Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Global Voices Podcast 2: Manome Lanja ny Fitenintsika

Global Voices Podcast HomepageSubscribe in iTunes

Miarahaba antsika rehetra!

Hiresaka momba ny Fiteny indray isika amin'ity  Global Voices podcast andiany faharoa ity. Azonao jerena ny lahatsoratra maromaro momba ity lohahevitra ity “amin'ny fitenintsika sy ny Aterineto“amin'ny fitantarana manokana nataonay. Ny fomba fiteny, fanoratra, fihetsika, ny firesaka ary fifandraisana ataontsika no toa lohahevitra tsara hiadin-kevitra ka sarotra tokoa ny hisafidy izay tokony hodinihana amin'ny podcast. Antenaina fa ho hitanao ato amin'ny resadresaka ataontsika ato izay tsara tokony hohalalinina.

Fomban-drazana nohavaozina


Anombohana azy, Solana Larsen, talen'ny fanoratana, izay manadihady ilay mpanoratra ao amin'ny Global Voices Israel Dr. Carmel Vaisman momba ny bokiny vaovao Hebrew Online (izay efa azo vidiana amin'ny teny Hebreo avy amin'ny Fivarotam-Boky Keter ). Mahafinaritra tokoa ny mahafantatra ny fiavian'ny fiteny Hebreo, ny fomba nandrosoany sy ny nivoarany amin'ny fampiasana azy araka ny fotoana.

Jeografia sy ny fiteny


Na miserasera na tsia, milaza betsaka ny mombamomba antsika ny fiteny ampiasaintsika na am-bava na an-tsoratra. Ny safidy amin'ny fiteny ofisialy ao amin'ny firenena iray, dia midika  zavatra maro fa tsy fomba ifandraisana fotsiny ihany . Sara Moreira no mpanoratra amin'ny fiteny Portuguese ao amin'ny Global Voices. Milaza amintsika momba ny faritra iasany amin'ny asa fanaovan-gazety izy, izay tsy ara-jeografika ihany fa kosa mifanakaiky kokoa amin'ny fomba fiteny.

Mitantara angano

Tsy ny fiteny izay ampiasantsika ihany no tena mahaliana fa izay zavatra lazaintsika ihany koa. Claire Ulrich no mpanoratra amin'ny teny frantsay ao amin'ny tranokala Global Voices no sady mpanoratra mpanampy amin'ny lahatsoratra Frantsay ihany koa. Claire no manasongadina ny lahatsoratra adikan'i Boukary Konate, mpandika teny ao amin'ny Global Voices sy mampahafantatra ny fiainana ao Mali. Mitantara amintsika Angano ao amin'ny Tanàna iray i Claire izay ahafahantsika rehetra manatsoaka lesona.

Hafatra voaray

Tsy natao ho zavatra tenenina sy soratantsika fotsiny ny fiteny rehetra. Fa zavatra iray ampiasantsika mba ahafahana miserasera ihany koa izy. Jeremy Clarke no lehilahy tompon'antoka tamin'ny fandrafetana sy fanaovana ny haingon-tsary ao amin'ny tranokalan'ny Global Voices. Ny hany azo ambara dia betsaka ny zavatra nataony, ary misaotra azy isika satria izy no nahatonga an'ny  GV eto ka nahafahan'ireo mpiara-miasa sy mpamaky rehetra mampiasa sy miditra ao amin'ny GV. Niresaka momba izany hoe fitantanana fikambanana lehibe izany isika ary ny fomba mety misy resaka politika amin'ny fiteny fantatra.

Izay no momba ity fandaharana Global Voices podcast ity, kanefa mbola hiverina izahay mba hihaino anao indray. Aza misalasala maneho hevitra na manome sosokevitra amin'ny manaraka.

Hirahira

Amin'ity podcast ity, afaka mihaino hirahira  maromaro ianao, zon'ny mpamorona Creative Commons . Raha te hahafantatra bebe kokoa momba ny mpihira ianao, indreto sombiny amin'izy ireo.

Misaotra an'i Orb Gettarr tamin'ny Atlanteans Lemurian Candidate, misaotra an'i Mark Cotton tamin'ny Spiritualized Homage nataony , i Superbus feat. NS Fujjad! Maro koa ireo hira hita tao amin'ny OpSound.Org, The Free Music Archive na hita mivantana ao amin'ny tranokalan'ireo mpanankato. Misaotra ny rehetra ihany koa tamin'ny feo sy ny rakitsary ary ireo rehetra izay nanampy tamin'ny fanatontosana ny podcast

Misaotra anao nihaino ary manantena hizara aminao indray ny  Global Voices podcast manaraka!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.