- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ejipta: Ny enti-milaza “mi-mubarak”

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Amerika Avaratra, Ejipta, Etazonia, Fahalalahàna miteny, Fanoherana, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka

Ny takarivan'ny alakamisy lasa teo dia nahatsikaritra ny mpandeha fiaran-dalamby BART [Bay Area Rapid Transit]  tao San Francisco, California fa tsy mandeha ny findainy. Ny ampitso maraina dia nandeha ny tsaho fa tsy nopihana novonoina ny fitaovana, ary tamin'ny folo ny BART no namoaka fanambarana [1] (efa noankotrihina avy teo), nanamafy fa tsy maintsy nopihana ny fitaovam-piseraserana tao amin'ny metro ho fiomanana amin'ny fihetsiketseham-panoherana hiseho.

Tamin'ny volana lasa teo dia nahavita nanakatona ny garan'ny BART ny mpikatroka tao an-toerana [2] ho fanoherana ny nitifirana an'i Charles Hill [3] (tandremo: sary mampihoron-koditra) sy i Oscar Grant [4].

Niteraka fahavinirana teo amin'ny vondrona sy mpikatroka miaro ny zon'olombelona ny nataon'ny BART, tezitra ihany koa ny Anonymous, izay niasa avy hatrany hanao hetsika tao amin'ny Twitter amin'ny alalan'ny #opBART. Ny alahady, novan-dry zareo endrika ny mybart.org. Nandritra izany fotoana izany, nokasaina ny hanaovana fihetsiketseham-panoherana [5] ny alatsinainy 15 aogositra.

Raha nandeha ary noho izany ny fihetsiketseham-panoherana tao San Francisco dia nahazo endrika ihany koa ny fiaraha-mientana Ejipsiana avy ao amin'ny Twitter. Nakorintsana ny tenifototra #MuBARTek ho fampitahan'ny Ejipsiana ny nataon'ny BART tamin'ny nataon'ny filoha ejipsiana teo aloha teo aloha Mubarak nanapika ny fitaovana fampiseraserana aterineto handemena ny fihetsiketsehana.

Tarek Amr (@gr33ndata) nanazava ny tenifototra [6] tamin'ny mpamakiny:

Raha toa mbola lasan'eritreritra ianao, eny, manana tenifototra maneso ny Ejipsiana izao tamin'ny fampitambarana ny #opBART tamin'ny vazivazy #Mubarak , ary dia lasa antsoina hoe #muBARTek

Nanampy [7] i Ahmed Kamal:

#opBART الهاش تاج هيبقي تريند ومفيش اي حد بيكتب عليه الا المصريين صباح الضحك يعني 😀
#opBART io tenifototra io no ironan'ny besinimaro ary tsy manoratra amin'io afa-tsy ny Ejipsiana ihany. Fiarahabana maraina ho fihomehezana 😀

@magyj nampitaha [8] ny fitantaran'ny fampahalalam-baovao ny fihetsiketseham-panoherana ny ataon'ny BART sy ny nataon'ny haino aman-jerim-panjakana Ejipsiana tamin'ny Janoary:

#OPBart tsy misy na inona na inona mandeha ao amin'ny CNN momba ny tao #SanFran !!! Mitovy amin'ny fampitam-baovao Ejipsiana tamin'ny #jan25 #MuBARTek

Ho fanasian-tsira [kivazivazy] kely ny resaka nanamarika [9] ny anjara toeran'i Mubarak i Gigi Ibrahim (@GSquare86) :

Mubarak's great achievement: a new verb “To Mubarak” to the english dictionary meaning to oppress&cut communication on ppl #MuBARTek #opBART

Zavabita lehibe nataon'i Mubarak: nampiditra ny enti-milaza “mi-mubarak” tao amin'ny rakibolana anglisy midika hoe manindry sy manapaka ny fifandraisan'ny olona #MuBARTek #opBART

Ho valin'ny fanontanian'i @3arabawy [10] miaraka amin'ny hanihany raha toa manana tambazotra any San Francisco ny mpanome tolotra finday ejipsiana Mobinil, I @SalmaNoshokaty no nanamarika [11] ny gafin'ny orinasam-pinday hafa malaza [12], “Ho fanazavana ny zava-nitranga farany, matoky aho fa manana i @VodafoneEgypt !”

Avy any Etazonia i Zeynep Tufekci (@techsoc) mamazivazy [13]:

Amin'ny manaraka ny BART handefa rameva sy jiolahimboto ao amin'ny garan'i Embarcadero. #OpBart #MuBARTek

Nampiany [14]:

Nanapa-kevitra tsy amin'ahiahy amin'ny tsy misy dikany ary amin'ny fandikan-dalàna ny BART hanakatona ny fampiasana finday ary dia mamaly tafahoatra ny fihetseham-pon'ny olona avy eo? Mamirapiratra e. #OpBart

Ary novalian'i [15] Rasha Abdulla :

@techsoc Averina indray, ilainay hatao ho heloka bevava ny fanakanana ny fifandraisana an-tserasera sy ny finday #OpBart #FreeSpeech