- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tontolo Arabo: “Assad, Ianao no Manaraka an'i Gaddafi!”

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Libia, Syria, Ady & Fifandirana, Mediam-bahoaka, Politika, Vaovao Mafana

Eo andala-pahataperana haingana ny fitondran'ny mpitari-tolona Libyana Muammar Gaddafi, dia mivantana any amin'ny filoha Syriana Bashar Al Assad indray ny fampitandreman'ny mpisera Twitter ary mitaky ny hialany amin'ny fitondrana ihany koa.

Misiokantsera i Sultan Al Qassemi avy any amin'ny Emirà Arabo Mitambatra:

@SultanAlQassemi [1]: Are you watching Bashar? You're next. #Syria

Mijery ve ianao ry Bashar? Ianao no manaraka. #Syria

Manohana izany ilay Libyana Libeeya:

@Freedom_7uriyah [2]: All i've got to say to Assad is watch #Libya closely, ur next. #AssadLies will get u nowhere

Ny zavatra hany lazaiko amin'i Assad dia ny hijery akaiky ny any #Libya. Anjaranao ny manaraka. Tsy mitondra anao mankaiza ny lainganao

Mampitandrina i Picasso Kat :


@Picassokat
: Assad can you hear foot steps? Gaddafi's fate will be decided within hours & then all the eyes in the world will focus on you #Syria #Libya

Assad mandre famindran'olona [manatona] ve ianao? Ora vitsy sisa no iandrasana izay hanjò an'i Gaddafi dia hitodika any aminao indray ny mason'izao tontolo izao.

Manontany ny mpanao gazetin'ny CBS Toula Vlahou:

@ToulaVlahouCBS [3]: What's Syria's Pres. #Assad thinking as he watches #Libya fall?

Inona izao no eritreretin'ny filohan'i Syria #Assad mijery ny fianjeran'i #Libya?

Manome torohevitra an'i Assad i Terrorist Donkey:

@TerroristDonkey [4]: #Assad you should record few speeches just like #Gaddafi because your day is coming. #Syria #Libya

Assad, tokony handrakitra kabary vitsivitsy tahaka an'i Gaddafi koa ianao satria ho avy koa ny andro

Ary nisiokantsera toy izao ilay Syriana Maysaloon:

@Maysaloon [5]: There is one man watching events in Libya very closely tonight. Bashar al Assad #Syria

Ary misy lehilahy iray mijery akaiky ny zavamisy any Libya amin'izao alina izao. Bashar al Assad #Syria

Assad ve izany no mpitondra Arabo fahaefatra hianjera aorian'i Gaddafi, ilay Toniziana Zine Al Abedine Ben Ali ary ilay Ejipsiana Hosni Mubarak? Aza miala hanarahanao ny torapo hafa avy ao amin'ny valan-tserasera.

Hajiantsarin'ny filoha Syriana Bashar Al-Assad, avy amin'i Fabio Rodrigues Pozzebom / ABr [6] (Efa azon'ny rehetra ampiasaina amin'ny alalan'ny Wikicommons).