Tantara tamin'ny 15 Aogositra 2011
Sina: Nitokona Ireo Mpamily Fiarakaretsaka Sy Ireo Mpiasan’ ny Làlamby.
Onjam-pitokonana vaovao iray indray no nitranga tao Sina. Tamin'ity indray mitoraka ity dia tsy teo anivon'ireo mpasa mpifindra monina avy any ambanivohitra miasa aminà toeram-piasana tsy ara-dalàna ireny, fa teny anivon'ireo mpamily sy mpiasa amin'ny sehatra fitaterana an-tanàn-dehibe
Libia : Mitohy ny Fitotonganan'ny Maha Olombelona Amin'ity Ramadany ity
Mitohy ny fijalian'ny Libiana fepetra maha olombelona faran'izay mampivarahontsana satria mbola mavaivaiy ny ady ao amin'ny fireneny amin'ity Ramadany ity. Miainga amin'ny sakafo mankany amin'ny rano hatrany amin'ny solika ary ireo fahatapahan'ny herinaratra, hatramin'ny fandevenana ny havany maty sy ny tsy fahampian'ny vaovao marim-pototra amin'izay zava-miseho ao ambadiky ny tranon'izy ireo, izany no manamarina fa ho henjana tanteraka ity volan'ny fifadian-kanina ity.
Bangladesh : Teratany Sa Tsy Teratany, Izany No Fanontaniana
Volana vitsivitsy izay, olona teratany Bangladeshi maro no nidina an-dalambe hanao fihaonana, rojon'olonmbelona sy fifamoriana, mitaky ny fankatoavan'ny lalàmpanorenana ny mponina any amin'izy ireo. Manambara ny heviny koa ireo Bilaogera momba ity raharaha ity.
Zambia: Mitaraina sy Mandoka Amin'ny Làlana Elektronika
Dear Zambia ( na Ho an'i Zambia) dia tsy toy ny Vohikala mahazatra anao izay ny votoatiny dia ireo manampahaizana sady mpikaroka siantifika no mametraka azy ao andamosina ao. Mifanohitra amin'izay, ny ao anatiny dia novokarin'ireo Zambiana voan'ny tsika'ombalahy noho ny zavatra tsy manjary eto amin'ny firenena, na, koa , ireo tsy manan-javatra tsara hambara mihitsy mikasika zavatra iray sarobidy, indrisy.
Maraoka: Vohikala Miaritra Fisomparana DDoS

Niaritra fisomparana "distributed denial-of-service" (DDoS) na "tolotra voatsinjara nolavina" ny vohikalam-pitolomana maraokana Mamfakinch! ny andron'ny alahady 31 jolay 2011, ka nampikatso nandritra ny ora maromaro ny fidirana tao aminy. Efa miverina an-tserasera ankehitriny ny vohikala. Fa inona ny Mamfakinch! ary inona ny antony isomparana azy?