Rosia : Bilaogera Mahita Mpitifitra An-dàlambe

Nalaky be tokoa ny valinteny avy amin'ireo bilaogera tao amin'ny aterineto Rosiana taoroan'ny fampakàrana lahatsoratra sy vaovao momba an'i Dmitry Ternovsky , mpaka sary fanta-daza sy bilaogera[ru] izay nisy nitifitra tsy ela akory izay teny an-dàlambe tao atsimo-atsinanan'i Mosko.

Mibitsika mivantana ny fitifirana

Nibitsika mivantana zava-niseho iray manjavozavo nisianà lehilahy roa tsy fantatra nitifitra ny fiarany i Ternovsky[ru] :

Трое нерусских на мерседесе расстреляли мою машину за то что я снял их нарушение. Гонялись за мной и стреляли высунувшись из окна

Teratany vahiny telo, tsy Rosiana tao anaty Mercedes iray no nitifitra ny fiarako satria aho naka sary ny fandikàny lalàna. Nanenjika ahy izy ireo sady nitifitra tamin'ny basy avy eo ivelan'ny varavaram-pitaratra.

Номер Мерседеса, из которого стреляли: в294хк199

Ny laharan'ilay fiara Mercedes nitifirany ahy dia : в294хк199

Ny videon’ ny fitifirana dia nalefa ny 14 Jolay 2011, nakarin'ilayy mpampiasa YouTube ridusnews (Ternovsky no ao ambadik'ilay “Ridus News” vondrom-piarahamonina fanaovan-gazetin'olon-tsotra) :

Nampakatra sary momba ilay vodim-bàla koa i Ternovsky, izay hitany teo amoron-dàlana.

Cartridge case Ternovsky found after his car was shot at. Photo by Dmitry Ternovsky (YFrog)

Ny vodim-bàla hitan'i Ternovsky taorian'ny fitifirana ny fiarany. Sarin'i Dmitry Ternovsky (YFrog)

Taty aoriana, nitantara feno ny zava-nisy tamin'ny tafatafa iray niaraka tamin'i RIA Novosti i Ternovsky[ru] :

На светофоре большой длинный черный “Мерседес”, включил “крякалку” и решил встроиться в поток. Я сфотографировал этот автомобиль, он обогнал меня справа, водитель опустил окно, начал меня оскорблять, плюнул в меня и поехал дальше. Я догнал “Мерседес” – и плюнул в его сторону. После чего один из пассажиров высунулся в окно и начал стрелять в меня.

Teo amin'ny jiro fandrindram-pifamoivoizana dia, Mercedes lehibe iray, mainty lava nandika ireo famantarana ary nisafidy ny handika ny tsipiky ny fifamoivoizana. Nalaiko sary ilay fiara, nijanona teo ankavanako ilay izy, nampidina ny varavaram-pitaratra ilay mpamily ary nanomboka nanevateva ahy. Nororàny aho ary nosongonany. Notratrariko ilay Mercedes – ary nororàko nanandrify azy. Taorian'izay dia nihilana teo amin'ny varavaram-pitaratra ny iray tamin'ireo mpandeha tao ary nanomboka nitifitra ahy.

Rehefa nitatitra ny zava-niseho tao amin'ny tobin'ny polisy i Ternovsky, dia nibitsika fa tany am-boalohany dia toa nieritreritra ireo polisy fa tsy dia voakasik'ilay izy akory :

Возник вопрос у милиционера. Есть ли здесь состав преступления? Во мне дырок нет, на машине легкие вмятинки. “пойду почитаю закон” говорит

Polisy iray no nanontany, “Misy sa tsia ny fanaovana heloka bevava?” Tsy misy pentina ety amiko, ny fiara fotsiny no nisy pempo. “  Handeha aho ary hamaky ny lalàna” hoy izy.

Bilaogera manadihady

Taorian'ny fikarohana ny laharan'ny fiara, dia hitan'ny polisy fa nisoratra taminà vehivavy mpisolovava iray ao Mosko ilay fiara. Nahavita naka sary ireo lehilahy roa tao anatin'ilay fiara koa i Ternovsky. Nandeha avy hatrany nitaritarika ny tambajotran-tranonkalam-baovao ireo bilaogera, izay sary hita farany tena izy mitovy amin'ireo lehilahy ao amin'ny tranonkala Rosiana Odnoklassniki. Vokatr'izany, iray amin'ireo ahiahiana, i Grigory Chubrevich, 24  taona avy any Riga, no voatazona tao Mosko ny 15 Jolay, andro iray taorian'ny zava-niseho.

Ny 15 Jolay, Ternovsky dia nampakatra tao amin'ny bilaoginy [ru] fanontaniana maro mahakasika ilay zava-nitranga. Anisan'ny zavatra hafa, nanotany i Ternovsky hoe :…..On July 15, Ternovsky posted on his blog [ru] several questions he has concerning the incident. Among other things, Ternovsky wondered:…..Le 15 Juillet, Ternovsky posté sur son blog [ru] plusieurs questions, il a sujet de l'incident. Entre autres choses, Ternovsky me demandais:

Вчера вечером ребята нашли героя, сидевшего за рулем Мерседеса, на сайте одноклассников. Он отлично виден на втором (стоит справа), третьем и четвертом снимках, которые размещены здесь – http://ridus-news.livejournal.com/286436.html
Думается, что сотрудникам МВД надо как-то быстрее осваивать Интернет и поиск в социальных сетях. Пока мы часами рисуем фотороботы и просматриваем картотеки бандитов, участники преступления спокойно находятся через Интернет.

3. Omaly hariva ireo bilaogera dia nahita ilay mahery fo tao ambadiky ny familiana ilay Mercedes tao Odnoklassniki [Tranonkala Rosiana iray ho an'ireo olona te-hifandray amin'ireo mpiara-mianatra aminy]. Hita mazava tsara izy amin'ilay faharoa (mijoro eo ankavanana izy), sary fahatelo sy faha-efatra nakarina ato: http://ridus-news.livejournal.com/286436.html. Izany dia misarika ny olona hisaina fa ny tompon'andraikitry ny Minisiteran'ny Atitany dia mila mianatra haingana na amin'ny fomba ahoana na amin'ny fomba ahoana mampiasa aterineto sy fikarohana amin'ireo tambajotra sosialy. Hatramin'izao dia mbola mandany betsaka amin'ny orantsika ny fandrangondrangotana toetr'endrika sy ny fijerena antontan-taratasy momba ny jiolahy, raha fotoana fohy monja dia efa afaka hita moramora amin'ny aterineto ireo mpamono olona.

Anatin'ny  fanehoan-kevitra eo ambanin'ity lahatsorany ity dia, niray hevitra avy hatrany tamin'i Ternovksy ireo bilaogera [ru], nanamarika fa :

Да. Достаточно в одноклассники встроить систему распознавания лиц. Но у нас ничего не хотят делать.

И судя по тому чемоданчику с деньгами, товарищи легко смогут отмазаться.

Eny. Mety ho ampy ny fametrahana fitaovana famantarana endrika ao Odnoklassniki. Nefa mazava ho azy, ny olontsika [ny polisy] dia tsy vonona hanao na inona na inona.

Ary raha tsaraina amin'ny kitapokely feno vola, ho afaka hivoaka mora fotsiny amin'ny olana ny namana.

Nanahy ny bilaogera iray [ru] fa ny lalàna mazava momba ny fanafihana madinidinika ampivadiana amin'ny tsy fahampian'ny fiarovan'ny polisy dia handrisika ireo nahavanon-doza “hamaly faty” an'i Ternovsky avy eo :

Хочется пожелать Дмитрию тоже обзавестись травматическим стволом. По нынешним временам без него в Москве никак. […] Надеюсь, полиция все же сработает – и возьмут стрелков. Правда, им ничегошеньки не светит. Мелкое хулиганство. Заплатят штраф – и обозленные будут ждать Терновского возле подъезда, чтобы разобраться. Вооружаемся, граждане.

Te-hanoro hevitra an'i Dmitry koa aho mba hividianana basy poleta fandemena iray [basy poleta mampiasa bala fingotra]. Amin'izao andro sy fotoana izao, tsy azo atao ny miaina ao Mosko raha tsy manana iray amin'izany. […] Manantena aho fa hiasa hamoaka ny zavatra rehetra ny polisy – ary hisambotra ireo mpitifitra. Nefa sarotra ny hiampanga azy ireo amin'ny zavatra matotra. Setrasetran'ny tanora tsy ampy taona io. Haloan-dry zareo ny sazy (lamandy) – ary romotra hiandry an'i Ternovsky eny ankodimirana mba hamaly faty. Mitondrà fitaovam-piadiana ry vahoaka.

Ny 15 Jona, andro iray taorian'ilay fanafihana,  Ilya Varlamov [ru], Rosiana mpitoraka bolaogy an-tsary malaza sady naman'i Ternovsky, niantso ny bilaogera handeha hanohana ny iray amin'izy ireo. Nampakatra lahatsoratra iray tao amin'ny bilaoginy [ru], niantso ny rehetra hanohana an'i Ternovsky ny 16 Jolay.

Завтра в около 13:00 в Таганском районном суде города Москвы состоится рассмотрение дела об избрании меры пресечения для задержанного по делу об обстреле машины Дмитрия ternovskiy Терновского. Мне кажется, стрелявшего в центре Москвы Григория Чубревича завтра могут отпустить. Слишком много родственников сегодня кружилось около ОВД. Думаю, только от нас зависит, замнут это дело или нет. […]

Rahampitso (27 jolay), manodidina ny amin'ny 1 ora tolakandro, eo amin'ny tokotanin'ny fitsaran'i Tagansky ao Mosko, no hahenoana hoe ho voatazona am-ponja sa tsia ny olona izay nitifitra ny fiaran'i Ternovsky na tsy hanomboka akory. Heveriko fa ilay lehilahy nitifitra an'i Ternovsky tao afovoan'i Mosko, Grigory Chubrevich, dia mety ho afaka rahampitso. Havana maro no mifanaretsaka manodidina ny Departemantan'ny Raharaham-Bahiny (OVD). Mihevitra aho fa miankina amintsika io, raha hampanginina na tsia ity raharaha. […]

Nandefa lahatsoratra amin'ny antsipirihany momba ny famotopotorana izy[ru] taoriana kely ary nisaotra ireo olona 40 na mihoatra izay tonga hanohana an'i Ternovsky.

Noho ny faneren'ireo bilaogera, dia nahazo ny fifantohan-tsain'ireo manampahefana syny fampahalalàm-baovao ilay zava-niseho. Ny fotoam-pitsarana voalohany  dia nanapa-kevitra ny hisambotra an'i Chubrevich 2 volana mandritra ny fanadihadihana. Araka ny  Echo Moskvy,  Chubrevich dia mety ho voampanga noho  ny “Hooliganism / Fikambanana Jiolahim-boto”, izay hitarika fanasaziana hatramin'ny fampidirana 7 taona am-ponja.

Dmitry Ternovsky – Mpisolovava ny zon'ny bilaogera

Dmitry Ternovsky dia efa mpisolovava ny zon'ireo mpitoraka bilaogy an-tsary ao Rosia, indrindra ny zon'izy ireo haka ny sary ireo toerana – avy amin'ny tranoben'ny governemanta hatramin'ireo tranobe fiasana vaovao vao naorina ka hatramin'ireo tranombarotra. Ternovsky, miaraka amin'ny biloagera namana maro, dia matetika mandeha mitsangatsangana sy manao dia fakàna sary (photowalks) hezaka haka sary ireto toerana toy ny tranom-panjakana sy birao, ary olona toy ny polisy sy mpitàna birao, hiezaka hanosika ny fetra farany amin'izay azo sy tsy azo alaina sary ao Rosia.

Tsy ela akory, mpitoraka bilaogy an-tsary maro, anisany i Ternovsky, no nandefa taratasy ho an'ny Filoha Rosiana Dmitry Medvedev, manambara fa ny fomba fanakanan'ny polisy ny mpaka sary tsy hahazo maka sary dia fanitsakitsahana amin'ny lalàmpanorenana Rosiana.

Ankehitriny, ny vondron'ireo mpaka sary dia miasa handresy lahatra ny mpandraharaha, trano fisotroana kafe, ary ny mpiasam-panjakana mba hanatevin-daharana ny tetikasa ‘Fahalalahan'ny Fakàn-tsary‘ [ru], amin'ny fandefasana taratasy kelinà fakan-tsary maitso araikitra eny amin'ny varavaran-kelin'ny mpandraharaha sy trano fiasàna. Hatreto, ny polisin'ny Mosko renivohitra dia  nanatevin-daharana azy ireo [ru], mamela ny hakàna sary azy ireo eny amperin'asa.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.