Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny tatitray manokana momba ny Revolisiona Tonizia 2011.
Nirotsaka an-dalambe ireo mpanao fihetsiketsehana tao Tunis ny Alatsinainy teo (15 Aogositra). Tafiditra ho anisan'ny anton'ny fitakian-dry zareo ny fananganana
fitsaràna tsy momba ny atsy na ny aroa afaka hitsara ireo manampahefana mpanao kolikoly sy ny namono ireo “Mahery fon'ny Revolisiona”.
Ireo mpanao fihetsiketsehana dia mangataka koa ny hamotsorana tsy misy hatak'andro an'i Samir Feriani, mpanome vaovao sy mpiasam-panjakana ambony fahiny tao amin'ny Ministeran'ny Atitany tao Tonizia, izay any am-ponja hatramin'ny 29 May, taorian'ny namoahany taratasy roa tao amin'ny gazety an-tsoratra nilazany fa ireo olona mitana toerana ambony ao amin'ny Ministeran'ny Atitany no tompon'antoka tamin'ny famonoana ireo mpanao hetsika am-pilaminana nandritra ny Revolisiona Toniziana.
Noventesin'ireo mpanao hetsi-panoherana koa ny hoe “Mangataka ny handrodànana ny fitondrana ny vahoaka” sy ny hoe “Mitaky revolisiona indray ny vahoaka.”
@MouradMnif nibitsika hoe:
Mihetsika manohitra ny vahoaka ao #Tunisia mangataka FITSARANA mahaleotena,fahalalahan'ny MEDIA ary POLISY manaja lalàna. #ManifTunis #15aout
Tamin'ny Alatsinainy, nanatri-maso hetsi-panoherana telo tamin'ny fotoana mitovy ny tao afovoan-tananan'i Tunis, saingy ny iray izay tsy ny notarihan'ny Sendikan'ny Mpiasa Toniziana (UGTT), nizotra ho any amin'ny Lalambe manana n y maha-izy azy Habib Bourguiba, misy ireo tranoben'ny Ministeran'ny Atitany dia niafara tamin'ny fifandonan'ny polisy sy ny mpanao fihetsiketsehana.
Ilay bilaogera Bassem Bouguerra dia nizara lahatsary tao amin'ny YouTube mampitaha ireo hetsi-panoherana.
Nampiasa entona mandatsa-dranomaso ny polisy mba hanaparitahana ireo mpanao hetsi-panoherana. Nanambara ny Ministeran'ny Atitany fa nisy mpanao fihetsiketsehana iray nanomboka nandefa entona mandatsa-dranomaso, ka voatery namaly ny polisy.
@Wessimsara:la fete commence à l'aveniue RT @sameh_b: URGENT : Lacrymo devant le MI ça y est!!! #ManifTunis
@nayzek:Tir de lacremo à partir des minivan et voiture #maniftunis
Namaly tamin'ny tora-bato ireo mpanao hetsi-panoherana. Nisy ihany koa ny tatitra fa hoe nitoraka vato nankany amin'ireo mpanao hetsi-panoherana ireo polisy.
@ArouaBenSalah: En ce moment: Affrontements entre policiers et manifestants Avenue de Carthage #ManifTunis
@FDTL_OFFICIEL:les jeunes partent et reviennent et la police frappe avec des pierres #ManifTunis #15aout “Source: un militant #Ettakatol sur place “
Ny lahatsary manaraka avy ao amin'ny YouTube dia maneho polisy misintontsintona sy midaroka olon-tsotra iray tao afovoan-tananan-i Tunis, raha nanaparitaka ireo mpanao hetsi-panoherana izy ireo.
Tsy voalohany izao taorian'ny revolisiona toniziana no nisy polisy nanao herisetra taminà mpanao fihetsiketsehana. Tamin'ny volana lasa teo, tamin'ny fampiasàna kobay sy entona mandatsa-dranomaso no nanakanan'ny hery avy amin'ny mpitandro filaminana ireo mpanao hetsika am-pilaminana tsy hifamorimory tao an-kianjan'i Kasbah, izay ivon'ireo hetsi-panoherana tao Tunis renivohitra Toniziana. Ny hany maha-samihafa azy dia ilay hetsi-panoherana tamin'ny Alatsinainy nahasarika mpanao fihetsiketsehana maro, ary nahazo fanohanana nisinisy kokoa avy tamin'ny vahoaka.
Ny herisetra toy izany dia fampahatsiahivana amin'ireo Toniziana fa sarotra ny miala amin'ny mahazatra. Ireo Toniziana mponin'ny aterineto sady bilaogera dia namoaka ny fahadisoam-panantenan-dry zareo manoloana ny famoretana ataon'ny polisy. Indreto ny sasany amin'ny fanehoan-kevitra avy amin'izy ireo tao amin'ny Twitter:
@eyasliti:Police partout, Justice nulle part !! #maniftunis
@MedAliChebaane:Dans ce pays, il faudrait seulement manifester pour le Gouvernement.Toute autre contestation sera réprimée! Vous nous faites haïr le Pays.
@worldwideyes: La #Tunisie, un pays pris en otage par ses propres policiers #tunismanif
@Wessimsara:Tous Simplement : القمع متواصل وزارة الإرهاب لم تصلها الثورة بعد
Tsy mbola naharakotra afa-tsy Tunis renivohitra ny hetsi-panoherana, saingy nisy ny fihestiketsehana hafa nitranga tany amin'ireo faritany hafa tao Tonizia. Nitovy ny zavatra notakiana ary nianga avy tamin'ny fangatahana fitsarana mahaleotena ka tonga tamin'ny fialàn'ny Praiministra Béji Caid Sebsi.
Ity lahatsary manaraka tao amin'ny YouTube ity dia manasongadina ireo mpanao hetsi-panoherana tao amin'ny faritanin'i Béja (Avaratra-Andrefan'i Tonizia) miventy ny hoe “manantena fitsarana mahaleotena ny vahoaka”, “Mitroatra manoloana ny farasisan'ny mpanao didy jadona ny vahoaka” ary “tsy mivadika amin'ny ‘ràn'ireo maritiora” :
Androany, pejy Facebook iray antsoina hoe Voix du Peuple (Feon'ny Vahoaka) no nitatitra fa ireo mpanao hetsi-panoherana dia noràran'ny polisy tsy hifamorimory tao an-kianjan'ny Sendikan'ny Mpiasa Toniziana (UGTT) :
ليوم البوليس يغلق بطحاء الإتحاد العام التونسي للشغل ممارسات ارهابية قمعية، بإختصار بن علي مازال موجود في تونس.
Tantara mendrika no ho arahana ity satria ireo mpanao hetsi-panoherana tsy mbola ahitana mariky ny hakiviana izany, ary maro ireo hetsi-panoherana no mbola andrasana ato anatin'ny andro vitsy.
Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny tatitray manokana momba ny Revolisiona Tonizia 2011.