- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Korea Atsimo : 41 No Maty Tao Anatin'ny Tondra-drano Mahery Vaika Sy Fihotsahan'ny Tany

Sokajy: Azia Atsinanana, Korea Atsimo, Fitantanam-pitondrana, Tontolo_iainana, Vaovao Mafana, Voina

Oram-batravatra be no namely an'i Korea Atsimo nandritra ny andro maro nifanesy, nahatonga firotsahana tany, tondra-drano ary fahatapahan-jiro. Farafahakeliny 41 ny olona maty ary 12 no mbola tsy hita hatramin'izao. Nandritra ilay loza voajanahary, Koreana  Tatsimo maro no nizara fanavaozam-baovao, sary maro ary toro-hevitra mahasoa ho an'ireo tra-doza tamin'ny alalan'ny Twitter.

Loza maro tsy voatanisa

Tao anatin'ireo loza maro tsy voatanisa, ny firotsahana tany tao amin'ny tendrombohitr'i Woo-myun [1] izay vokatry ny ora-mikija, niantraika mafy tamin'ny mponin'ireo Koreana Tatsimo. Voalaza fa 32 no maty tamin'ilay loza, miampy ireo mpianatra folo avy aminà kolejy nanao asa maimaim-poana. Ilay tendrombohitra dia ao an-tanànan'i Seoul renivohitra sady koa faritra misy ilay toerana nanitrihana vanja mipoaka tototra nandritra ny Adin'ny Koreana, loza mitatao izay niteraka tahotra niparitaka tamin'ny vahoaka.

Firotsahana orana be loatra izay nahatonga tondra-drano tao Gyeong-gi Province, Korea Atsimo , sary avy amin'ny mpampiasa Twiter @karistuck, nampiakarina tao amin'ny the Wiki Tree site (CC BY 2.0). [2]
 

Oram-batravatraa be loatra nahatonga tondra-drano tao amin'ny Faritanin'i Gyeong-gi Province, Korea Atsimo , Sary avy amin'ilay mpampiasa Twitter  @karistuck, Nakarina tao amin'ny vohikala Wiki Tree (CC BY 2.0)

Iray amin'ireo mpampiasa Twitter malaza ao amin'ny firenena i  Dogsul (@dogsul [3]) izay nahangona mpanara-dia 110.000, nibitsika [4] [ko] farany ny 27 Jolay :

우면산 산사태가 걱정되는 이유 중 하나는… 대인지뢰 때문입니다. 잘 알려지지 않았지만 우면산은 지뢰가 가장 많이 매설된 후방지역 중 하나입니다. 관련 기사입니다. http://t.co/Lyyzv2F [5] [6]

Ny zavatra iray izay nampanahy ahy momba ilay firotsahan'ny tany tao amin'ny faritr'i Woo-myun dia ireo vanja milevina. Amin'ireo toerana izay [nampiasaina ] (nandritra ny Ady), ny tendrombohitr'i Woo-myun no isan'ny toerana be vanja milevina betsaka indrindra. Indro lahatsoratra iray mahakasika izany. http://t.co/Lyyzv2F [5] [ko]

Vao maraina ny 28 Jolay, vaovao iray avy tao an-toerana [7][ko] no nitanisa fanambarana miaramila iray izay nilaza fa tsy nahavita ny nanavotra vanja mipoaka folo izay very nandritra ilay tondra-drano akory izy ireo.

Ilay mpampiasa Twitter Funpt [8] nibitsika sary telo [9] nalainà olom-pantatra mipetraka eny akaikin'ilay tendrombohitra :

우면산 난리네요…twitpic.com/5wf1a0 [10] twitpic.com/5wf1a1 [11] twitpic.com/5wf1a2 [12]

Ny tendrombohitra Woo-myun ambony ambany. twitpic.com/5wf1a0 [10] twitpic.com/5wf1a1 [11] twitpic.com/5wf1a2 [12]
<br /> Tendrombohitra'i Woo-myun simba tanteraka . Sary nalain'i@Funpt. [13]
Tendrombohitra Woo-myun ambony ambany. Sary avy amin'i @Funpt.

Oh Ja-young (@urpurple [14]) nibitsika [15] [ko] rohy mankamin'ny lahatsarim-baovaon'olon-tsotra momba ilay firotsahan'ny tany tao an-tendrombohitra :

우면산 산사태 동영상 tvpot.daum.net/clip/ClipViewB… [16] […]영화 ‘해운대'는 아무것도 아닌듯. 호러물이 따로 없군요.

Ity ilay lahatsary momba ilay firotsahan'ny tany tao Woo-myun : tvpot.daum.net/clip/ClipViewB… [16] […] Ilay horonantsary ‘Haeundae’ dia tsy misy dikany raha oharina amin'ity loza ity. Toy ireny mijery horonantsary mampitahotra ireny ilay izy
Sary [17]

Sarin'ireo trano teo akaikin'ny tendrombohitra Woo-myun. Sary avy amin'ilay mpampiasa Twitter @stella868, Nakarina tao amin'ny vohikala Wiki Tree (CC BY 2.0).

Nanome tsiny

Seo Hyung-wook (@minariboy [18]), mpitantara baolina kitra, dia nanakiana [19][ko] ny Ben'ny tanàn'i Seoul, Oh Se-Hoon [20] sy ireo olona nifidy azy ho eo amin'ny toerany. Ny distrikan'i Gangnam dia iray amin'ireo faritra manankarena indrindra ao amin'ny firenena, ary koa isan'ireo faritra tena vodona mafy tamin'ilay tondra-drano :

강남의 몰표로 시장님이 된 남자는 부임 이후 5년간 수해 예방 예산을 1/10로 줄였다. 그리고 오늘. 서초구 우면산은 무너졌고 전기는 끊겼으며 강남구 대치역과 강남역은 물바다가 되었다. 참사로 되돌아온 강남의 몰표. 선거란 얼마나 중요한 일인지.

Lasa ben'ny tanàna an'i Seoul io lehilahy io tamin'ny nahazoany vatom-pifidianana betsaka tao amin'ny faritr'i Gangnam. Nandritry ny dimy taona lasa farany teo, notapahany tsikelikely ny famatsiam-bola natokana ho fisorohana ny tondra-drano, ary nataony ho iray ampaha-folon'ny vola natokana ho amin'izany nony farany. Vokany, nirodana ny tendrombohitr'i Woo-myun androany, tapaka ny jiro ary tondraka ny Daechi, toby mpamokatra herinaratra ao amin'ny faritr'i Gangnam sy ny toby ao Gangnam. Ny mponina ao Gangnam dia nahazo io loza io ho setrin'ny vatom-pifidianana marobe nomeny. Zava-dehibe marina tokoa ny fifidianana.

Peristory [21], Kaonty Twitter izay anà fikambanaan tsy mitady  tombontsoa manokana, izay mandalina ireo politika ara-toekarena ho an'ny olon-tsotra ary miaro ny zon'ny mpanjifa dia nibitsika hoe [6] [22][ko] :

서초구 방배동 우면산 산사태. 쓸려 내려온 자동차가 빌라 3층 건물에 박혀있다 http://twitpic.com/5wkokg [23]

Io fihotsahana tany tao an-tendrombohitr'i Woo-myun io dia nifaoka fiara iray ary nitondra azy hatreny amin'ny rihana fahatelon'ny trano be iray. (sary tsindrio ity  http://twitpic.com/5wkokg [23] )

Ninoana fa [24] [ko], amin'ny ampahany, ilay fihotsahana tany dia mety ho vokatry ny fandavahana zohy teo akaikin'ilay tendrombohitra, nefa i Peristory [21] nanamafy [25] [ko] fa misy antony hafa koa :

우면산 산사태는 ‘이기심'이 원인인가. 서초구청은 산사태 방재공사를 평소에 하려했지만, 개인땅이 97%라 ‘반대가 너무심했고, 도저히 할수 없었다'고 http://twitpic.com/5wmbir [26]

Moa ny ‘fitiavan-tena ‘ va no nahatonga izao fihotsahana tany izao? Ny biraon'ny distrikan'i Seocho dia namolavola drafi-panorenana hisorohana ny fihotsahan'ny tany. Fa satria ny 97 isan-jaton'ny tany dia fananan'olon-tsotra, betsaka ny fanoherana ka tsy nahafahan'izy ireo nanomboka izany akory.

Miady mafy mba hanavo-tena

Cars struggling in Gangnam area, Seoul, South Korea, Image by Twitter user @westminia, Posted on the Wiki Tree site (CC BY 2.0) [17]
Ireo fiara manavo-tena ao amin'ny faritr'i Gangnam , Seoul, Korea Atsimo, Sary avy amin'ilay mpampiasa  Twitter @westminia, Nakarina tao amin'ny vohikala  Wiki Tree (CC BY 2.0)

Koa satria ny ranon'orana nandrakotra ny faritra iva tao Seoul izay ahitàna olona an'arivony maro mifanerasera miasa isan'andro, miady mafy ireo fiara mba hanavo-tena amin'ny làlana tondraka.

Mpampiasa Twitter  knowledge_bot [27] nibitsika hoe [28] [ko]:

침수지역을 지나실 때 통과해야 하나 고민되시는 경우, 자동차의 바퀴와 물의 깊이를 비교해보세요. 자동차 바퀴는 3분의 1, 화물차는 바퀴 절반 이하가 됐을 경우 지나갈 수 있습니다.

Rehefa tojo fisalasalana ianao manoloana ny hoe handeha eo amin'ilay làlana rakotra rano sa hiova (làlan-kafa), voalohany refeso aloha ny halalin'ny rano ary ohary amin'ny haavon'ny fiaranao. Raha mahatratra hatreo amin'ny iray ampahatelon'ny haavon'ilay fiara ny rano, na antsasany raha fitondrana entana ilay izy, afaka ny handeha eo amin'ilay rano ianao.

Bitsika iray mitohy [29] [ko] namaky:

Flood in Hongdae area, Seoul, South Korea. Image by net user 케이머스, Posted on the Wiki Tree site (CC BY 2.0) [17]
Tondra-drano tao amin

차를 타고 물웅덩이를 통과해야 할 경우, 1단, 2단 기어로 두고 시속 10~20km로 서행 운전하세요. 물웅덩이 통과 후에는 브레이크를 여러 번 가볍게 작동시켜 브레이크 라이닝을 말려주세요.

Raha toa ka mandeha anaty rano tsy lalina ny fiaranao, mandehana mora amin'ny hafainganam-pandeha voalohany na faharoa (vitesse 1ère na 2ème). Rehefa tafavoaka ilay rano tsy lalina ianao, hitsaho matetika ny “frein” mba hanamainana ilay tsindry hisatra mando.

Sary maro sy filazam-baovao maro no nandrakotra ny tontolon'ny Twitter raha mbola nitohy kosa ny oram-baventy androany. Mbola ahiana ny hiavian'ny ora-mikija ato anatin'ny 24 ora, namorona sarintany ao amin'ny Google [30] ireo mponina hanamarihana ireo toerana niharan-doza.

Vaovao farany: ny taha-pahafatesana dia nahatratra 59 ny 29 Jolay. Mikasika ilay hnohono hoe fanapahan-kevitra noraisin'ilay ben'ny tanàna ao Seoul momba ny fanapahana ny vola natokana ho an'ny fisorohana ny tondra-drano ka nahatonga ilay loza, nadikan'ny mpitandro ny filaminana ho siosion-dresaka ilay izy ary nanomboka nanadihady ireo mpampiasa aterineto nanaparitaka voalohany ilay vaovao diso ry zareo, araka ny tatitra [31] [ko] avy amin'ny vaovao any an-toerana.