Kenya: Tokony Hanaisotra ny kaontin'i John Mwau ny Facebook

Bilaogera Kenyana Daudi Were no nametraka fanontaniana mahaliana raha toa ka afaka mampihatra ny Dina Kingpin manoloana ny Facebook  izay toa hita fa manao afera miaraka amina Kenyana,  John Harun Mwau, voatondro ho lehiben'ny mpanao aferan-drongony ao an-toerana ny governemanta Amerikana  (Jereo ny “Fanambarana an-gazetin'ny Trano Fotsy).

Mandrara ny mpanao aferan-drongony vahiny malaza, ny mpifandray aminy ara-barotra ary ny mpiray tsikombakomba aminy tsy hahazo hiditra amin'ny seha-pihariana Amerikana ny Dina Kingpin ary mandrara ihany koa ny fifanakalozana ara-barotra amin'ny mpanao trafika amin'ny olo-tsotra sy orinasa Amerikana.

Daudi maneho fanadihadiana mahaliana sasany amin'ny lahatsoratra nosoratany mitondra ny lohateny hoe “Facebook Tokony Tsy Hinamana amin'i Mwau”:

Na koa ny kendren'ny Dina Kingpin, eo amin'ny sehatra manerantany, dia ny mpanao trafika rongony vahiny malaza, sy ny fikambanan'izy ireo, ary ny mpiasa manao izany tsy ara-dalàna ho an'ny orinasa rehetra Amerikana na olon-tsotra rehetra Amerikana amin'ny fifanakalozana ara-bola miaraka amin'izy ireo.

Daudi mbola nanohy nanazava hatrany:

Tambazotra-tserasera ny Facebook sy ny tranokala ampiasaina izay fananana manokana an'ny, Inc. Facebook, noforonina tamin'ny taona 2004 ny Inc ary ao Palo Alto, California ny foiben-toerany. Orinasa Amerikana izy. Fananan'ny Facebook, ifampizaran'i Mark Zuckerberg, ny mpiara-miasa Accel, Digital Sky Technologies, ny mpiara-miasa Greylock, ny mpiara-miasa an-drenivola Meritech ary ny Microsoft sy ny orinasa ny renivola miasa. Olom-pirenena Amerikana ny ankamaroan'izy ireo ary koa Orinasa Amerikana.

Tadidinao ve fa ny orinasa Amerikana sy ny olon-tsotra Amerikana dia voarara amin'ny fifampiraharahana rehetra ara-bola miaraka amin'ny mpanao trafika rongony voalaza anarana ao amin'ny Lalàna  Kingpin Act. Eo amin'ny 1 tapitrisa dolara amerikana hatramin'ny 10 tapitrisa dolara amerikana ny onitra aloa amin'ny tsy fahafantarana ny lalàna ary tsy kely ihany koa ny  mety ahatonga fampidirana an-tranomaizina mandritra ny 30 taona.

Omaly alina, nanomboka nanamarika dokambarotra tamin'ny Facebook aho tamin'ny pejy Facebook an'i John Harun. Toy izao no voalaza ny lahatsoratra tao amin'ny dokambarotra

Fahombiazana sy Harena dia azo avy amin'ny toe-tsaina. Jereo ireo fitsipika nitarika ahy ho amin'ny Fahombiazana ato amin'ny Pejy Facebook misy ahy.

Aloa vola ireny dokambarotra ireny, misy karazana fifanarahana ara-bola ataon'izy ireo matetika amin'ny ankapobeny. Karazana fifanarahana izay tafiditra ho voararan'ny Dina Kingpin.

Nanao fanontaniana iray lehibe izay mitaky valiny ao amin'ny Facebook izy avy eo:

Tanàna kely izao tontolo izao. Tsy ho fantatra mihitsy ny fotoana hividianan'ny “mpanao trafika rongony malaza” dokambarotra amin'ny tolotra ao amin'ny orinasanao. Ny tena fanontaniana marina eto angamba dia izay mety ho ataon'ireo orinasa Amerikana, tahaka ny Facebook sy Microsoft, raha mahita ireo olona tsy nomeny alalana hiara hiasa miaraka aminy nefa mividy ny tolotra ao aminy?

Jke ao amin'ny bilaogy KikuyuMoja nametraka fanehoan-kevitra tao amin'ny lahatsoratra izay milaza hoe:

FB & Mwau: hahahaha, tsara kosa! Te-hahita olona avy amin'ny valin-tenin'ny Ambasady momba ity olona ity aho. Na koa mety hilaza izy ireo fa tsy nividy sehatra dokambarotra i Mwau fa mety hoe ny mpanohana azy (izay tsy mitovy moa?).

Daudi namaly hoe:

@JKE – mikendry ny mpanao trafika, ny mpiara-mitsikombakomba aminy ary izay miasa ho azy ireo ny dina (lalàna). Noho izany mikaonty amin'ny bokiko ny namana, ny naman'ny namana ary ny mpanohana!

Niteraka resabe an-tserasera ny nanondroana an'i John Harun Mwau ho mpanondrana rongony voalazan'ny Dina Kingpin tamin'ny volana Jona.

Tamin'ny fahenoana ny vaovao tamin'izany fotoana izany no nanoratan'ny Kenyan Jurist:

Mahatonga an'i Mwau ho tsy azo ifaneraserana ny fanondroan'ny Kingpin azy ary mampidi-doza ny fifandraisana ara-bola aminy indrindra raha tafiditra ao anatin'ny fari-piadidian'i Etazonia izany. Tafiditra ao anatin'izy ity ihany koa ny fifamoivoizana ara-bola mandalo any Etazonia. Fampitandremana ho an'ny fitondrana Keniana ihany koa izao mba handray an-tanana amim-pahamatorana ny resaka fanondranana rongony izy ireo.

Bilaogy Kenyan Stockholm no namoaka taratasy avy amin'i Barack Obama miresaka momba ny Dina Kingpin manondro ireo vahiny (tsy mizaka zom-pirenena Amerikana) mpanondrana rongony, ary nahazoana fanehoan-kevitra miisa 21 izany taratasy izany.

Taorian'ny filazana fa nisy nanafika ny fiaran'i Mwau no nanoratra toy izao i Wesley Rants:

Karazana filazana ankolaka io fa hoe mialona ny hareny manokana i Obama ary noho izany dia tena ambivitra tokoa ny ain'ny deba?

Ary raha ny momba ny fangatahana amin'ny governemanta mba hanome fiarovana fanampiny ho azy, fa angaha moa tsy nisy mpamily sy mpiambina manokana tao anaty fiara? Angaha moa tsy manana mpiambina manokana avy amin'ny volantsika tsirairay avy ny depiote tsirairay avy?

Angamba tsara mangala-tahaka ny any Meksika ny deba eto amin'ny tanàna managana fiara mifono vy mpiady ho azy manokana mihitsy:

Resaka (kobaka) am-bava fotsiny ve ity Dina Kingpin ity? Liana dia liana hahalala ny valiny ofisialy momba ity fanontanian'i Daudi Were ity ny Keniana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.