Palestina: Fiara Mpitrongy Tany Israeliana Nahazo Tsiny Noho Ny Fanapahany Ny Fifandraisan-davitra ao Gaza

Nipoitra teto amin'ny aterineto ny vaovao mikasika ny fahanginana tanteraky ny fifandraisan-davitra tao Gaza. Teo amin'ny Twitter, nanome tsiny ny fiara mpitrongy tany Israeliana noho ilay fahatapahana ireo mpampiasa twitter. Ireto ny sasany tamin'ireo resadresaka.

Ilay Ejiptiana Mohamed El Dahshan no isan'ny voalohany namoaka ilay vaovao tamin'ny bitsika:

@TravellerW: VAOVAO MAFANA- Nosimbàn'ny fiarabe israeliana mpitrongy tany ny tariby, NY FIFANDRAISANA REHETRA mihitsy – finday, telefaonina mampiasa tariby, aterineto -avy any Gaza! http://t.co/ASIIQ1W #Palestine

Manazava i JalalAK_jojo:

@JalalAK_jojo: Fanamarihana: Efa saika ho adin'ny 6 izao no tapaka tanteraka tampoka ny  fifandraisana ao Gaza noho ny nataon'ireo fiara mpitrongy tany Israeliana tamin'ny tambajotram-pifandraisana

Sahiran-tsaina ihany koa ilay mpanao gazety Israeliana Joseph Dana :

@ibnezra: Raha araka ny vaovao eo amin'ny twitter, dia notapahana ny fifandraisana avy any Gaza. Tsy mazava tsara raha i Israel no nanapaka azy.

Avy any Jordania, nojeren'i Ali Abunimah raha afaka mamaky ny hafany ireo Palestiniana namany:

@avinunu: Ry namako any Gaza mahavaky an'ity ve ianareo? Tatitra hoe notapahan'Israely ny fifandraisana amin'ny antso rehetra/aterineto

Maneho olana mitovitovy amin'izany ihany i Benjamin Doherty:

@bangpound: Manamarina ireo namako mpandefa bitsika avy ao Gaza aho ary tsy misy na iray aza niteny na inona na inona tato anatin'ny ora farany…

Ary namaly i Andy Carvin, mpanao paikady ambony ao amin'ny NPR:

@acarvin: @bangpound Fikarohana ifotony ao amin'ny Twitter manodidina an'i Gaza. Tsy dia misy nivoaka. https://twitter.com/#!/search/near%3A%22gaza%22%20within%3A10mi

Avy any Amerika, mandefa bitsika milaza ny andrana nataony hifandraisana amin'ireo telefaona maro mampiasa tariby any Gaza i Darryl Li, fa tsy nahita vokatra.

@abubanda: Nanandrana niantso an-telefaonina tany #Gaza tamin'ny alalan'ny skype aho, isan'izany ny biraon'ny Firenena Mikambana, fa hafatra milaza hadisoana no azo — tsy misy na dia feon-kira aza

Hoy izy manohy:

@abubanda: Hatreto, izay finday nantsoiko tany #Gaza dia samy manome ny hafatra tsy fandehanan'ny tolotra.

Ary antsasak'adiny aty aoriana, hoy izy manampy:

@abubanda: Mbola tsy mahazo feon-kira foana any #Gaza, afa-tsy ny iray izay tena amin'ny sokajy ambony ao amin'ny biraon'ny Firenena Mikambana (tambajotra sep ?). Efa ho laharana >30, tariby & finday no nandramana.

Mandritra izany, tezitra i Leila ary miantso ny hanaovana hetsika:

@LSal92: Tsy mampino! Tena miezaka ny hanapaka tanteraka an'i Gaza amin'izao tontolo izao i Israely. Aok'izay ny fahanginanareo! Mitenena! #Gaza.

Anaty lahatsoratra fohy, manome tsiny (Ar) ireo fiarabe mpitrongy tany Israeliana ny Maan News noho ireo tariby trangana nitarika fahatapahana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.