Miely ao amin'ny Twitter ny fahatsiarovana an'i Mohammed Nabbous, mpanorina ny televiziona Libyana AlHurra TV. Maty nandritra ny fifampitifirana nalainy sary tamin'ny 19 Marsa i Nabbous.
Fantatra amin'ny hoe “Mo” ho an'ireo mpankafy azy, notaterin'i Nabbous ho an'ny mpijery sy mpihaino azy manerantany ny famoretana nataon'i Muammar Al Gaddafi tamin'ny [fonenan'ny] mpanao fihetsiketsehana. Avy tao amin'ny Fahitalavitra AlHurra mandeha mivantana [amin'ny aterineto] sy nandritra ny resadresaka nifanaovany tamin'ny gazety iraisampirenena maro no nilazany tamim-pahatsorana ny zavamisy tany amin'izay nitoerany tao Benghazi.
Araka ny nolazain'ny mpankasitraka azy moa dia mankalaza ny fivoaran'ny toe-draharaha any Libya ny fanahin'i Nabbous.
Mametraka naoty i Andy Carvin ao amin'ny NPR:
@acarvin: Mo Nabbous, wherever you are: it looks like you're winning the battle. And your candle never went out, because it's everywhere.
Siokantseran'i Ali Hashem ao amin'ny Al Jazeera:
@alihashem_AJA: In this day I would like to remember the great Mohammed Nabbous, I am sure you r watching them from the skies with a smile…RIP hero
Miteny i Elisabeth D-Nilsen:
@bettan13: Impossible to watch todays events without thinking about Mo Nabbous! RIP! You did not lose!! #Libya #Tripoli
Ary mahatsiahy i Friedrich Kauder:
@fkauder: I remember watching Mo Al Nabbous’ first broadcast. His dream is finally coming true. #Tripoli #Libya