Nitondra hevi-baovao ity mpanao politika Zambiana ity mba hizara ny hafatra ara-politika sy ara-tsosialy ary ara-toekarena amin'ny alalan'ny horonantsary, na vlog araka ny fahafantaran'ny maro azy, mialoha ny fifidianana amin'ny 20 septambra. Nizara ny lahatsariny ao amin'ny YouTube izy.
Gongs Jhala, mpandefa lahatsoratra amin'ny anarana hoe TheGongster , manoratra ny fanavaozana nentiny:
I've come up with a novel idea to share my views on political and social-economic hot topics in the run up to the Zambian elections on 20 September 2011. Please leave me your suggestions in the comment section below or on Zambian Peoples Pact on Facebook.
Tamin'ny lahatsary voalohany indrindra, Intro To Gongs Political Vlog, mandrisika ny vahoaka izy mba hitsara ny ezaka ataony ary mba hilaza aminy raha hevitra tsara izy ity na fandaniam-potoana fotsiny ihany:
http://www.youtube.com/watch?v=W44Kmku20YQ&feature=player_embedded
Jhala, monina ao Royaume-Uni, dia mpiara-miasa mavitrika ao amin'ny Zambia People’s Pact, Facebook- resaka vondrona politika izay hifanakalozan-kevitra momba ny hevitra politika amin'ireo vondrona politika isan-karazany handray anjara amin'ny fifidianana manaraka izay misy fizarana telo indray miaraka, tafiditra amin'izany ny fifidianana filoham-pirenena, solombavahoaka ary fifidianana governemanta isam-paritra.
Nahazo ity fihetseham-po manaraka ity ny vlog voalohany:
I think its a great idea but we people in diaspora might have vested interest in mother zambia but we have no means of voting from this end. So these people (i.e. zed polititians) would have to put some kind off act for us zambians in diaspora to vote as well during general elections .
Horonantsary faharoa nataon'i Jhala, Zambiana monina ao amin'ny Diaspora Nangataka ahy mba Hangina, dia mifototra amin'ny fihetseham-pon'olona tao amin'ny “Dinan'ny vahoakan'i Zambia” raha nangataka ny hevitry ny mpiserasera hafa mikasika ny vlaogy nataony.
Nampahery ny fanehoan-kevitra avy amin'ny mpandray anjara izay heverina ho akaikin'i Zambia, ao Botswana, sy avy any Royaume Uni ihany koa.
This is good. You sound well fired up. Thanks for your effort on this issue of discriminating against Zambians in diaspora. I saw it in Zambia, witnessed it in Botswana and now UK. Only God knows why we do such things.
Mpandray anjara hafa nankasitraka ny ezaka nataon'i Jhala.
Well said Gongs. No need for Zambians to talk down at other Zambians. Differences of opinion should be respected regardless of political, religious or lingual orientation and affiliation. We all want the best for mother Zambia, ad-hominen attacks on each other will only sway us from the core issues that we should be focusing on . A better Zambia for every Zambian Considering that it is not easy even for established politicians, especially those in the opposition to make it on state-owned Zambia National Broadcasting Corporation TV which has national reach, vlogs may be the way to go in the future. Two other privately owned TV stations have limited reach.
Araka ny fanamarihana nataon'i ThandiEdumund, ny vlaogy indray no làlana mety harahina rahampitso.