Miditra any Tripoli renivohitry ny firenena ny revolisionera Libyana. Miavaka mihitsy ny fientanetanana an-tserasera, miaraka amin'ny fitabataban'ny Twitter feno hiaka sy horakora-pifaliana manisa ny segondra farany hiandrasana ny fialan'i Gaddafi eo amin'ny fitondrana. Miely ny feo fa efa nametraka ny fitaovam-piadiany sy nitolo-batana ny andia-miaramila misahana ny fiarovana azy.
Siokantseran'i Blake Hounshell ao amin'ny Foreign Policy[politika ivelany]:
@blakehounshell: GAME OVER. #Libya
Ampian'i Shabab Libya:
@ShababLibya: Martyr's square formally known as ‘green’ square is now home to Freedom Fighters. Game Over
Mizara izay sombiny hitany amin'ny fahitalavitra mivantana avy any Tripoli ihany koa ny mpisiokantsera.
Manoratra i Hind Hassan:
@hindhassan: Can hardly hear @SkyNews Alex Crawford speak because of celebrations, sound of car horns, gunfire & fireworks behind her #Libya #Tripoli
Manonona izay lazain'i Crawford i Andy Carvin mpanao tetikady ao amin'ny NPR :
@acarvin: “They feel liberated. Fireworks going off, guns going off, truly an amazing site.” -Alex Crawford, Sky #libya
@acarvin: Crawford: “This is going to be the biggest party tripoli has ever seen. Look at these people – do they seem worried?” #libya
Manam-baovao hafa ihany koa i Brian Whitaker ao amin'ny Guardian:
@Brian_Whit: Numerous reports claiming Said Gaddafi has been captured. Can't confirm. #libya
Raha mbola manontany i Evan Hill ao amin'ny Al Jazeera:
@evanchill: So I'm heading into west Libya in a couple days. I wonder who'll be running the country by then.
Mandritra izany fotoana izany i Cindy A. no mizara ny fihetseham-pony izay ao amintsika amin'ity alina ity:
@Organica_: I wish there were more Libyans on Twitter. I'd give them all hugs. #Libya #Tripoli #Greensquare
Aza miala hahitanao ny vaovao farany.