ao Hong Kong ao no manana t-shirt misy ny tarigetra hoe “Valifaty 4 Jona”, noho ny fisiana fikarakaran'ny ao an-tanàna fiaretan-tory mandrehitra labozia isaky ny 4 Jona [4] nandritra ny 22 taona, izay ahitana olona an'aliny manatrika izany isan-taona. Namoaka kisari-na T-shirt roa tao amin'ny bolongany [5] [zh] mifototra amin'ny hetsika 4 Jona ny dokotera matavy:

[6]

T-shirt roa karazany momba ny June 4 T-shirt

Afaka maka sary an-tsaina ny lehilahy iray monina ao an-toerana nalain'ny mpiara-monina aminy “an-keriny” ny tsirairay noho ny fiakanjoany t-shirt politika manohitohina ny fokonolona.

Ho fanamarinana ny fihetsika natao dia namoaka fanambarana an-gazety haingana [zh] [7] ny governemanta ao Hong Kong milaza fa ao anatin'ny lisitry ny olona karohina noho ny tranga tamin'ny fifamoivoizana tamin'ny 2006 io rangahy iray io.

Reniranom-poza [tenin-jatovo ilazana ny sivana] [8]” Sakafobe ho an'i Hong Kong

Tezitra noho ny toe-draharaha ny mpamaham-bolongana ao an-toerana Kursk ary namoaka lahatsoratra izay mivaky toy izao ny lohateniny “Rehefa tsy te-hahita t-shirts 4 jona dia modia any Beijing! [9]” [zh]

這是一件十分嚴重的事件,一定要追究。香港幾時禁止著六四t-shi rt架?果度仲要係私人住宅黎架大佬。特區警察同公安有咩分別呀 ?仲有,抬佢走既人冇表示身份,更加冇表示行使緊乜野法律權力,理論上係非法禁錮,係嚴重侵犯人權既做法。
侵犯人權太誇張?你試諗下,有一日無啦啦有四五個黑西裝大漢冇表明身份夾硬夾你走,佢地可以係黑社會點錯相、擄人勒索,甚至係公安跨省都得,咁你知驚未?
呢班黑衣人究竟係G4定係北京既國安?如果係前者,就係特區政府泛用武力既 問題,一定要投訴去監警會同立法會保安事務委員會;如果係後者, 事態就嚴重百倍--大陸國安黎香港既私人住宅區向只係著住六四T -shirt既香港人施行武力,呢個唔只係一國兩制不保既問題,而係國 安南下香港鎮壓言論自由。

Henjana be ity toe-draharaha ity ka tokony hitaky fanazavana isika. Fa hatramin'ny oviana moa ny “T-shirt Valifaty 4  Jona” no voarara? Ilay toerana nisian'ny tranga dia tany amin'ny toeram-ponenan'ny mpianatra an'ny tsy miankina [na an'olo-tsotra]. Inona no mahasamihafa ny polisin'i Hong Kong sy ny polisin'ny Tanibe? Tonga dia mikatroka tsy milaza hoe iza sy iza avy ry zareo sy ny asany sady tsy milaza hoe ny inona amin'ny lalàna no ampiharina. Raha teorika dia fitazonana tsy manara-dalàna manitsakitsaka ny zo maha-olona azy ilay izy.
Miresaka zavatra tafahoatra ve aho? Ataovy sary an-tsaina anie azafady, raha toa ka, indray andro ianao misy olona efatra na dimy miakanjo mainty misintona anao tampoka ary mitondra anao any amin'ny toerana tsy fantatra. Fa mety ho mpikambana ao amin'ny [mafia] ry zareo, na mpaka an-keriny na polisy mampihatra ny fahefany ivelan'ny sisintany iasany. Tsy matahotra amin'izany ve ianao?
Io vondron'olona miakanjo mainty io, polisy avy amin'ny hery G4 ao amin'ny polisin'ny Hong Kong SAR ve [departemanta politika] sa polisy avy any Beijing? Raha ilay voalohany ireo dia manao fihoaram-pahefana ny polisin'ny SAR ka tokony hitory any amin'ny vaomiera mpanara-maso ny polisy sy ny vaomiera misahana ny filaminana ao amin'ny vaomieran'ny mpanao lalàna. Raha ilay tranga farany kosa dia mbola mampatahotra injato lavitra ny toe-draharaha. Midika izany fa tapitra hatreo ny Firenena Iray, Rafitra Roa [10], saingy tonga eto Hong Kong ny polisin'ny Tanibe hamoritra ny fahafahantsika miteny.

Tamin'ny fahatongavany no nilaza i Li Keqiang fa hitondra vaovao mahafaly vitsivitsy (fanapaha-kevitra vitsivitsy heverina hanatsarana ny toe-karen'i Hong Kong). Ny mpanao gazety sady mpamaham-bolongana , Those were the days, no mamariparitra ny “fanomezana” ho “sakafoben'ny reniranom-poza [11]” [zh].  Ny voambolana “reniranom-poza [8]” moa no fitenin-jatovon'ny “fiaraha-monina mirindra [12]“.

昨天,只是李副總理訪港第一天,北京風味的打壓反對者的「河蟹全席」,只上了頭盤,未來幾天香港人還可以慢慢「享用」!

Omaly ny andro voalohan'ny fitsidihan'ny premier-lefitra Li Keqiang. Ny lesona voalohan'ny “sakafoben'ny reniranom-poza” fomban'i Beijing amin'ny famoretana izay tsy mitovy hevitra ihany no natolotra. Mbola hahalala ny tena tsirony ny mponina eto Hong Kong rahatrizay.

Anaty lisitra tadiavin'ny Polisy?

Martinoei manazava [13] [zh] ny tetikadin'ny polisy manafina ny fisamborana tsy ara-dalàna:

警察為咗掩飾自已膠,就話條友涉及2006年一宗交通事故,通緝緊,所以要拉佢。
首先,差佬點可能一眼睇出條友係通緝犯,但更膠係,你唔記得找你張牛肉乾,都可以係通緝犯。

Mba hanafenana ilay fihetsika adala nataony dia nilaza ny polisy fa tadiavin'ny polisy noho ny resaka fifamoivoizana. Izany no antony nisamborana azy.
Voalohany, tsy mampino raha fantatry ny polisy indray mitopy maso izy. Ankoatra izay dia tena mora ho an'ny olona tokoa ny ho tafiditra lisitra tadiavina raha toa ohatra ka nanadino nandoa onitra noho ny fanajanonana tsy ara-dalàna ny fiara.

況且牛肉乾未找而被通緝,好多時你交低罰款就走人。呢位著平反六四T恤人士可以被無條件釋放(唔係保釋),分分鐘係因為即場掟低三百二十元,咁咪解除通緝。警隊要膠,都咪咁膠,有國安入咗香港警隊,唔該從實招來。

Raha amin'ilay raharaha hoe “nokarohina” satria nametraka fiara tamin'ny toerana tsy fanaovana izany, ny hany ataonao dia ny mandoa onitra any amin'ny toerana fanaovana izany. Fa ity tovolahy miaraka amin'ny “t-shirt Valifaty 4 Jona” ity kosa, ny marina matoa izy nivoaka avy tao amin'ny paositry ny polisy tsy misy taratasy dia mety noho ny nandoavany ny onitra HKD320 [ambany kely noho ny 50 dolara US] izay manaisotra azy tsy ho ao anatin'ny olona tadiavina. Ity no fanafenan-javatra mahamenatra indrindra. Azafady miverena amin'ny tena lohahevitra raha toa ka miasa aty Hong Kong ny polisin'ny Tanibe.

Tao anatin'ny adihevitra [14] hita tanatin'ny lahatsoratr'i Martinoei no nanoratan'i Newbie:

感覺上, 中國人普遍非常認同呢種”非法逮捕”, 對果種所謂過程唔合法就應該導致証據無效既思想非常薄弱.
即係合唔合法都好, 先拉人進行大搜查外加嚴刑迫供, 只要最後搵到蛛絲馬跡証明被捕者可能犯咗小小法, 整個過程就馬上變成 “合法合情合理” 了. 當個個人都認同呢種思想時, 我係差佬我都濫權喇!
呢個民族, 根本無決心付出某啲代價去平衡權力, 唔搞到 xx 霸權當道就有鬼喇!

Hita fa maro ny Shinoa no manaiky ny karazana “fisamborana tsy manara-dalàna” tahaka izao ary tsy manohitra ny porofo nangonina tamin'ny tsy ara-dalàna.
Midika izany fa afa-misambotra sy mampijaly olona ry zareo, ary amin'ny alalan'ny porofom-pandikan-dalàna tsy misy dikany dia manjary “ara-dalàna, mety ary voamarina” ny ataon-dry zareo iray manontolo. Raha manaiky izany moa ny rehetra dia hanao izay rehetra tiany atao ny polisy.
Tsy vonona ny handoa ny lanjan'ny fifandanjam-pahefana ny Shinoa, izany no mampanjaka tokana ny XX [naoty: angamba mifandraika amin'ny Antoko Komonista Shinoa] .

Miteny i Magiccello:

香港公安學習能力真高. 強國的手段學會了. 維穩辦主任曾偉雄好快又升官發財了.

Mianatra ny fampatanjahana ny firenena amin'ny “rahalahiny” avy any amin'ny Tanibe ny polisin'i Hong Kong. Hisondro-boninahitra tsy ho ela i Tsang Wai Hung [15], lehiben'ny fitandroana ny filaminana.

Niteraka adihevitra lehibe tao amin'ny Facebook moa ity trangan-javatra ity ka nahatonga ny mpisera maro hilaza fa hitondra akanjo politika ka handehandeha eny an'arabe ry zareo mandritra ny fandalovan'i Li Keqiang any Hong Kong. Ny fankalazana ny fahazato taonan'ny Anjerimanontolon'i Hong Kong ny 18 Aogositra 2011 angamba no fotoana fanararaotra hamoahana izany (jereo ny Hetsika Facebook [16] [zh] ).