Tantara tamin'ny 06 Aogositra 2011
Bahrain: Liliane Khalil, Sangy Ratsy Iray Hafa Ao Amin'ny Bilaogy Sa Fampielezan-kevitra?
Ny 2 Aogositra 2011, nanoratra lahatsoratra momba ny famotopotorany ny mombamomban'ny olona antsoina hoe Liliane Khalil (@Liliane_Khalil), voalaza ho Mpanao gazety Arabo-Amerikana ny Britanika iray mpitoraka bilaogy sady mpianatra manomana PhD, Marc Owen Jones (@marcowenjones). Namerina nanamarika ireo kaonty rehetran'ity olona ity any anaty media sosialy i Jones, mba hahafantarany fotsiny fa noforoniny avokoa ireo rehetra noteneniny.
Zambia: Heverin'Ireo Bilaogera Fa Ilay Filoham-Pirenena Nodimandry No Nametraka Ny Datim-Pifidianana
Ela ny ela, ny 28 Jolay 2011, ny Filoham-pirenena Zambiana, Rupiah Banda, dia nanambara ny datim-pifidianana. Nisy ny adihevitra tao amin'ny firenena, ny amin'ny tsy maintsy hisian'ny datim-pifidianana mitombina. Noraisin'ireo Zambiana mpampiasa aterineto taminà fanehoan-kevitra samihafa izany.
Taratasy Iray Avy Ao Shina Ho An'ilay Norveziana Mpamono Olona
Maro ireo mponina ao Shina no tsy mahazo ny zava-doza nataon'i Anders Behring Breivik tao Norvezy. Saingy kosa tsy dia miraharaha ny antony nanosika azy sy ny foto-kevitra nijoroan'i Breivik. Eo imason'izy ireo, Norvezy dia paradisa, any ny olona no miaina amin'ny fahafaha-mividy ambony ary tsy mila ny hiatrika ny fahasahiranana ara-pivelomana. Ahoana no mahatonga izany?
Litoania: Ben'ny Tanàna Anaty Fiara Mifono Vy mamotika Ny Fiara Miantsona Tsy Ara-Dalàna
Lotika loatra amin'ireo fiara lafovidy miantsona amin'ny toerana tsy ara-dalàna eny amin'ny faritra natokana ho an'ny kodiaran-droa ny Ben'ny tanànan'i Vilnius...notapahany ny hevitra fa hanome ohatra ranamana ka dia nohitsahany tamin'ny fiara mifono vy ilay fiara
Libanona : Mpihira Nosamborina Noho Ny Faniratsirana Filoha Tany Anaty Hira
Ilay mpanakanto Libane Zeid Hamdan dia voatazona fotoana fohy tamin'ity herinandro ity noho ny fahasahiany nanala baràka ny Filoha Michel Suleiman tanatin'ny hira navoakany ny taona 2010.