Satria mihazakazaka ny fandehan'ny raharaha avy any Tripoli dia manely ny vaovao farany avy ao Libya ny mafana fo avy ao amin'ny valan-tserasera mba hahalalantsika marina izay mitranga ao.
Andy Carvin, manampahaizana momba ny tetikady avy ao amin'ny NPR no iray amin'izay manazava ny toe-draharaha. Tamin'ny siokantsera faramparany no nanamarihany:
@acarvin: Not confirmed. One of many rumors. Captured, dead, fled, hiding. RT @technosailor: Gaddafi captured. Is this confirmed? #libya #tripoli

TV-mpanjakana Libyana tsy mandeha. Saripika Sultan Al Qassemi
Sultan Al Qassemi, izay misahana ny vaovao avy any amin'ny Emirà Arabo Mitambatra, no iray amin'ny loharanom-baovao azo itokisana avy any Libya. Nozarainy ny dikampikantsary hita amin'ny fahitalavi-panjakana Libyana amin'izao fotoana izao.
@SultanAlQassemi: Al Arabiya: Libyan State TV broadcast disrupted #Libya
@SultanAlQassemi: Breaking Al Arabiya: The Libyan revolutionaries flag has been raised on Tripoli's government buildings #Libya
Iverenana indray ny ao amin'ny Twitter, mihamitombo ny tsinjatsinjaka an-tserasera rehefa mifampizara ny eritreriny sy ny torapony amin'ny fivoaram-baovao ao Libya ny mpisiokantsera.
Maneso ilay Libaney Hilal Chouman:
@hilalchouman: My dad comment on #Libya: “The hulk is down”. lol.
Mandritra izany fotoana izany dia miandry porofo ilay mpikatroka Kiorda Britanika Ruwayda Mustafah:
@RuwaydaMustafah: Take a breather everyone. Waiting to receive image + footage of Gaddafi's body & son being imprisoned. #Libya
Ary mamehy ilay Ejipsiana Mona El Tahawy:
@monaeltahawy: The real #Libyan revolution is about to end #Gaddafi's reign of butchery before he celebrates 42nd anniversary of his fake “revolution.”
Aza miala hanarahanao ny vaovao hafa avy any Libya.