- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tonizia: ” Mitaky Fitsarana Mahaleotena ny Vahoaka”

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Tonizia, Fanoherana, Fitantanam-pitondrana, Lalàna, Politika

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny fandrakofana manokana ataonay momba ny  Revolisiona ao Tonizia  2011 [1].

“Mitaky fitsarana mahaleotena ny vahoaka” io no hevi-dehibe nohindrahindraina  tato ho ato teny amin'ny araben'i Tonizia.

Io hetsi-panoherana io dia vokatr'ilay famotsorana ireo minisitra roa avy amin'ny fitondrana teo aloha voarohirohy tamin'ny resaka kolikoly. Ny herinandro lasa teo, navotsotry ny fitsarana ny minisitry ny Fitaterana teo aloha  Aberrahim Zouari sy ny minisitry ny fitsarana Bechir Tekkari, izay samy nolazaina fa tsy meloka. Zouari tao aorian'io dia niakatra fitsarana nohadihadiana noho ny raharaha kolikoly hafa.

Protest in downtown Tunis on August, 8. Banner Reads "People Want Independent Judiciary", Photo by Nacer Talel Shared vis his Facebook Page [2]

Hetsi-panoherana tao afovoan-tanànan'i "Tunis" ny 8 Aogositra. "Mitaky fitsarana mahaleotena ny vahoaka", sary nalain'i Nacer Talel nizara io tao amin'ny pejy Facebook-ny.

Ireo minisitra roalahy ireo dia voarohirohy ho nampiasa ny fahefana nanànany ho amn'ny tombontsoany manokana sy hahazoany tombony misimisy kokoa. Maherin'ny enim-bolana taorian'ilay fitakiana, mbola mila manatsara ny endriny ny  rafi-pitsarana taorian'ny taona maro nitondrany tena tahaka ny saribakoly teo am-pelatanan'ny fitondrana jadon'ny Filoha naongan'ny Toniziana Zine El Abidine Ben Ali.

Saida Agerbi, olona akaiky an'ilay Filoha naongana, voarohirohy tamin'ny kolikoly sy fitsikilovana ho an'ny fitondrana teo aloha, dia nahazo alalàna ny handao an'i Tonizia koa ho any Parisy, ary tsy nosakanan'ny manampahefana sy ny Seranam-piaramanidina tao  Carthage, Tunis.

Fahefam-ptsarana mahaleotena afaka ny hitondra eo anatrehan'ny fitsarana ireo manampahefana teo aloha nanao risoriso, ary ireo tomponandraikitra tamin'ny fahafatesan'ireo mpanao fihetsiketsehana am-pilaminana no tena fitakiana fototry ny vahoaka ao Tonizia.

Ito lahatsary YouTube ito, nalain'ilay bilaogera Leena Ben Mheni, dia mampiseho ny fivorian'ireo mpanao fihetsiketsehana tao afovoan-tanànan'i  Tunis ny 8 Aogositra 2011, ” Ny Demokrasia dia Adidy, Ny Fitakiana Nasionaly dia Adidy”, ary ny hiram-pirenena :

http://www.youtube.com/watch?v=l5Td9P_Uwxk&feature=player_embedded [3]

Erik Churchill, Bilaogera Amerikana iray mipetraka ao Tunis dia nanoratra [4] ny  5 Aogositra :

Nilona be ny mpampanoa lalàna vao nampàkatra fitsarana ireo olona ambony nanodidina an'i Ben Ali. Ny famotsorana ny minisitry ny fitaterana  teo aloha ny Alakamisy teo, Aberrahim Zouari, izay voampanga ho nanao kolikoly nandritra ny fotoana lava naha teo amin'ny fitondrana azy, dia nahatonga fahasorenana tamin'ireo mafana fo ao amin'ny aterineto.

Toy ny faniratsirana ny revolisiona no fahitàn'ireo mafana fo izany, porofon'ny tsy fahavitan'ny fanjakana manavao ny lalampanorenana izay misy ifandraisany akaiky amin'ny kolikoly nitranga fony fitondrana teo aloha.

Abderrazak Guirat, bilaogera iray ao amin'ny Nawaat, nanoratra hoe [5] [ar]:

الحقوقيّين و آلاف التونسيين من الذين تظاهروا و اعتصموا سابقا مازالوا يطالبون بمحاسبة كلّ المسئولين الذين أهدروا المال العام أو تلوّثت أيديهم بدماء الشهداء أو كانوا سببا في سجن الأبرياء و تعذيبهم…غير أنّ الكثير من الأسماء التي يشار إليها تصريحا لا تلميحا، بقيت دون ملاحقة أو مساءلة
Ireo mpisolovava maro sy Toniziana an'arivony naneho hevitra, ary nitokona, dia mbola mangataka ny hampàkarana fitsarana ireo izay nandànilany foana ny volam-bahoaka, sy nandoto ny tànany tamin'ny ràn'ireo maritiora, na koa ireo tafiditra amin'ny fanagadràna sy fampijaliana olona tsy manantsiny…Na dia izany aza, anarana maro no voatonotonona tao, nefa tsy misy voahenjika na voaheloka

Ny herinandro lasa teo, nandalo fotoan-tsarotra ny Toniziana. Mifandimby miseho ny vaovao ratsy. Ramatoa Saida Agrbi, vehivavy fantatra fa tamin'ny fanaovany kolikoly sy tamin'ny fiandaniana tamin'i Ben Ali sy ny vadiny[…] Minisitra roa fanta-daza amin'ny heloka nataony tamin'ny vahoaka Toniziana teo ambany fitondran'i Ben Ali no navotsotra […] Naneho hevitra mikasika ireo fivoaran-draharaha mampalahelo ireo ny Toniziana. Fitorevahana kely no nokarakaraina teo anoloan'ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany tao Tunis. Ny mpisolovava sasany nandray fitenenana dia nilaza ny toe-draharaha misy amin'izao fotoana ao amin'ny firenena sy ny ilàna ny fanohizana ny revolisiona. Fihetsiketsehana iray no nokarakaraina androany tao an-drenivohitra ary nilahatra nizotra teo ivelan'ny tranoben'ny fikambanamben'ny mpiasa Toniziana ka hatrany amin'ny Lalàmbe ao Tunis ary nijoro teo anoloan'ny trano  fanaovana  tantara an-dampihazo ary nihiaka fahafahana.

Ny fitsarana tsy natrehan'i Ben Ali, sy ny vadiny, dia tsy nahafa-po ny olona, koa satria maro no manasokajy ilay fitsarana ho toy ny ” tantara an-dampihazo” raha mbola tsy mahavita ny hanery an'i Arabia Saodita handraoka ny filoha teo aloha sy ny vadiny mipetraka ao Jeddah.

Banner reads "People Want Independent Judiciary. Cleansing, Cleansing, Cleansing, Starting with Justice Minister Chebbi. Get Out!". Photo by Afef Abrougui on Flickr. [6]

Sora-baventy mivaky hoe "Mitaky fitsarana mahaleotena ny vahoaka. Fanadiovana, Fanadiovana, Fanadiovana, manomboka amin'ny Minisitry ny fitsarana Chebbi. Mandehana miala any!". Sary nalain'i Afef Abrougui tao amin'ny Flickr.

Ny Minisitry ny fitsarana dia nanandrana im-betsaka ny hanao izay handresena lahatra ny vahoaka fa hoe mahaleotena ny fitsarana ao Tonizia ary manao izay ho afany hitazonana ireo izay nangalatra ny volam-bahoaka tamin'ny andron'i Ben Ali, sy ireo tompon'andraikitra tamin'ny famonoana ireo mpanao fihetsiketsehana nandritra ny revolisiona. Izay zavatra tsy naharesy lahatra, na ireo bilaogera, na ireo mpanao fihetsiketsehana

Sarah nanazava hoe [7] [fr]:

Toujours selon le communiqué du ministère de la justice, la magistrature ainsi que les juges d’instruction sont totalement indépendants depuis le 14 janvier. Dans ce cas, deux hypothèses se présentent : soit ceux qui étaient en charge du dossier sont irresponsables et incompétents et il faut les virer, soit notre justice est totalement pourrie et la chute de l’ancien régime traînera la chute de plusieurs juges, magistrats et avocats corrompus. Personnellement, j’opte pour cette seconde hypothèse

Mbola araka ilay  “communiqué (fampitam-baovao)” avy amin'ny Minisitry ny fitsarana ihany, ny fitsarana , toy ireo  mpitsara mpanao famotorana, dia efa  mahaleotena tanteraka nanomboka ny 14 janoary. Raha izay,  dia misy petra-kevitra roa. Na ireo tomponandraikitra amin'ny fikirakirana ireo taratasy ireo tsy mandray ny andraikiny, sy tsy mahomby, ary tokony ho esorina amin'ny toerany, na kosa tena voaloto tanteraka ny fitsarana eto amintsika, ka ny firodanan'ilay fitondrana teo aloha dia hitondra amin'ny firodananà mpitsara, “magistrat”, ary mpisolovava maro. Raha izaho manokana, dia aleoko ilay petra-kevitra faharoa.

Ny hafa misafidy ny hanao sangy zary tenany momba ny fitsarana Toniziana, amin'ny fampitahana azy amin'ny an'i Ejiptiana…..

@The_Fan nibitsika hoe [8] [ar]:

خبر عاجل: حسني مبارك ونجليه ووزرائه يطالبون بمحاكمتهم بتونس #justicetunisie #tunisie LOL
Vaovao mafàna: Hosni Mubarak, ny zanany, sy ny minisitra dia te ho tsaraina ao Tonizia

Nandritra izany, ireo mponin'ny aterineto ao Tonizia dia nampiasa ny haino amanjery sosialy hiantsoina fihetsiketsehana hafa. Fihetsiketsehana antsoina hoe “Mitaky fitsarana mahaleotena indray ny vahoaka”, no nalefa tao amin'ny Facebook, ary tokony hitranga ny alin'ny sabotsy lasa teo [13 Aogositra ]
Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny fandrakofana manokana ataonay momba ny  Revolisiona ao Tonizia  2011 [1].