Kolombia: Polisy Nandihy Nirary Tongasoa Ho Anà Mpilalao Baolina Kitra

Tao Medellin, Kolombia, tao amin'ny seranam-piaramanidina dia naneho hetsika fiarahabàna an'ireo mpilalao baolina kitra ireo manamboninahitry ny polisy, nahafinaritra ireo mpitsidika izany fa kosa nahatonga olana momba ny filaminana ho an'ny toerana sasantsasany.

Mampiantrano ny Fiadiana ny tompondaka erantany FIFA U-20 ny tananan'i Medellin, ary ny Football Association (FA) dia nandefa ny lahatsary fiarahabana nataon'ny tanàna ho ao amin'ny English Sub 20 tanaty lahatsoratra iray mitondra ny lohateny hoe ‘Firariana tonga soa kidaladalan'ny Kolombiana‘.

Screenshot from TheFA video

Sary indray mipika avy amin'ny lahantsary TheFA

Teo am-pahatongavana tao amin'ny seranam-piaramanidin'i Medellin no nahita ny gadon-dry zareo ny tarika U20, noho izy ireo nahazo firariana tongasoa tsy nampoizina nataon'ireo polisy tao Kolombia.

Toa tsy manaiky ny laharam-pahamehan'ny polisy anefa i Marxepunx izay mipetraka any Medellin [es] :….

Y justo ayer leía que no se podían disponer de algunos policías en el Centro de Medellín donde se han incrementado los robos. Es que los pocias están súper ocupados haciendo labores de “CRAZY” comité de bienvenida.

Vao omaly aho izao no namaky fa tsy misy polisy azo alefa ho any ambanivohitr'i Medellin izay nirongatra ny halatra. Izany dia noho ny polisy sahirana be nanao ny asany ho toy ny komity “KIDALADALA” mpandray vahiny.

Na izany aza, toa hita hoe toa hetsika nahafinaritra ihany izy ity raha ho an'ny mpitsidika Arzantina manaraka ny fiadiana ny ho Tompondaka Erantany. Eo amin'ny Banfield Locura [es], bilaogy momba ny ekipan'ny baolina kitra Arzantina, dia manoratra izy ireo :

Fue impactante el recibimiento que tuvo el seleccionado argentino. Tanto en Bogota, primera escala, como en esta ciudad punto de concentración para los partidos de la fase clasificatoria. Danzas típicas, conjuntos lugareños, salsa, música tropical, y otros tantos ritmos más. Lo curioso, que aquí la coreografía de las mujeres eran formadas y realizadas por integrantes de la fuerza pública. Tímidamente, casi a los empujones, con un tanto de vergüenza y pudor los muchachos no pudieron negarse y ensayaron algunos pases de baile. Es que aquí se vive y respira fútbol a cada paso, en cada rincón de esta cálida tierra colombiana. Conocen a todos, saben a la perfección “la historia” de cada uno. Los aeropuertos desbordaron cordialidad, amabilidad y porque no admiración.

Tena nanaitra maso ny firariana tongasoa nomena ny ekipa Arzantina. Tany Bogota, ny fijanonana voalohany sady tao amin'io tanàna io ihany koa no ambohim-pihaonana ho an'ny lalao teo amin'ny fiadian-toerana. Dihy nentim-paharazana, vondrona mozika isam-paritra, salsa, tropikaly ary gadona maro hafa. Ny tena nahazendana dia ny dihy mirindra izay nataon'ny vehivavy avy amin'ny polisy. Amin-kenatra, toy ny hoe noterena sy somary nihafahafa ary koa tamin'ny kenatra, tsy afaka nandà ireo tovolahy ary niezaka nanao ireo fihetsiky ny dihy.
Satria moa toy ny iainana sy rivotra fohana amin'ny dingana rehetra mihitsy ny baolina kitra, isaky ny faritra amin'ity tany mafanan'ny Kolombiana ity. Mahafantatra ny olona rehetra izy ireo, tena hainy tsara mihitsy ny “tantaran”ny olona tsirairay. Tena rakotra firahalahiana, fahatsorana, ary maninona mihitsy koa moa, raha atao hoe fitiavana, ireo seranam-piaramanidina.

Tany Medellin, Kolombia, nirary tonga soa ireo mpilalao baolina kitra tany amin'ny seranam-piaramanidina ireo polisy, naneho hetsika tsara tamin'ireo mpitsidika fa kosa nanangana olana mikasika ny filaminana ho an'ny teorana sasantsasany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.