Trinite & Tobago: Fahatsiarovana An'i Profesora Julian Kenny

Ny Talata lasa teo, 9 Aogositra,Trinité  sy Tobago dia very tia tanindrazana irayJulian Kenny Profesora momba ny valan-javabohary tao St. Augustine  Augustine ao amin'ny Oniversite an'i West Indies, fa efa nisotro ronona, natoralista,  Senatera tsy miankina teo aloha tamin'ny Parlemanta  fahadimy sy fahaenin'ny Repoblikan'i Trinité sy Tobago, mpanoratra , mpanao lahatsoratra an-gazety, mpaka sary sy nahazo ny  Medaly lehibe Chaconia (Volamena ) noho ny fiarovana ny tontolo iainana , maty teo amin'ny faha 81 taonany. Ilay vaovao mampalahelo dia niparitaka be teo  noho eo tamin'ny alalan'ny filazam-baovao ara-piarahamonina, miaraka amin'ireo mpianatra teo aloha nandefa lahatsoratra ho fanomezam-boninahitra noho ny lova navelany sy ireo mpiara-miasa aminy ary ireo mpankafy naneho  ny fanajàny tamin'ny alalan'ny Facebook



Profesiora Julian Kenny.  Sary nampindramin'ny  Guardian Life Wildlife Fund. Kenny no lehibe mpitarika ny fitantanam-bola tao amin'io Tahirim-bola io”  nanomboka ny taona  1995 ka hatramin'ny  2001.

Twitter no sehatra nanehoan'ny Trinbagoniana mponin'ny aterineto ny hatairany sy ny alahelony tamin'ilay vaovao . Na dia ny olon'ireo filazam-baovao mahazatra aza dia nampiasa ilay vohikala hibitsihana momba ny fahafatesan'i Kenny koa, nefa ny  fa ny ankabetsahan'ny bitsika tena nanohina dia avy amin'ireo olona izay nahafantatra azy na maneho fanajàna tamin'izay nataony ho an'i Trinité sy Tobago,  izay, ankoatra ireo zavatra hafa, dia ao ny fanaraha-maso ny ambany ranomasina ao Tobago sy fanaovana sarintanin'ireo vato ‘recif’ any an-dranomasina ao Buccoo, ary ny fanosehany mafy ny fanaovan-dalàna ho Fanomezan-danja sy Fiarovana ny Fari-dranomasina ka eo ambanin'izay no ametrahana ny faritra misy vato ‘recif’ ho faritra voaaro.

“Buccoo Reef” na ny vato ‘recif’ ao Buccoo, avy amin'i  the queen of subtle , nampiasaina   teo ambany famoronana miaraka amin'ny fahazoan-dalana.

@fudgie8: Mandria am-piadanana Profesora Julian Kenny.  Tiako ireo lahatsoratrao ary ny sasany tamin'ireo fandraisanao anjara lehibe dia hanova ny fisainan'ireo Trini (olona avy ao Trinité syTobago)

@NaeromNallih: Cadena Sport dia nanome voninahitra ny fiainan'i Profesora Julian Kenny, izay maty vao maraina androany . 81 taona izy . Jereo hoe iza marina moa izy …. http://fb.me/ZXmulyLM….

@HaydnDunn: Ny Mpitantana ny EMA, ary io mpiaro ny tontolo iainana eto amin'ny firenena io , Profesiora Julian Kenny, dia nodimandry . Mandria Am-Piadanana.

@meppublishers: Tena nalahelo mafy izahay nandre ilay fahafatesan'i Profesora Julian Kenny – Lehilahy be fahalalàna, sy mahitsy … http://fb.me/13K7WU3TN

Ho valin'ilay bitsika nalefan'i @richjob nanambara ny fahafatesan'i Kenny, @racheltnt namaly :…..

Andray, mampalahelo ! Mandria am-piadanana RT (Avy amin'ny mpamoaka lahatsoratra: ny RT dia fanafohezana ny Re-Tweet, ary azo adika hoe ‘avereno alefa ny bitsika’ na koa hoe ‘ampitao ny hafatra’, na koa ‘hafatra naverina nalefa’) @richjob Mpiaro ny tontolo iainana,  maty i Julian Kenny http://t.co/yZjy4LT

…raha hoy i @macmark:

@richjob: Maty i Julian Kenny, Mpiaro Tontolo iainana  bit.ly/qXNAjh – lehilahy miavaka sady mpaka sary.

Manana zavatra maro ambara koa ireo  bilaogera . FURTHER THOUGHTS dia nahatsiaro :

Avy aminy no nipoiran'ny hevitra nitsanganan’ ny UWI Biological Society tamin'ny taona  1987 tany ho any,  hetsika izay tsy hoe fotsiny namorona asa maro ho an'ireo manampahaizana manokana momba ny tontolo iainana tao Trinité sy Tobago ihany, fa nanampy tamin'ny fanovàna ny fitazonana ny  fanalan'andro ‘Frantsay Kiriolona’ ho lasa raharaham-pirenena tanteraka. Lova navela tsy mahazatra ho an'ny olona izay tsy teraka tao anaty ‘fiarahamonin'ny fotsy’ sangany, fa koa olona izay toa miahiahy mafy ny amin'izay mety ho tombontsoa hiezahana hitahiry izao zavatra rehetra izao. Kanefa, nampianariny hanome lanja sy hitia ny natiora ny olona. Ary na dia kely ihany aza ny finoany amin'ny hahafahan'izy ireo hanohitra ny onjan'ny fanimbàna,  ny fitiavana ny natiora naraikiny tamin'ny mpianany dia ampy hanosika azy ireo hanandrana hitandrina.

Raha fanta-daza  tamin'ny asa fiarovany ny tontolo iainana i Kenny, gspottt kosa dia nahatsapa ny fandraisany anjara lehibe ” tamin'ny naha senatera, mpanao gazety ary mpahay siansa azy  “:

[Kenny] mazàna dia nijoro niaro ny maha-olombelona an'ireo  GLBT ….nampiaka-peo izy tao amin'ny  Antenimiera momba ny tsy fametrahana ny mikasika ny fironana ara-pananahana ho ao anatin'ny “Lalànan'ny Fitovian-Jo”.  Vao haingàna mihitsy, nanomboka ny 18 Oktobra ka hatramin'ny 8 Novambra ny taona lasa teo , nanoratra karazan-dahatsoratra an-gazety efatra lehibe momba ny siansa natoralin'ny fironana ara-pananahana izy.

Farany , B.C. Pires nizara ny eritreriny :

Ny fahalasanan'ny olona tsirairay dia mampahatsiaro ny tenako ho bitika, marina izany, satria aho dia olombelona ihany, toy ny fahitan'i John Donne azy, nefa ny fahafatesan'ny olona sasany dia mampahatsiaro ny tenako ho tena  bitika miohatra amin'ny sasany. Maty omaly ny Profesora Julian Kenny,  80 sa 81 taona, ary mety hisy fifamaliana, anio, momba ny hoe iza no olona manampahaizana indrindra ao Trinidad. Izay fotoana rehetra azontsika taminy dia tombony lehibe ho antsika rehetra. Tsarovy ny vady navelany, izay miaina irery, ankehitriny, ao amin'ny tokantrano izay naharitra mihoatra noho ny fahavelomana maro. Misy olona miaina ao anaty fahabangana goavana noho ny hafa; misy lavaka mangotanatàna ao Trinité.

Ny fandevenana an'i  Profesora Kenny dia heverina hatao ny fiandohan'ny herinandro manaraka izao.



Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.