Shina: Vinaingitra simika

Nisy tatitra avy any an-toerana nampahafatatra fa ny 90% ny vinaingitra eny an-tsena dia novokarina avy amina asidra “acetic”mangatsiaka (Avy amin'ny mpamoaka lahatsoratra : acide acetique tsy mitapoka) raha tokony ho natao avy amin'ny voan-javatra.

Araka ny tatitra [zh] ao anatin'ny First Financial Daily, ny salan'isan'ny fanjifàna vinaingitra isan-taona dia ambonin'ny 3.3 tapitrisa taonina ary ny 90% dia fangaro simikan'ny asidra “acetic” mangatsiaka, rano sy ny fanampiny hafa. Ny teny “Taharonà Vinaingitra” (勾兌醋) dia lasa teny iray be mpikaroka indrindra nandritra ireo andro vitsy lasa.

Ilayy mpampiasa ny sehatra fifampiresahana Egugu, Bean Eyes dia mampitandrina [zh] ireo mpanjifa hafa momba ny taharon'ny vinaingitra simika:

而国家规定勾兑醋必须用食用冰醋酸,但受利益驱动,一些个体经营者竟用价格便宜的工业用冰醋酸(1桶食用冰醋酸的价格约合2.5桶工业用冰醋酸)作原料。勾兑醋的制造工艺则非常简单——冰醋酸加上一定比例的水,混合后便可装袋。一些与食用冰醋酸勾兑的醋,并经过充分的蒸溜处理,理论上应该说是对人体无害的。但它除了有酸味之外,对人体没有什么好处。因此与其说它是醋,不如说它是“酸水”更准确些。

工业冰醋酸中还含有大量的铅和砷元素,还含有未被氧化的有机物如甲醇,接触和食用会引起人体多发性神经炎,导致视力急剧下降,失明,血液中毒,胃肠粘连,长期食用会导致肺癌,胃癌。

Araka ny lalàna, tsy maintsy mampiasa asidra “acetic” mangatsiaka fihinana izy ireo, nefa ny orinasa madinika sasany dia mampiasa asidra “acetic” mangatsiaka vokatra indostrialy. (Mitovy amin'ny vidina barika 2.5 amin'ny asidra “acetic” mangatsiaka vokatra indostrialy ny vidina barikana asidra “acetic”mangatsiaka fihinana iray). Tsotra tokoa ny taharo, afangaro fotsiny ny asidra “acetic” mangatsiaka sy ny rano dia vita.
 

Tsy maintsy mandalo ny zotran'ny fanasitiliana ny asidra “acetic” mangatsiaka fihinana ary tsy manimba. Nefa tsy mitondra zava-tsoa ho an'ny vatan'olombelona izany, rano misy asidra fotsiny, fa tsy vinaigitra. Manana vy mavesatra sy methanol ny asidra “acetic” vokatra indostrialy, izay hitarika ny fanaintainan'ny ozatra ary mety hahatonga fahajambana, fahasimban'ny rà, firaiketan'ny vavony sy ny tsinay. Ny fihinanana mandritra ny fotoana maharitra dia mety hitarika amin'ny homamiadan'ny avokavoka sy ny vavony.

Any Sina Weibo, miseho anatin'ireo adi-hevitra maro ao amin'ny vaovao androany ny olan'ny “taharon'ny vinairgitra”. Eto ambany ny dikantenin'ireo [zh] tsikera voafantina avy amin'ireo vaovao ao amin'ny Global Entrepreneur Magazine :

找乐子儿 一点不稀奇,在这个没有标准没有监管的体制下,在这个拜金主义盛行的社会中,我们怎么可能希望有安全不离谱的产品呢?如果前两个现状没有改观,只能是没有最离谱,只有更离谱!(1分鐘前)

李景利 早就不是行业机密了,只是,为啥没人出来管管呢?纳税都用来养狗了?(7分鐘前)

一念已至灵山 我们无法放心的吃任何东西,这是一个怎样的世界?我们的厨房是否应该变成化学实验室,所有的食品先检测一下再入口?(26分鐘前)

cao-min 怎么这么多东西都是勾兑出来的啊,其他国家的这些产品是不是一样?期待结果…(43分鐘前)

左晓兵 可不可以反过来:告诉国人什么东西能放心吃!!(46分鐘前)

Searching for happiness (Mitady fifaliana): Tsy zava-baovao ity. Anatinà rafitra tsy misy fandinihana ny kalitao, anatinà orinasa izay ny vola ihany no mahasarika, inona no mbola antenaintsika? Raha tsy afaka manova ireo fepetra etsy ambony isika dia hahazo zava-mahatalanjona maro dia maro.

Li Jinli: Tsy dia tsiambaratelon'ny fandraharahana loatra ity. Ny olana dia tsy misy na iray aza dingana iray hifehezana ny zava-misy. Ny volan-ketrantsika dia lany amin'ny famahanana alika.

Spiritual mountain (tendrombohitry ny fanahy) : Tsy misy na dia sakafo iray aza azontsika hohanina ampahatokiana. Mba karazana tontolo inona no iainantsika? Angamba tokony havaditsika ho trano fanaovana fanandramana ny lakoziantsika ary andramana aloha ny sakafo alohan'ny hahandroantsika azy.

Cao-min: “Fa ahoana loatra no mahatonga antsika ho tottry ny sakafo simika toy izao”. Manontany tena aho raha manana tahaka izany koa ireo firenena hafa? Miandràndra fanazavana.

Zou Xiaobing: Fanontaniana mifanohitra amin'izay: Afaka miteny aminay ve ianao hoe inona no azonay hohanina ampahatokisana ankoatra izay?

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.