- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fitorahana Bilaogy Miafina Amin'ny WordPress sy Tor, Torolàlana Amin'ny Teny Espaniola

Sokajy: Solovava, Torolalana, GV Mpisolovava

 

Ny Toro-làlana momba ny Fitorahana bilaogy miafina amin'ny WordPress sy Tor dia efa misy amin'ny teny Espaniola [1] noho ny fandikan-tenin'ny mpanampy malalantsika Marianne Diaz [2].

Ny toro-làlana dia mampiseho fomba maro hiarovana ny mombamomba ny olona iray mba hisorohana ny valy bontana ary hampiena bebe kokoa ny risika amin'ny fanakambanana ny mombamomba ny mpitoraka bilaogy iray amin'ny asa sorany ao anaty aterineto amin'ny alàlan'ireo fitaovana tekinika samihafa.

Blogueo Anónimo con WordPress y Tor dia afaka sintonina tahaka amin'ny endriny “PDF” [1]. Mety ilainao ny mametraka ny ny Adobe Acrobat Reader maimaim-poana [3] mba hijerena azy.

Miangavy anao hisintona ny toro-lalana ary hanampy hampiely ity vaovao manan-danja ity. Asa misalasala ihany koa manampy anay handika ny toro-lalana amin'ny teninao manokana.

Ny toro-lalana dia hita amin'ireto teny ireto ihany koa:

Anglisy [4]
Frantsay [5]
Portuguese [6]
Arabo [7]
Farsi [8]
Sinoa [9]
Italiana [10]

Raha mila fanampim-panazavana dia ilazao izahay ao amin'ny : advocacy [ at ] globalvoicesonline [ dot ] org