- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ogandà: Lazain'ny Minisitra ho Mampiasa Valantserasera ny Mpanohitra Hanomanana Ady

Sokajy: Afrika Mainty, Oganda, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Politika, Teknolojia

Nikarakara ilay dia an-tongotra handeha hiasa [1] ny antoko mpanohitra maromaro tany Ongandà tamin'ny  volana Avril tamin'ity taona ity, izay nahitana ny fitondran'ny filoha Yoweri Museveni mampihatra herisetra [2] amin'ny mpanao fihetsiketsehana tsy manam-piadiana. Ongandey 10 no matin'ny bala nandritra ny fihetsehana an-tanàna.

Ny anton'ny hetsika moa dia noho ny fiakaran'ny vidin'ny solika sy ny sakafo. Taorian'ny volana vitsy nanginana, ny fiharatsian'ny toe-karena hatramin'ny volana aprily teo no hitan'ny mpanohitra hamelomana indray ny hetsika dia an-tongotra hiasa.

Tamin'ny alarobia 10 aogositra dia nanomana fivoriana tao Masaka, tanàna nahitana fahafatesan-jaza roa taona nandritra ny fihetsiketsehana iray, ny mpanohitra ao ambany fanevan'ny Activist for Change [3]. Mailaka dia mailaka ny polisy nanaparitaka ny mpitolona nialoha ny hahatongavan'ny mpitarika ny mpanohitra ny Dr. Kizza Besigye sy ny mpitarika politika hafa teo an-toerana.

[4]

Vehivavy Ogandey manohitra ny vidin'ny solika sy ny sakafo ao Kampala, Ogandà. Sary avy amin'i vote4africa.

Ora vitsy taorian'ny hetsika tao Masaka, dia nilaza ny minisitry ny filaminana Ongandey Muruli Mukasa tamin'ny gazety fa mpampihorohoro ny mpanao fihetsiketsehana [5] ary mampiasa Twitter, Facebook ary YouTube ny mpanohitra hanaovana fanentanana fanoherana ny mpitandro ny filaminana sy manomana ara-tsaina ny olona, indrindra fa ny tanora amin'ny fikomiana amim-piadiana”.

Haingana ihany koa ny valin-kafatra avy amin'ny Ongandey tao amin'ny Twitter.

@IDEASUG nilaza [6]s fa mampidi-doza kokoa noho ny vondrona mampihorohoro ny valantserasera:

@RosebellK i love liberalization-free mkt econ. Social media is fast becomg more dangerous than terror gps…#Al-socialmedia declared threat

Tiako ny fanalalahana – ny tsena malalaka. Vetivety dia mampididoza noho ny vondrona mampihorohoro ny valantserasera… Ambara ho loza mihantona avokoa ny valantserasera rehetra.

@awetaka noted [7]that the fact that Uganda government officials don’t use social media shows their fears are about something they know nothing about.

Ny marina tsy ahitana ny fitondrana mampiasa ny valantserasera dia noho ny tahony zavatra tsy ahalalany na inona na inona

@pjkanywa wondered [8] why government was quick to call protesters terrorists yet they have yet to put up a real trial for those who were behind the July 11, 2010 Kampala bombings that killed over 70 people.

Fa maninona ny fitondrana no mailaka miantso ho mpampihorohoro ny mpanohitra nefa ry zareo aza mbola hanangana fitsarana tena izy hitadiavana izay ambadiky ny fanapoahana baomba an'i Kampala izay nahafatesana olona mihoatra ny 70 tamin'ny 11 jolay 2010.

Nampitaha ny fihetsiky ny fitondrana anglisy taorian'ny rotaka tao Londres sy ny filazan'ny fitondrana Ogandey milaza ny valantserasera ho ‘mpampihorohoro’ manomana ady i @Opiaiya [9]:

Social media worries in #Uganda as former colony #Britain mulls net crackdown http://bbc.in/qpMnn1

mampatahotra ny valantserasera eto Ongandà ka amin'ny maha-zanatany anglisy azy dia eritreretina ny famotehana mivantana.

Ny mpanohitra ao Oganda no tsara fampiasa valantserasera kokoa noho ny governemant [10]a:

No doubt the Uganda opposition uses social media much better than the government. We have seen top opposition leaders updating their facebook and twitter accounts as they are in running battles with the police. But government’s reaction to social media has been slow ad hence they see the opposition having some good advantage in the race to put out information. I remember in April when the protests were on high, the presidential press secretary told the Guardian that they were not bothered about the impact of social media because “farmers in Uganda don’t know what it is.”

Tsy isalasalana fa mahay mampiasa ny valantserasera kokoa noho ny eo amin'ny fitondrana ny mpanohitra ao Ongandà. Efa nahita ny mpitarika mpanohitra milaza vaovao ao amin'ny kaonty Facebook sy/na Twitter aho mandritra ny fifananjehana amin'ny polisy. Saingy niadam-piasa momba ny resaka valantserasera ny governemanta ka hitany fa efa manana tombondahiny ny mpanohitra raha eo amin'ny hazakazaka fanomezam-baovao. Tsaroako tamin'ny volana Avrily raha niaka-danja ny fihetsiketseham-panoherana dia nilaza tamin'ny Guardian ny sekretera ao amin'ny fiadidiana ny repoblika (filohampirenena) fa tsy mampatahotra azy ny fiantraikan'ny valantserasera satria “tsy mahalala an'izany ny tantsaha any Ongandà”

Tamin'ny volana lasa, @dispatchug [11] namoaka tsongan'ny mpisera Twitter zato voalohany ao Ongandà [12]. Ny ankamaroan'izy ireo dia manampahaizana, mpanao politika ary olo-tsotra tia mamoaka vaovao izay liana amin'ny fampiasana ny sehatra hisian'ny adihevitra momba ny toerana misy ny firenena.

Ny Filoha Museveni ao amin'ny kaonty Twitter [13] dia mihoatra kely ny 1000 ny mpamaky azy.

Ny mpitarika ny antoko demokratika sady ea nirotsaka hofidiana ho filoham-pirenena Norbert Mao [14]ihany koa dia miezaka ny misiokantsera mandritra ny andro amin'ny ankapobeny. Eo ho eo amin'ny 900 eo ny mpamaky azy.

Olo-malaza ao amin'ny fanoherana hafa tahaka an'i @AnneMugisha [15] izay avy ao amin'ny Forum ho amin'ny Fiovana Demokratika dia manome vaovao farany hatrany ao amin'ny Twitter sy Facebook eny fa na dia mandritra ny fifanenjehana amin'ny polisy aza.

Ny tena malaza amin'ny mpitarika politika ao amin'ny fanoherana @KizzaBesigye [16] dia manana mpanaraka mihoatra ny 500 saingy tsy nahitam-baovao nandritra ny troa volana farany. Ny momba azy ao amin'ny Facebook [17] kosa dia ahitam-baovao hatrany.

Ny vondrona Activists for Change [3] koa dia hita mavitrika ao amin'ny Facebook [18] izay ahitana sary maro mampiseho ny herisetra ataon'ny polisy mandritra ny fihetsiketseham-panoherana.