- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Miaràha Aminay Amin'ny Adihevitra Momba Ny Finday Amin'ny Mediam-bahoaka

Sokajy: Mali, Rising Voices

Ny Rising Voices dia faly mandray anjara anatina fifanakalozan-dresaka ao amin'ny aterineto [1] karakarain'ny fikambanana New Tactics in Human Rights (Tetikady vaovao amin'ny Zon'Olombelona) [2] ary niarahan'ny Mobile Active [3] nanentana. Ny fifanakalozan-kevitra nandritry ny herinandro iray manontolo, “Mampiasa Finday ho an'ny Media Sosialy” izay nanomboka ny 27 Jolay ka hatramin'ny 2 Aogositra 2011 dia hamondrona miaraka ny manampahaizana mpampiasa ireo loharano ireo maneran-tany mba hizara ny traikefany, tetikady, sy hevitra amin'ny fampiasaina ireny fitaovana ireny ho amin'ny tanjona isan-karazany mifandraika amin'ny mediam-bahoaka. Hampifantoka ny fandraisanay anjara amin'ireo andrana mbola mitohy amin'ilay tetikasa vaovao Fampifandraisana ireo Tanàna ao Ségou [4] tohanan'ny Rising Voices izahay, izay nampianatra ny mponina any ambanivohitr'i Ségou faritr'i Mali ny fomba fampiasàna finday handefasana ireo fanavaozam-baovao amin'ny alalàn'ny hafatra fohy (SMS) mankany amin'i Boukary Konaté, mpandrindra ny tetikasa any ao Bamako renivohitra.

Avy amin'ny fanoritsoritana ilay fifanakalozan-dresaka tao amin'ny vohikalan'ny [1] New Tactics:

Ny fampahalalam-baovao dia entam-barotra iray matanjaka ho an'ireo mpiaro ny zon'olombelona. Ny fahazoana sy fizarana vaovao dia ao anatin'ny votoatin'ny asa momba ny zon'olombelona. Ny teknolojia vaovao, tahaka ny finday, sy ny fizarana ny aterineto eran-tany, manome fahafahana vaovao ho an'ny olona mba handray anjara mavitrika amin'ny fanaovan-gazety. Tsy misy ady hevitra fa ny finday no endriky ny teknolojiam-pifandraisana sy fampalalam-baovao mora idirana indrindra sady fitaovana malaza amin'ny fahazoana sy fizarana vaovao.

Ireo manampahaizana amin'ny zon'olombelona dia mahita fomba vaovao hampiasana ireo finday mba hanamafisana ny feon'ny fikambanana eran-tany hanangonana sy hanapariahana vaovao sy fahalalana. Any Namibia, ny mpamaky dia afaka manoratra SMS anatin'ny fanamarihana ho an'ny tonian-dahatsorara, izay avoaka amin'ny gazety voatonta any Namibia avy eo. Any Goatemala, ireo mpihaino fampielezam-peo dia manoratra ny tsikeran'izy ireo izay vakiana mivantana ao amin'ny fampielezam-peo avy eo. Any Inde, manafaka amin'ny fandraràna ireo vaovao amin'ny radio ny finday ary manome fahafahana ho an'ny vahoaka hisokatra amin'ny vaovao no sady handrakitra ny vaovao. Ohatra vitsy amin'ny fomba fampiasan'ireo manampahaizana ireo finday mba hahazoana sy hanomezam-baovao ary fampahalalàna avy amin'ny/ho an'ny vahoaka fotsiny ireo.

Ireo hafa nandray anjara amin'ny maha-manampahaizana amin'ny  teknolojia azy ireo:

Miverena mijery eto [1] manomboka ny 27 Jolay amin'ny fanombohana ny adihevitra.
Field Fellow