- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Libya: Tapatapaka ny fandaharan'ny fahitalavi-panjakana libyana

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Libia, Ady & Fifandirana, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Politika, Vaovao Mafana

Satria mihazakazaka ny fandehan'ny raharaha avy any Tripoli dia manely ny vaovao farany avy ao Libya ny mafana fo avy ao amin'ny valan-tserasera mba hahalalantsika marina izay mitranga ao.

Andy Carvin, manampahaizana momba ny tetikady avy ao amin'ny NPR no iray amin'izay manazava ny toe-draharaha. Tamin'ny siokantsera faramparany no nanamarihany:

@acarvin [1]: Not confirmed. One of many rumors. Captured, dead, fled, hiding. RT @technosailor: Gaddafi captured. Is this confirmed? #libya #tripoli

Tsy voamarina. Iray amin'ny honohono miely. Voasambotra, maty, nandositra, miafina. RT @technosailor: Voasambotra i Gaddafi. Voamarina ve ?

TV-mpanjakana Libyana tsy mandeha. Saripika Sultan Al Qassemi

Sultan Al Qassemi, izay misahana ny vaovao avy any amin'ny Emirà Arabo Mitambatra, no iray amin'ny loharanom-baovao azo itokisana avy any Libya. Nozarainy [2] ny dikampikantsary hita amin'ny fahitalavi-panjakana Libyana amin'izao fotoana izao.

@SultanAlQassemi [3]: Al Arabiya: Libyan State TV broadcast disrupted #Libya

Al Arabiya: Tapaka ny fampielezan-tsarin'ny fahitalavi-panjakana Libyana #Libya

@SultanAlQassemi [4]: Breaking Al Arabiya: The Libyan revolutionaries flag has been raised on Tripoli's government buildings #Libya

Vaovao farany Al Arabiya: Mihofahofa amin'ny tranom-panjakana ao Tripoli ny saina revolisionera Libyana #Libya

Iverenana indray ny ao amin'ny Twitter, mihamitombo ny tsinjatsinjaka an-tserasera rehefa mifampizara ny eritreriny sy ny torapony amin'ny fivoaram-baovao ao Libya ny mpisiokantsera.

Maneso ilay Libaney Hilal Chouman:

@hilalchouman [5]: My dad comment on #Libya: “The hulk is down”. lol.

Torapon'ny raiko momba an'i Libya: “Niongana ilaihaka” tpt

Mandritra izany fotoana izany dia miandry porofo ilay mpikatroka Kiorda Britanika Ruwayda Mustafah:

@RuwaydaMustafah [6]: Take a breather everyone. Waiting to receive image + footage of Gaddafi's body & son being imprisoned. #Libya

Aoka samy hisefo kely ny rehetra. Miandry sary sy horonantsarin'ny fatin'i Gaddafi syny zanany migadra. #Libya

Ary mamehy ilay Ejipsiana Mona El Tahawy:


@monaeltahawy
: The real #Libyan revolution is about to end #Gaddafi's reign of butchery before he celebrates 42nd anniversary of his fake “revolution.”

Hofaranan'ilay tena revolisiona Libyana ny fitondram-pandripahan'olon'i Gaddafi mialoha ny hankalazany indrindra ny “revolisionany” sandoka

Aza miala hanarahanao ny vaovao hafa avy any Libya.