- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Shily : Voasakan'ny Mpianatra Ireo Mpanao Fihetsiketsehana Mihoa-pefy

Sokajy: Amerika Latina, Shily, Fanabeazana, Fanoherana, Tanora, Vaovao Mafana

Efa hatramin'ny Aprily ireo Shiliana mpianatra mitokona manohitra ny fanavaozana ny rafi-pampianarana [1] no nifamory, ary ao anatin'ity video nalaina sy notontosain'i David Vega [2] ity dia azontsika jerena ny fomba nisamboran'izy ireo andian'olona misaron-tava izay saika hanao fanakanan-dàlana sy handoro azy ireny afo.

Eny fa na dia niezaka nadresy lahatra azy ireo aza ireo tia mandorondoro fa hoe ny fampiasan-kery no làlan-tokana, tamin'ny alalàn'ny fandresen-dahatra sy hiaka no nitenenan'ny mpianatra ireo izay nanafina ny tavany ka nirona hanao herisetra fa tokony hiala izy ireo.

MANIFESTANTES DETIENEN A ENCAPUCHADOS [2] avy amin'i Cinefilia [3] tamin'ny Vimeo [4].

Zava-dehibe hoan'ny mpianatra ny tsy manome ny fitondram-panjakana na ny miaramila antony hanaovana herisetra amin'izy ireo, tahakà ny efa nataony tamin'ireo andro teo aloha. Nofehezina tamin'ny fitifiran-drano matanjaka ny mpianatra, baomba mandatsa-dranomaso ary lasa navori'ny tafika mitaingin-tsoavaly toy ny andian'omby aza.

Shiliana Maro [5] no tohina amin'ity fampisehoana hery amin'ny mpianatra mitaky ny fanovàna ilaina amin'ny rafi-pampianarana azy ireo ity, izay natao ihany na dia efa maro aza ny porofo mazava toy ny Korontana tany Londona [6] mahatonga ny olona hisaina indray ny amin'ny tsy fananan'ny tanora asa ary ny fampianarana. Ny fanehoana fanohanana ny mpianatra dia tsy tany anaty tambajotra sosialy [7] fotsiny fa hatreny an-dalambe ihany koa niaraka tamin'ny “cacerolazos”, fihetsiketsehana mively vilany nokarakaraina isaky ny alina amin'ny 09 ora. Hitantsika amin’ ity video iray hafa ity [8] ny cacerolazo tamin'ny 4 Aogositra 2011 :

Cacerolazo 4 Aogositra 2011 [8] avy amin'i Jonathan Bravo [9] ao amin'ny Vimeo [4].